Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'ny Eklesiastika

Eklesiastika toko 44, 1,10-15,
Fiderana ny Razana - Henaoka sy Noe - Abrahama, Isaaka, Jakoba.

       1Ataovintsika izao ny fiderana ny olo-malaza,
sy ny razan'ny karazantsika.
       10Ireo voalohany dia olona tia vavaka,
ka tsy hadino ny hatsaram-panahiny.
       11Raikitra ho anjaran'ny taranany ny hasambarana
ary misy lova azo antoka ho an'ny zanany.
       12Maharitra tsy mivadika amin'ny fanekena ny taranany;
mbamin'ny zanany koa noho ny amin'izy ireo.
       13Maharitra mandrakizay ny taranany,
ary tsy ho levona na oviana na oviana ny voninahiny,
       14ny vatany nalevina tamim-piadanana,
ary ny anarany velona amin'ny taona mifandimby.
       15Ny vahoaka mankalaza ny fahendreny;
ary ny fiangonana mitory fiderana azy. >