Bokin'ny Eklesiastika
Eklesiastika toko 3, 17-18,20,28-29,
<17Anaka, ataovy amin-kalemem-panahy ny asanao,
dia ho tian'ny olona izay ankasitrahan'Andriamanitra hianao.
18Araka ny fisondrotanao, no aoka hietrenao tena
dia hahita sitraka amin'Andriamanitra hianao;
20Aza mitady izay sarotra loatra hianao,
ary aza mikaroka izay tsy tratry ny herinao hianao.
28Ny rano mamono ny afo midedadeda indrindra;
ary ny fiantrana manonitra ny fahotana.
29Izay mamaly ny soa natao, mitsinjo ny ho avy,
ka hahita fiankinana izy, amin'ny andro mahory. >