Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-28

1 Izay mamaly ratsy, dia hiharan'ny fanahin'Andriamanitra, izay hitahiry fatratra ny fahotany.

2 Avelao ny nataon'ny namana tsy an-drariny, dia havela ny fahotanao, rahefa mifona hianao.

3 Akory ity olona mitahiry fahatezerana amin'ny olon-kafa, nefa mangataka fanasitranana amin'Andriamanitra ho an'ny tenany.

4 Tsy mamindra fo amin'ny olombelona namany izy, nefa mitaraina noho ny hadisoan'ny tenany.

5 Izy izay nofo foana mitahiry lolom-po; ka zovy indray no hahazo ny famelana ny fahotany?

6 Tsarovy ny hiafaranao, ka atsaharo ny fankahalana; tsarovy ny hahalovana amam-pahafatesana ary tandremo ny didy.

7 Tsarovy ny didy, ka aza manao an-dolom-po amin'ny namana; tsarovy ny faneken'ny Avo Indrindra ary modia tsy mahita ny fanevatevana anao.

8 Mijanona any lavitry ny fifandirana, dia ho vitsy kokoa ny fahotanao, fa mampirehitra ny fifanjirana ny olona saro-po,

9 ary manisy fikorontanana eo amin'ny mpisakaiza ny mpanota; sady manipy fanendrikendrehana amin'izay miadam-piainana.

10 Arakaraky ny zavatra amelomana azy no firehitry ny afo; arakaraka ny fahefany ananany koa no firehitry ny hatezeran'ny olona: mampisondrotra ny hatezerany araka ny hareny izy, ka mirehitra araka ny hamafin'ny fifandirana izany.

11 Ny fifandirana malaky mampirehitra ny afo; ary ny ady vava tsy voahevitra, mahalatsa-dra.

12 Ny pitik'afo, raha tsofinao izy, dia mirehitra; raha roranao izy dia maty; samy avy ao am-bavanao ihany ireo zavatra roa ireo.

13 Ozony ny mpitati-bolana sy ny olona miroa lela, fa loza ho an'ny maro niaina tamim-piadanana izy.

14 Namarina olona maro be ny lela mpanendrikendrika; ka nasesiny hifindrafindra firenena izy ireny. Ny tanana mimanda narodany; ny lapan'ny lehibe nazerany amin'ny tany.

15 Nampandroaka vehivavy mahery fo ny lela mpanendrikendrika, ary nanendaka ny vokatry ny asany taminy.

16 Izay manongilan-tsofina aminy, tsy hahita fitsaharana intsony, ary hanam-piadanana eo amin'ny tranony intsony.

17 Ny famelezan'ny tsora-kazo mahamangana; ny famelezan'ny lela mahavakivaky ny taolana.

18 Betsaka no matin'ny lelan-tsabatra; fa tsy betsaka tahaka ny matin'ny lela.

19 Sambatra izay voaaro amin'izany, tsy voatolotra amin'ny fisafoahany, tsy nitondra ny jiogany, ary tsy voafatotry ny famatorany.

20 Fa jioga vy ny jiogany; ary famatorana varahina ny famatorany.

21 Fahafatesana mahatsiravina ny fahafatesana afitsony, ka aleo ny seoly toy izay izany.

22 Ny olona tia vavaka, tsy mba hananany fahefana ka tsy mba main'ny lelafony.

23 Izay mahafoy ny Tompo, no ho latsaka ao aminy, ka handevona azy izy mirehitra tsy mety maty.

24 Koa hodidino fefy tsilo ny taninao, fehezo an-dasaka ny volamena sy volafotsinao,

25 ary manaova mizana sy vato handanjanao ny teninao, ary manaova hidy amam-baravarana ho an'ny vavanao.

26 Mitandrema mba tsy hanota amin'ny lela, fandrao dia lavo eo imason'izay mihendry anao hianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1243