Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-37

1 Ny sakaiza rehetra samy milaza hoe: Izaho koa sakaizanao; nefa misy sakaiza amin'ny anarany fotsiny.

2 Moa va tsy alahelo mila hahafaty, raha namana aman-tsakaiza no mivadika ho fahavalo?

3 Ry hevi-dratsy o, nivoaka avy aiza hianao, mba hanototra fitaka ny tany?

4 Ny mpinamana mifaly amin'ny fifalian'ny sakaizany; kanjo mivadika mamely azy izy amin'ny andro mahory.

5 Misy namana miombon'alahelo amin'ny sakaizany, mba hahavoky ny kibony. Kanjo ny ampingany no raisiny, nony manoloana ny ady.

6 Aza manadino ny sakaizanao ao am-ponao; ary aza manary ny fahatsiarovana azy, ao anatin'ny harem-be.

7 Samy manoro hevitra avokoa ny mpanoro hevitra; nefa misy manoro hevitra mikendry ny soa ho an'ny tenany.

8 Mitandrema tena amin'ny mpanoro hevitra, ary ataovy izay hahalalanao izay mety hahasoa azy aloha; - fa ny soa ho an'ny tenany no hanoroany hevitra. - Mba tsy hilokany ny aminao,

9 sy tsy hanaovany hoe: Tsara ny lalanao; dia hihataka manandrify anao izy hizaha izay hanjo anao.

10 Aza maka hevitra amin'ny olona manao jery vilana anao, ary afeno an'izay mialona anao ny fikasanao.

11 Aza maka hevitra amin'ny vehivavy, ny amin'ny rafiny; amin'ny kanosa, ny amin'ny ady; amin'ny mpivarotra, ny amin'ny takalo; amin'ny mpividy, ny amin'ny varotra; amin'ny mpialona, ny amin'ny fankasitrahana; amin'ny olona tsy mangoraka, ny amin'ny asa fiantrana; amin'ny kamo, ny amin'ny asa hatao na inona na inona; amin'ny mpikarama ao an-trano, ny amin'ny famitan-javatra; amin'ny mpanompo kamo, ny amin'ny lahasa lehibe; aza miankina amin'ireo olona ireo, amin'ny hevitra iray akory.

12 Fa aoka ho matetika hianao no ao amin'ny olona tia vavaka, izay fantatrao ho mpitandrina ny didy, manana fo araka ny fonao, ary hiarak'ory aminao, raha lavo hianao.

13 Manaraka izany dia aoka hifikitra amin'izay hevitry ny fonao hianao, fa tsy misy olona mahatoky toa azy, ho anao.

14 Fa indraindray ny fon'ny olombelona milaza zavatra betsaka mihoatra noho ny tily fito voapetraka hitily eo amin'ny havoana.

15 Ary amin'izany rehetra izany, mangataha amin'ny Avo Indrindra, mba hitari-dalana anao mazava tsara.

16 Mialoha ny asa rehetra ny teny: mialoha ny asa atao rehetra ny fandinihana.

17 Zavatra efatra no miseho ho mariky ny fiovaovan'ny fo:

18 ny tsara sy ny ratsy, ary ny fiainana sy ny fahafatesana; ka ny lela mandrakariva no tompon'ireny.

19 Misy olona malina sy mpampianatra ny maro, nefa tsy vanon-ko inona, raha ho an'ny tenany.

20 Maharikoriko ny olona mihambohambo ho hendry amin'ny teniny: tsy hanan-kohanina no hiafarany.

21 Fa tsy momba azy ny fankasitrahan'ny Tompo, satria tsy manam-pahendrena akory izy.

22 Misy hendry izay hendry ho an'ny tenany; ary ny vokatry ny fahalalany dia azo antoka eo amin'ny molotra.

23 Ny olona hendry dia mampianatra ny fireneny, ary azo antoka ny vokatry ny fahalalàny.

24 Feno fanambinina ny olona hendry, ary mitory azy ho sambatra izay rehetra mahita azy.

25 Voafetra ihany ny isan'ny andro iainan'ny olombelona; fa ny andron'Israely tsy hita isa.

26 Ny hendry dia tonga mahatoky eo amin'ny vahoakany, ary ny anarany ho velona mandrakizay.

27 Anaka, ny fanahinao no ilao hevitra amin'izay fomba fiainanao, fantaro izay manimba azy, ka aza omena azy izany.

28 Fa ny zavatra rehetra na inona na inona tsy mahasoa ny olona rehetra na iza na iza ary tsy dia samy mahita fiadanana amin'ny zavatra rehetra avy.

29 Aza dia tsy mety afa-diana eo anoloan'izay hanim-py, ary aza dia mianjera ihany amin-kalianana, amin'ny nahandro,

30 fa ny fihinanan-doatra mitarazo faharisarisana; ary ny tsy fahalalana onony mitarika amin'ny areti-mandalo aza.

31 Nahafaty olona maro ny tsy fahalalana onony, fa izay mifady no manalava ny andro iainany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1822