Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'ny Eklesiastika

Eklesiastika toko 28, 1-8
MamelĂ  mba ho avela - Ny fifandirana - Ny vava ratsy.

       1Izay mamaly ratsy, dia hiharan'ny fanahin'Andriamanitra,
izay hitahiry fatratra ny fahotany.
       2Avelao ny nataon'ny namana tsy an-drariny,
dia havela ny fahotanao, rahefa mifona hianao.
       3Akory ity olona mitahiry fahatezerana amin'ny olon-kafa,
nefa mangataka fanasitranana amin'Andriamanitra ho an'ny tenany.
       4Tsy mamindra fo amin'ny olombelona namany izy,
nefa mitaraina noho ny hadisoan'ny tenany.
       5Izy izay nofo foana mitahiry lolom-po;
ka zovy indray no hahazo ny famelana ny fahotany?
       6Tsarovy ny hiafaranao, ka atsaharo ny fankahalana;
tsarovy ny hahalovana amam-pahafatesana ary tandremo ny didy.
       7Tsarovy ny didy, ka aza manao an-dolom-po amin'ny namana;
tsarovy ny faneken'ny Avo Indrindra ary modia tsy mahita ny fanevatevana anao.
       8Mijanona any lavitry ny fifandirana, dia ho vitsy kokoa ny fahotanao,
fa mampirehitra ny fifanjirana ny olona saro-po, >