Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-50

1 Simona zanak'i Oniasa no mpisorona lehibe, nanamboatra ny tranon'ny Tompo tamin'ny andro niainany, ary nanamafy ny tempoly nandritra ny andro niainany;

2 izy no nandatsaka ny fototra hanovona avo sasaka ny manda avo izay manohana ny manodidina ny tempoly.

3 Tamin'ny androny no nanaovana ny famorian-drano; ny varahina nanaovana azy nitovy habe amin'ny vavan'ny ranomasina.

4 Nikarakara ny vahoakany izy, mba hiaro azy amin'ny faharavana, ary nanamafy ny tanana, hahatoha ny fahirano.

5 Endrey izany fiandrianany, teo afovoan'ny vahoaka tafavory manodidina, nony nivoaka ny trano misy fisalobonana izy!

6 Fa toy ny kintana fitarik'andro manjopiaka maninteraka ny rahona, toy ny volana amin'ny andro maha-fenomanana azy,

7 toy ny masoandro mamirapiratra eo ambonin'ny tempolin'ny Avo Indrindra, ary toy ny avana mamirapiratra eo amin'ny rahona mazava;

8 toy ny vonin-draozy amin'ny andro lohataona; toy ny lisy eo amoron'ny rano; toy ny sampan-kazo mani-pofona, amin'ny andro fahavaratra;

9 toy ny zava-manitra, eo ambonin'ny afo fanembohana, toy ny vazy volamena am-ponjany, voaravaka vatosoa isan-karazany;

10 toy ny fototr'oliva efa mitsiry voa, ary toy ny sipresa mijoalajoala anatin'ny rahona.

11 Rahefa manao ny akanjom-boninahitra izy, ka voatafy ny fanamiany rehetra, ary miakatra eo amin'ny otely masina, dia mampamirapiratra ny manodidina ny fitoerana masina.

12 Fa rahefa mandray ny lanin-tsorona, avy eo an-tanan'ireo mpisorona izy, ka mijoro eo akaikin'ny fatan'ny otely, hodidinin'ireo rahalahiny manao faribolana, dia miseho ho toy ny sedera kanto any Libana izy, ary ireo mpisorona manodidina azy, toa fototr'antrendry.

13 Ireo taranak'i Aarona rehetra dia voatafy ny fanamiany kanto avokoa, sy mitana ny fanatitra ho an'ny Tompo, eo an-tanany, eo anatrehan'ny fiangonan'Israely rehetra.

14 Ary rahefa vitany ny fanompoana eo amin'ny otely, dia ny hampitombo hatsarana ny fanatitra ho an'ny Avo Indrindra tsitoha, no nanamparany ny tanany eo ambonin'ny kapoaky ny fanatitra araraka, ka nandrarahany ny ram-boaloboka.

15 Naidiny eo am-pototry ny otely, dia hanitra mani-pofona ankasitrahan'ny Avo Indrindra sy Mpanjaka lehibe.

16 Ireo taranak'i Aarona amin'izany nihoby, nitsoka ny trompetrany vita amin'ny vy voatefy, ary nandefa horaka mikotrokotroka, ho fahatsiarovana eo anatrehan'ny Avo Indrindra.

17 Ny vahoaka rehetra amin'izany dia indray dodona nihohoka tamin'ny tany, hitsaoka ny Tompony, ny Andriamanitra tsitoha, ny Avo Indrindra.

18 Ny mpihira indray manampatra ny feony, midera azy; manakoako eran'ny tempoly lehibe ny hira mireondreona.

19 Ary ny vahoaka mitaraina amin'ny Tompo Avo Indrindra, variana mivavaka eo anatrehan'ny Mpamindra fo, mandra-pahatapitry ny fombam-pivavahan'ny Tompo.

20 Dia nidina tamin'izay ny mpisorona lehibe, ka nanandratra ny tanany, amin'ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra, mba hiloa-bava hanome ny tso-drano avy amin'ny Tompo, sy hahazo voninahitra amin'ny anarany.

21 Dia niankohoka indray ny vahoaka, mba handray ny tsodrano avy amin'ny Avo Indrindra.

22 Ary ankehitriny misaora ny Tompon'izao rehetra izao izay nanao zava-dehibe hatraiza hatraiza, izay nampanan-daza ny androntsika hatramin'ny voalohany, ary nitondra antsika araka ny famindram-pony.

23 Homeny hafaliam-po anie isika; aoka ho amin'izao androntsika izao anie ny fiadanana, dia ho amin'Israely toraky ny tamin'ny andro lasa!

24 Hitoetra amintsika mandrakizay anie ny famindram-pony, ary hanafaka antsika anie izy rahefa tonga ny androny.

25 Misy firenena roa halan'ny foko, ary ny fahatelony tsy firenena akory aza:

26 dia ireo monina any an-tendrombohitra Seira, ny Filistina, ary ilay vahoaka adala monina ao Sikema.

27 Amin'ity boky ity aho nanoratra fampianaran-tsaina amam-pahaizana izaho Jesoa zanak'i Siraka avy ao Jerosalema, izay namoaka be dia be ny fahendren'ny foko.

28 Sambatra izay hifototra amin'izany fampianarana izany; ho tonga hendry izay mandray azy ao am-pony;

29 fa handresy amin'ny zavatra rehetra izy, raha manaraka izany: satria ny fahazavan'ny Tompo no lalany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1254