Eksaody

Toko faha-14

1 Ary Iaveh niteny tamin'i Moizy ka nanao hoe:

2 Mitenena amin'ny zanak'Israely; aoka hiova làlana izy ka handroso hitoby eo anoloan'i Fihahirota, anelanelan'i Magdaloma sy ny ranomasina, tandrifin'i Beelsefona; manatrika izany toerana izany no hitobianareo, eo akaikin'ny ranomasina. 3 Dia izao no ho filazan'i Faraona ny zanak'Israely: Very làlana any ho any izy ireo ka tafahitsoka any an'efitra. 4 Ary hohamafisiko ny fon'i Faraona ka hanenjika azy izy. Nefa hataoko miseho miharihary ny voninahitro ao amin'i Faraona sy ny tafiny rehetra, ka ho fantatry ny Ejipsiana fa Iaveh aho. Dia nataon'ny zanak'Israely izany. 5 Nilazana ny mpanjakan'i Ejipta fa hoe: lasa nandositra ny vahoaka. Tamin'izay dia voaova ny fon'i Faraona sy ny mpanompony, ny amin'ny vahoaka, fa hoy izy ireo: Naninona ity isika no nandefa an'Israely handeha, ka namoy ny fanompoany antsika?

6 Dia nasain'i Faraona nasiana soavaly ny kalesiny ary nentiny niaraka taminy ny vahoakany. 7 Ny nentiny dia kalesy voafantina enin-jato, sy ny kalesy tao Ejipta rehetra, samy nisy mpifehy avy. 8 Nohamafisin'ny Tompo ny fon'i Faraona, mpanjakan'i Ejipta, ka nanenjika ny zanak'Israely Faraona, ary tamin'ny tànana voasandratra no nivoahan'ny zanak'Israely. 9 Koa nanenjika azy ny Ejipsiana ka nahatratra azy tao akaikin'ny ranomasina izay nitobiany: nahatratra azy teo akaikin'i Fihahirota, tandrifin'i Beelsefona avokoa ny soavaly mpitarika kalesin'i Faraona sy ny mpitaingin-tsoavaly mbamin'ny tafiny rehetra. 10 Nony mby akaiky Faraona, natopin'ny zanak'Israely ny masony, dia indreo tamy nanaraka azy ny Ejipsiana, ka raiki-tahotra mafy ny zanak'Israely, sy velon-taraina tamin'ny Tompo.

11 Ary nanao tamin'i Moizy hoe: Tsy misy fasana va tany Ejipta, no dia nentinao ho faty aty an'efitra izahay? Ahoana izao nataonao taminay izao ka navoakanao tany Ejipta? 12 Moa tsy itony indrindra va no nilazanay taminao tany Ejipta hoe: Avelao ihany izahay hanompo ny Ejipsiana fa tsaratsara kokoa ho anay ny manompo azy, toy izay ho faty any an'efitra. 13 Fa hoy kosa Moizy tamin'ny vahoaka: Aza matahotra fa mipetraha tsara eo ka zahao ny famonjena hataon'ny Tompo aminareo anio; fa ireo Ejipsiana hitanareo anio ireo tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. 14 Iaveh no hiady ho anareo, fa hianareo mipetraha tsy amin'ahiahy. 15 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Nahoana no mitaraina amiko hianao? Ilazao ny zanak'Israely mba hiainga. 16 Hianao manaingà ny tehinao sy maninjira ny tànanao eo ambonin'ny ranomasina dia hampisaraka roa azy; ary ny zanak'Israely kosa hamaky eo afovoany mandia tany maina, 17 ary izaho hanamafy ny fon'ny Ejipsiana hanarahany azy ireo avy ao aoriana, ary hataoko miharihary ny voninahitro ao amin'i Faraona sy ny tafiny rehetra, mbamin'ny kalesiny amam-pitaingin-tsoavaliny. 18 Ka ho fantatry ny Ejipsiana fa Iaveh aho, rahefa hanehoako ny voninahitro Faraona sy ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaliny. 19 Dia nifindra nankeo aoriana ilay anjelin'Andriamanitra nandeha teo alohan'ny tobin'Israely, ary niala nankeo aoriana koa ny andry rahona izay nialoha azy.

20 Dia nankeo anelanelan'ny tobin'ny Ejipsiana sy ny tobin'ny zanak'Israely izy; maizina ny ilan'io rahona io; ary ny ilany manazava ny alina, ka tsy nifanatona ny toby roa nandritra ny alina. 21 Nony nahinjitr'i Moizy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany dia nohemorin'ny Tompo ny ranomasina tamin'ny rivotra nifofofofo mafy avy any atsinanana nandritra ny alina, ka nataony tonga maina ny ranomasina fa nisaraka roa ny rano.

22 Dia niditra teo afovoan'ny ranomasina efa tonga maina ny zanak'Israely ary zary rindrina ho azy ireo eo an-kavanany sy an-kaviany ny rano. 23 Nanenjika azy ny Ejipsiana, ka niditra nanaraka azy teo afovoan'ny ranomasina avokoa ny soavalin'i Faraona mbamin'ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaliny. 24 Ary tamin'ny fotoan'ny fiambenana maraina dia nitodika ny Ejipsiana Iaveh tao amin'ny andry afo aman-tsetroka, dia nandatsaka fangorohoroana tao amin'ny tobin'ny Ejipsiana. Nataony nitsoaka tamin'ny kalesiny ny kodiarana ka saika tsy afa-nandroso intsony. 25 Ary hoy ny Ejipsiana tamin'izay: Andeha handositra eo anoloan'Isrealy isika, fa Iaveh no miady ho azy, mamely ny Ejipsiana. 26 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Ahinjiro eo ambonin'ny ranomasina ny tànanao, hikatonan'ny rano amin'ny Ejipsiana sy ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaliny.

27 Dia nahinjitr'i Moizy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany, ka vao nangirana ny andro dia nody tamin'ny toerany andavanandro ny ranomasina. Nandositra ny Ejipsiana ka tojo azy, ka dia navarin'ny Tompo tao anaty ranomasina ny Ejipsiana. 28 Nony nikatona ny rano dia nanafotra ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaly mbamin'ny tafik'i Faraona rehetra izay niditra ny ranomasina nanaraka ny zanak'Israely: tsy nisy afa-nandositra na dia singany iray aza. 29 Ny zanak'Israely anefa nandia tany maina teo afovoan'ny ranomasina, fa zary rindrina ho azy ireo ny rano, eo an-kavanany sy eo an-kaviany. 30 Koa novonjen'ny Tompo ho afaka tamin'ny tànan'ny Ejipsiana Israely tamin'izany andro izany, ary Israely nahita ny fatin'ny Ejipsiana teny amoron-dranomasina.

31 Hitan'Israely ny tànana maherin'ny Tompo nasehony tamin'ny namelezany ny Ejipsiana, ka natahotra an'ny Tompo ny vahoaka, ary nino an'ny Tompo sy Moizy mpanompony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1073