Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'ny Eklesiastika

Eklesiastika toko 30
Fanabeazana ny zaza - Ny hasalamana - Ny hafaliam-po.

       1Izay tia ny zanany mampanandrana azy matetika ny kotopia,
mba hananany hafaliana izany amin'ny andro aoriana.
       2Izay tsara fanabe ny zanany, hahazo tombon-tsoa avy aminy,
ary hirehareha aminy eo anatrehan'ny olom-pantany.
       3Izay mampianatra ny zanany, hahatonga ny fahavalony hialona;
ary hifaly aminy eo anatrehan'ny sakaizany.
       4Raha avy izay hahafatesan-drainy, ho toy ny tsy maty akory izy,
fa avelany aoriany izay manahaka azy ihany.
       5Velona izy, mahita azy sy mifaly aminy;
maty indray tsy mba malahelo izy;
       6fa mamela olona hamaly ny nataon'ny fahavalony,
sy haneho fankasitrahana ny sakaizany.
       7Izay mampiangoty ny zanany hamehy ny feriny,
ary hangotikotika ny atiny isaky ny antsoantsony.
       8Tonga tsy azo entina, ny soavaly tsy voafolaka;
tonga adaladala ny zaza navela hanaram-po.
       9Tambatambazo ny zanakao, dia hampangovitra anao;
misangisangia aminy, dia hampalahelo anao.
       10Aza miara-mihomehy aminy, fandrao ho avy izay tsy maintsy hiarahanao miory aminy;
ka hikitro-nify foana hianao, amin'ny farany.
       11Aza avela hanao ny danin'ny kibony izy, raha mbola tanora;
ary aza odian-tsy hita ny hadalany.
       12Ataovy miondri-doha izy, mandritra ny fahatanorany,
ary ataovy mangana ny tehezany dieny mbola zaza izy,
fandrao maditra tsy hanaiky anao intsony izy,
ka hanananao alahelo ao am-po.
       13Faizo ny zanakao, ary asaovy miasa izy,
fandrao tafintohina noho ny halemenao mahamenatra.
       14Aleo mahantra salama sy matanjaka,
toy izay manan-karena andalasin'ny aretina amin'ny vatany.
       15Tsara noho ny volamena rehetra ny fahasalamana aman-toe-tena tsara;
ary aleo vatana mavitrika, toy izay harena tsy hita lany.
       16Tsy misy harena tsaratsara kokoa noho ny hasalamam-batana;
ary tsy misy hafaliana tsaratsara kokoa noho ny hafaliam-po.
       17Aleo maty toy izay velon-dratsy,
aleo fitsaharana mandrakizay, toy izay fijaliana lalandava.
       18Ny fananana atolotra amin'ny vava mikombona,
dia toy ny fanatitra fihinana, apetraka eo ambony fasana.
       19Hatao inona ny fanatitra amin'ny sampy?
tsy mahahinana izany izy, na handre izay fofony akory:
       20toy izany ny olona tanahin'Andriamanitra amin'ny aretina:
mahita maso izy ka misento,
toy ny fisenton'ny eonoka, mitana virjiny eo an-tanany.
       21Aza avela hianjadian'alahelo ny fonao;
ary aza mampahory tena amin'ny eritreritra.
       22Ny hafaliana ao am-po no fiainan'ny olombelona;
ary ny firavoravoan'ny olona no halavam-piainana ho azy.
       23Tiavo ny fanahinao, ka ampionony ny fonao,
ary roahy lavitra anao ny alahelo,
ary tsy misy soa azo amin'izany.
       24Mahafohy andro iainana ny hatezerana amam-pisafoahana;
ary maha-antitra alohan'ny fotoana ny ahiahy.
       25Ny fo mazava sy tsara miahy
ny hanina izay antom-pivelomany. >