Bokin'ny Eklesiastika
Eklesiastika toko 49
Josiasa mpanjaka farany sy ny mpaminany farany - Zorobabela, Jesò, ary Nehemia - Hanaoka, Josefa, Sema, Seta, Adama.
1Ny fahatsiarovana an'i Josiasa dia zava-manitra, natao tamin'ny fofona manitra indrindra,
namboarina tamin'ny fahaizan'ny mpamorona zava-manitra;
mamy toy ny tantely ny fahatsiarovana azy, amin'ny vava rehetra,
ary toy ny mozika eo amin'ny fanasana.
2Hainy ny nitarika ny vahoaka ho amin'ny fibebahana,
ary vitany ny mamoana ny fahavetavetana avy amin'ny fankahalana fivavahana.
3Nampitodika marina ny fony amin'ny Tompo izy,
ary nanamafy ny fitiavam-bavaka, tamin'ny andron'ny mpankahala fivavahana.
4Afa-tsy Davida sy Ezekiasa ary Josiasa,
dia nanao ny ratsy avokoa ny hafa rehetra;
nahafoy ny lalan'ny Avo Indrindra
ny mpanjakan'i Joda, ka nizotra ho amin'ny fahaverezany.
5Satria navelany ho an'ny hafa ny fahefany,
ary ho an'ny firenen-kafa ny voninahiny.
6Nodoran'izy ireo ny tanana voafidy ho an'ny fitoerana masina,
ary nataony lao ny kianjany,
noho ny amin'i Jeremia.
7Fa ratsy fitondra azy izy,
nefa ilay voahasina ho mpaminany hatrany an-kibon-dreniny,
mba hanongana sy handrava ary hamono,
sady hanorina sy hamboly koa.
8Ezekiela dia nibanjina ny fahitam-boninahitra,
izay nasehon'ny Tompo azy, tambonin'ny kalesin'ny Kerobima;
9fa nihevitra ny fahavalo, tao anatin'ny ranonoram-baratra mananontanona izy,
ary nanisy soa an'izay nanaraka ny lala-mahitsy.
10Ny amin'ireo mpaminany roa ambin'ny folo lahy
dia aoka ho velona indray anie ny taolany avy ao anaty fasany.
Fa nampionona an'i Jakoba izy ireo,
ary namonjy azy tamin'ny fanantenana marina.
11Atao ahoana no fankalaza an'i Zorobabela?
Fa toy ny peratra fitomboka eo amin'ny tanana an-kavanana izy.
12Torak'izany koa Jesoa, zanak'i Josedeka!
Fa izy roa lahy ireo tamin'ny androny nanorina ny tranon'Andriamantra indray
ary samy nanangana ny tempoly, voatokana ho an'ny Tompo,
sy voatendry hanana voninahitra mandrakizay.
13Lehibe koa ny fahatsiarovana an'i Nehemia,
izay nanangana indray ny mandantsika efa rava,
sy nanamboatra indray ny vavahadintsika mbamin'ny hidiny,
ary nanorina ny tranontsika indray.
14Tsy misy olona tahaka an'i Henaoka teto ambany masoandro,
fa izy koa nofaohina tamin'ity tany ity.
15Tsy nisy koa olombelona tahaka an'i Josefa,
filohan'ny rahalahiny, tohan'ny fireneny;
ary voatahiry tamim-pitandremana ny taolam-balony.
16Sema sy Seta koa, nankalazaina teo amin'ny olombelona;
fa Adama no ambonin'ny zavatra rehetra tamin'ny zava-voahary. >