Bokin'ny Eklesiastika
Eklesiastika toko 8
Fitsipi-pahamalinana hotandremana amin'ny fifankahazoana amin'olona.
1Aza mifanditra amin'ny olona manam-pahefana,
fandrao dia latsaka eo an-tanany hianao.
2Aza mifanjihitra amin'ny olona mpanankarena,
fandrao ny lanjam-bolany no hoentiny miady aminao;
fa efa nahavery olona maro ny volamena,
ary efa navaonany mbamin'ny fon'ny mpanjaka aza.
3Aza mifanditra amin'ny olona basivava,
ary aza tohofana kitay ny afony.
4Aza manao vazivazy amin'ny olona ratsy taiza,
fandrao dia afa-baraka ny razanao.
5Aza mananihany ny olona mivily hiala amin'ny ota;
tsarovy fa mendrika hosazina avokoa isika rehetra.
6Aza maneso olona amin'ny fahanterany;
fa ny sasany amintsika, efa miha-antitra ihany koa.
7Aza mifaly raha misy olona maty,
tsarovy fa ho faty avokoa isika.
8Aza manao tsirambina amin'ny tenin'ny hendry,
ary dinidinihonao ny foto-keviny,
fa amin'izy ireny no hianaranao ny fahendrena,
sy hahaizanao manompo ny lehibe.
9Aza avela tsy ho henonao ny tenin'ny anti-panahy,
fa izy koa dia mba nahare tamin'ny razany;
ka amin'izy ireny no hianaranao ny fahendrena,
sy hahaizanao mamaly rahefa hilaina izany.
10Aza mampirehitra ny arin'ny mpanota,
fandrao dia levon'ny firedaredan'ny lelafony hianao.
11Aza mifanandrina amin'ny miavom-bava maneso anao,
fandrao amitsahany hianao, iandrasany vava latsaka.
12Aza mampisambotra an'izay mahery noho hianao,
ary raha misy nampisamborinao azy ataovy anisan'ny very.
13Aza miantoka mihoatra noho izay zakanao;
ary raha niantoka hianao manahia ho toy ny handoa.
14Aza manana ady amin'ny mpitsara,
fa noho ny hajany no hanapahan'ny olona ny momba azy.
15Aza miara-dalana amin'ny olona sahisahy foana,
fandrao tonga enta-mavesatra ho anao izy;
fa ataony araka ny haitraitrany ny zavatra rehetra.
Ka hiara-bery aminy hianao, noho ny hadalany.
16Aza mifanditra amin'ny olona foizina,
ary aza mamaky ny efitra miaraka aminy;
fa tsinontsinona eo imasony ny ra latsaka,
ka hakapony, lavitry ny vonjy any, hianao.
17Aza miara-midinika amin'ny adala,
fa tsy mahatam-bava izy, na amin'inona na amin'inona.
18Aza manao zavatra ilaina afenina eo imason'ny vahiny;
fa tsy mahalala izay mety hataony hianao.
19Aza mamboraka ny fonao amin'ny olona rehetra,
raha tsy ta-hahazo valy ratsy hianao. >