Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'ny Eklesiastika

Eklesiastika toko 23
Fangatahana harovana amin'ny fahotan'ny lela - Fitandremana momba ny teny - Fandosirana ny fanaranam-batana.

       1Tompo o, ry Ray sy Tompo tokan'ny aiko,
aza afoinao ho amin'ny hevitry ny molotro aho,
ary aza avelanao aho hahita izay hahalavo ahy eo!
       2Iza no hampahatsiaro kotopia ny hevitro,
fifehezan'ny fahendrena ny foko,
ka tsy hitsimbina ahy amin'ny hadalako,
sy tsy hamela ahy hiarana amin'ny fahotana;
       3fandrao dia mitombo ny hadalako,
sy mihamaro ny fahotako,
ka lavo eo anoloan'ny rafilahiko aho,
ary ho faly ny fahavaloko amin'ny momba ahy.
       4Ry Tompo, Ray sy Andriamanitry ny aiko,
aza omena fanarana-maso aho,
       5ary avilio hiala amiko ny fanirian-dratsy.
       6Aoka tsy hahazo ahy, ny filan'ny nofo amam-panaranam-batana,
ary aza atolotra amin'ny fanahy tsy maotina aho.
       7Anaka, henoy ny fifehezan'ny vava,
fa izay hitandrina izany, tsy ho voafandrika.
       8Ho voafindriky ny molony ny mpanota,
hahita izay hahalavo azy eo, ny mpifosa sy ny mpaniratsira.
       9Aza manazatra ny vavanao hanao fianianana:
ary aza mihazatra hanonona ny anaran'Ilay Masina.
       10Fa toy ny mpanompo asiana fampijaliana matetika
tsy mety ho afa-dratra;
toy izany izay mianiana sy manonona tsy an-kijanona ny anaran'ny Masina,
tsy mety ho afaka amin'ny fahotana.
       11Mampitombo ny tsy fahamarinana ny olona mahery mianiana,
ka tsy hialan-kotopia ny tranony,
raha nanao izay mahameloka azy izy dia ao aminy ny fahotany;
raha tsy ahoany izany dia avo sasaka ny fahotany.
Raha manao fianianana tsy marina izy tsy havela heloka,
fa ho tototra famaizana ny tranony.
       12Misy teny miantso ny fahafatesana;
tsy hisy izany anie, eo amin'ny lovan'i Jakoba!
Lavitra ny olona tia vavaka izany rehetra izany;
tsy mba miditra amin'izany fahotana izany izy.
       13Aza manazatra ny vavanao amin'ny fomba fiteny ambany ratsy,
fa mitarika amin'ny fiteny mahameloka izany.
       14Tsarovy ny rainao sy ny reninao,
raha mitoetra eo amin'ny lehibe hianao,
fandrao raha manadino azy eo anatrehan'ireo hianao,
tonga manao hadalana, noho ny fahazarana,
ka hanjary maniry ny tsy ho nateraka akory,
sy manozona ny andro nahaterahanao.
       15Ny olona zatra amin'ny fiteny ambany ratsy foana,
tsy mba hahatratra ny fahendrena, na oviana na oviana.
       16Roa karazana ny olona mitombo fahotana;
ary ny fahatelo miantso ny fahatezerana.
Ny olona mirehitra ny fanirian-dratsy, hoatra ny afo midedadeda,
tsy maty mandra-pahalevony.
Izay tsy madio amin'ny nofon'ny tenany,
tsy hijanona mandra-pirehitry ny afo:
       17Mamy avokoa ny hanina, amin'ny mpanaram-batana,
ka tsy hijanona izy mandra-pahafatiny.
       18Ny olona mandao ny fandrian'izy mivady,
dia manao anakampo hoe: Iza no hahita ahy?
Ny aizina manarona, ny rindrina manakona ahy;
ary tsy misy olona mitazana ahy; ka inona no hatahorako?
Ny Avo Indrindra, tsy hahatsiaro izay fahotako akory.
       19Tsy manan-tahotra ny mason'ny olombelona,
tsy fantany fa ny mason'ny Tompo
mamirapiratra inarivo hoatry ny masoandro,
ka voajeriny avokoa ny lalan'ny olombelona,
ary takany hatrany amin'ny fitoerana maizina.
       20Fantatry ny Tompo, talohan'ny nahariana azy, izao tontolo izao;
ary mbola fantany koa rahefa tanteraka ireny.
       21Hofaizina eny an-dalamben'ny tanana ny mpaka vadin'olona;
ary amin'ny fotoana tsy nampoiziny akory, no hahavoazany.
       22Torak'izany koa ny vehivavy nandao ny vadiny,
sy niteraka mpandova amin'ny firaisana amin'olon-kafa.
       23Satria voalohany, nandika ny lalan'ny Avo Indrindra izy;
manaraka izany meloka tamin'ny vadiny izy;
farany nanao fijangajanjgana izy,
sy niteraka zaza, avy amin'ny ran'olon-kafa.
       24Hoentina eo anatrehan'ny fiangonana izy;
ary ny famaizana hitsidika ny zanany.
       25Ny zanany tsy handatsa-paka,
ary ny sampany tsy hitondra voa.
       26Hamela fahatsiarovana voan'ny fanozonana izy;
ary ny fanalam-baraka azy, tsy ho faty na oviana na oviana.
       27Dia ho fantatr'izay ho avy any aoriana
fa tsy misy tsara noho ny fahatahorana ny Tompo;
tsy misy mamy noho ny mitandrina ny didiny.
Voninahitra lehibe ny manaraka ny Tompo;
manalava andro iainana, ny miraikitra aminy. >