Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-33

1 Izay matahotra ny Tompo, tsy mba tongan'ny loza, nefa raha raha zahan-toetra izy, dia vonjen'ny Tompo.

2 Ny olona hendry, tsy mba mankahala ny lalana, fa izay manao fihatsaram-belatsihy aminy, dia toy ny sambo anatin'ny tafio-drivotra.

3 Ny olona manan-tsaina, mitoky amin'ny lalana, ary ho azy ny lalana dia mendrika hitokiana toy ny filazan'ny Orima.

4 Omany ny teninao, dia hohenoina hianao, angony ny fahalalanao, vao mamaly hianao.

5 Sahala amin'ny kodiaran-tsarety ny fon'ny adala; ary sahala amin'ny lahin-tangerina mihodina ny sainy.

6 Ohatra amin'ny sakaiza mifaniratsira, ny lahintsoavaly: izay mitaingina azy rehetra, anenoany avokoa.

7 Nahoana ny andro iray no mihoatra noho ny andro iray hafa, nefa masoandro iray ihany no ihavian'ny hazavan'ny andro rehetra amin'ny taona?

8 Ny fahendren'ny Tompo no nanisy avakavaka amin'izy ireo; izy no nanendry fotoana samihafa sy fety.

9 Ka ny andro dia misy nasandrany sy nohamasininy, ary misy nataony ho anisan'ny andro andavanandro.

10 Toy izany ny olombelona dia avy amin'ny tany avokoa; dia ny tany nanaovana an'i Adama.

11 Nefa navakavahan'ny Tompo tamim-pahendrena lehibe izy ireo; ary nampandehaniny amin'ny lalana samihafa.

12 Ny sasany, nambininy sy nasandrany; ny sasany nohamasininy sy nampanakekeziny azy, ny hafa kosa nozoniny sy naetriny, ary naongany hiala amin'ny fitoerana nipetrahany.

13 Toy ny tanimanga eo an-tanan'ny mpanefy, ka ataony araka izay itiavany azy; toy izany ny olombelona eo an-tanan'Ilay nanao azy, ka homeny araka izay heviny avy izy ireo.

14 Eo anatrehan'ny ratsy ny tsara; eo anatrehan'ny fahafatesana ny fiainana; toy izany koa ny mpanota dia eo anatrehan'ny marina.

15 Diniho torak'izany avokoa ny asan'ny Avo Indrindra: mifanindrana tsiroaroa izy, ka ny iray mifanohitra amin'ny iray hafa.

16 Izaho izay tonga farany, dia nanokana ny fiaretan-toriko ho an'ny fahendrena; tahaka an'izay mitsimpona voaloboka aorian'ny fiotazana azy, fa noho ny fitahian'ny Tompo nandroso any aloha aho ka nameno ny famiazana, hoatry ny mpioty voaloboka.

17 Mieke fa tsy miasa ho an'ny tenako samy irery aho, fa ho an'izay rehetra mitady ny fahendrena koa.

18 Koa mihainoa ahy, hianareo lehiben'ny vahoaka; mampandria sofina amiko hianareo mpitondra fiangonana.

19 Na zanaka, na vady, na rahalahy, na sakaiza, dia aza misy omenao fahefana aminao, raha mbola velona koa hianao. Ka aza afoy ho an'ny hafa ny harenao, fandrao hianao indray no voatery tsy satry hiambezo aminy.

20 Raha mbola velona sy manam-pofon'aina koa hianao, aza ivarotanao tena, na iza na iza nofo.

21 Satria aleo ny zanakao no mangataka aminao, toy izay hianao no hangata-maso amin'ny tanan'ny zanakao.

22 Amin'izay rehetra ataonao mahareta ho tompony, ary aza asiana takaitrany iray akory ny lazanao.

23 Rahefa tonga ny fara andro iainanao, sy ny fotoana hahafatesanao, vao zarao amin'ny mpandova ny anananao.

24 Ny vilona sy ny tsorakazo ary ny entana no an'ny ampondra, ny hanina sy ny famaizana ary ny asa kosa, an'ny mpanompo.

25 Ampiasao ny mpanomponao, dia hanam-pitsaharana hianao, fa raha avelanao hanao izay tiany izy, dia hitady fahafahana.

26 Ny jioga aman-koditra no mampilefaka ny hatoka; ny fampijaliana amam-pangirifiriana no an'ny mpanompo ratsy fanahy.

27 Iraho izy hiasa, mba tsy hipetraka midonana-poana; fa mampiana-dratsy maro ny fidonanaham-poana.

28 Asaovy manomboka miasa izy, fa izany no tandrifin'azy; ary raha tsy manaiky izy, tereo ny parapaingony. Nefa aza mihoatra ny fetra, na amin'iza na amin'iza; ary aza manao zavatra mifanohitra amin'ny rariny.

29 Raha manam-panompo hianao, dia aoka ho toy ny tenanao izy, fa tamin'ny ra no nahazoanao azy.

30 Raha manam-panompo hianao, ataovy toy ny tenanao no fitondra azy, fa izany no hanintonanao azy, hiraikitra amin'ny fanahinao.

31 Raha ratsy fitondra azy hianao, ka mitsoaka mandositra izy, aiza no lalan-kalehanao hitady azy?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.054