Bokin'ny Eklesiastika
Eklesiastika toko 9
Fifandraisana amin'ny vehivavy, amin'ny sakaiza tranainy, amin'ny mpanota ambinina, ny mahery, ny hendry sy ny marina, ny mpitsara hendry sy ny basivava.
1Aza saro-piaro ny vady mandry eo ampofoanao;
ary aza mamoha sain-dratsy hahavoa anao ao am-pony.
2Aza dia mandolotra ny fanahinao amin'ny vadinao,
fa hitsanganany hanohitra ny fahefanao izany.
3Aza mandeha hifanena amin'ny vehivavy janga,
fandrao tafalatsaka amin'ny famandrihany hianao.
4Aza mijanona ela miaraka amin'ny mpirahavavy;
fandrao dia voafandriny amin'ny fahaizany hianao.
5Aza mahari-pijery zazavavy,
fandrao hiharan-tsazy noho ny aminy hianao.
6Aza manolo-tena amin'ny vehivavy janga,
fandrao dia very lova hianao.
7Aza mijerijery atsy amin'ary eny an-dalamben'ny tanana,
ary aza misodisody eny amin'ny fitoerany mangingina.
8Avilio ny masonao tsy ho amin'ny vehivavy bikana,
ary aza liam-pijery ny hatsaran-tarehim-behivavy hafa;
fa maro no efa sodokan'ny hatsaran-tarehin'ny vehivavy,
ka mirehitra ohatra ny afo ny fanirian-dratsiny.
9Aza miara-mipetraka amim-behivavy manambady, na oviana na oviana;
aza mandry ilika hiara-mihinana aminy;
aza miara-misotro divay aminy, eo amin'ny fihinanam-be
fandrao tafahodina mankaminy ny fonao,
ka voatariky ny filan-dratsinao ho amin'ny fahaverezana hianao.
10Aza mahafoy ny sakaizanao ela,
fa tsy mahaleo azy ny vaovao.
Na divay vaovao, na sakaiza vaovao,
aoka hihantitra vao hosotroinao an-kafaliana.
11Aza mitsiriritra ny voninahitry ny mpanota,
fa tsy fantatrao izay ho faharavany.
12Aza mankasitraka ny fahafinaretan'ny mpankahala fivavahana,
tsarovy fa tsy ho afa-maina izy, hatrany amin'ny seoly.
13Mitoera lavitry ny olona manam-pahefana hampamono,
dia tsy hanan-tahotra ny fahafatesana hianao.
Ary raha manatona azy hianao, mitandrema tena amin'ny heloka rehetra,
fandrao dia alany ny ainao.
Fantaro fa mandeha mamaky ny fandrika hianao,
ary mitety eny ambonin'ny nongonongon'ny mandan'ny tanana.
14Tandremo araka izay azo atao ny namanao,
ka maka saina amin'izay hendry.
15Miresaha amin'ny olona manan-tsaina,
ary ny amin'ny lalan'ny Avo Indrindra, no ho foto-dresakao rehetra.
16Aoka ny olo-marina no ho mpiara-mihinana aminao;
ary ny fahatahorana an'Andriamanitra no ataovy voninahitrao.
17Ny tanan'ny olona kinga no hiderana ny asany,
ary ny tenin'ny mpitondra vahoaka no manambara azy ho hendry.
18Ny tsaontsaom-bava, dia atahorana ao an-tananany,
ary ny tsy mihevitra kosa, mihatsy fankahalana azy amin'ny resany. >