Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-24

1 Midera ny tenany ny fahendrena, ary manome voninahi-tena eo amin'ny vahoakany izy.

2 Miloa-bava eo amin'ny fiangonan'ny Avo Indrindra izy, ary manome voninahi-tena eo anatrehan'ny fiandrianany, hoe:

3 Nivoaka avy amin'ny vavan'ny Avo Indrindra aho, ary nanarona ny tany, sahala amin'ny rahona.

4 Nonina tany amin'ny avo aho; ary ny seza fiandrianako, dia eo an-tampon'ny andry rahona.

5 Izaho irery no nahatety ny faritra manodidina ny lanitra, ary nitsangantsangana tany amin'ny halalin'ny hantsana.

6 Tanatin'ny onjan-dranomasina sy tambonin'ny tany rehetra, tamin'ny vahoaka rehetra, sy tamin'ny firenena rehetra dia nampiasa ny fahefako aho.

7 Teny amin'izy rehetra aho, nitady ny fitoerana ho fitsaharako, sy izay tany tsy maintsy honenako.

8 Tamin'izay nampitondra didy tamiko Ilay Mpahary ny zavatra rehetra; ary nampijanona ny laiko Ilay nahary ahy, ka nanao tamiko hoe: Monena amin'i Jakoba, aoka ho amin'Israely ny lovanao.

9 Izaho dia efa noharìna hatramin'ny voalohany, talohan'ny taona rehetra, ary tsy hitsahatra ny ho misy aho, hatramin'ny mandrakizay.

10 Nanao ny fandraharahana teo anatrehany aho, teo ami'ny tabernakla masina, ka dia nanana fonenan-draikitra tao Siona aho.

11 Nampijanona ahy toy izany koa izy tao amin'ny vohitra malala, ka dia ao Jerosalema no fipetrahan'ny fanjakako.

12 Nandatsa-paka aho teo amin'ny vahoaka be voninahitra, teo amin'ny anjaran'ny Tompo, teo amin'ny lovany.

13 Nisondrotra toy ny sedra eny Libana aho, sy tahaka ny sipresa, eny an-tendrombohitr'i Hermona.

14 Nisondrotra toy ny antrendry eny amoron-drano aho, sy tahaka ny raozy eny Jerikao; tahaka ny fototr'oliva tsara eny amin'ny tany lemaka, ary nisondrotra tahaka ny platana.

15 Nandefa fofona manitra tahaka ny kanela sy ny ditin-kazo manitra aho, ary nandraraka fofona mamerovero, toy ny mira voafantina, toy ny galbanoma, ny oniksa, ny stakta, ary tahaka ny eton'emboka eo amin'ny tabernakla.

16 Namelatra ny rantsako toy ny terebinta aho, ary ny sampako dia sampan'ny voninahitra amam-pahasoavana.

17 nandefa tsiry mahafinaritra, toy ny foto-boaloboka aho, ary voam-boninahitra aman-karena no avy amin'ny voniko. Renin'ny fitiavana madio, ny fahatahorana an'Andriamanitra, ny fahaizana ary ny fanantenana masina aho.

18 Avia aty amiko hianareo rehetra maniry ahy, ka mivokisa amin'ny voako hianareo.

19 Fa mamy noho ny tantely ny fahatsiarovana ahy, ary noho ny toho-tantely, ny fananana ahy.

20 Izay mihinana ahy mbola ho noana, izay misotro ahy mbola hangetaheta.

21 Izay mihaino ahy tsy ho menatra mandrakizay, ary na iza na iza, raha izaho no entiny miasa, tsy mba hanota.

22 Izany rehetra izany dia ny bokin'ny faneken'Andriamanitra Avo Indrindra, lalana nomen'i Moizy, ho lovan'ny fiangonan'i Jakoba.

23 Izany lalana izany no mahatondraka ny fahendrena tahaka an'i Fisona, tahaka an'i Tigra, amin'ny fotoanan'ny voankazo vao.

24 Mandefa onjam-pahalalana tahaka an'i Eofrata izy, tahaka an'i Jordany amin'ny taom-pijinjana.

25 Mampiboiboika ny fahaizana, tahaka ny Ony izy; tahaka an'i Gehona, amin'ny fotoam-piotazam-boaloboka.

26 Ny voalohany nianatra azy, tsy mahatapitra ny fahalalana azy; ary ny farany, tsy mbola nahatakatra azy,

27 Fa malalaka noho ny ranomasina ny sainy, ary lalina noho ny hantsana lehibe ny fisainany.

28 Ary izaho dia nisononoka toy ny lakan-drano avy amin'ny ony, tahaka ny tetezan-drano manondraka tanimboly mahafinaritra.

29 Hoy aho: Hanondraka ny tanimboliko aho, handena ny kisahasahako, ary indro fa tonga ony ny lakan-dranoko, tonga ranomasina ny oniko.

30 Koa mbola maniry hampamirapiratra ny fahendrena hoatra ny mazava atsinanana aho sy hampahalala ny foto-keviny any lavitra any.

31 Mbola iriko koa ny hampiely ny fampianarana, hoatra ny faminaniana, sy hamela azy ho lovan'ny taranaka any aoriana any.

32 Fantaro fa tsy miasa ho an'ny tenako irery aho, fa ho an'izay rehetra mitady ny fahendrena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0788