Eksaody

Toko faha-19

1 Tamin'ny volana fahatelo aorian'ny nivoahany tany Ejipta, tamin'izany andro izany, no nahatongavan'ny zanak'Israely tany an'efitr'i Sinaia.

2 Efa niala tany Rafidima izy; ary nony tonga tamin'ny efitr'i Sinaia, dia nitoby tao an'efitra; tandrifin'ny tendrombohitra no nitobian'Israely. 9 ka hoy Iaveh tamin'i Moizy: Indro fa hankeo aminao ao anatin'ny rahona matevina aho, mba ho ren'ny olona rahefa miteny aminao aho, dia hinoany anao mandrakariva koa. Ary nolazain'i Moizy tamin'ny Tompo ny tenin'ny vahoaka. 10 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Mandehana mankany amin'ny vahoaka, ka hamasino izy anio sy ampitso, ary asaovy sasàny ny fitafiany.

11 Aoka ho voaomana amin'ny andro fahatelo izy, fa hidina eo an-tampon'ny tendrombohitra Sinaia, eo imason'ny vahoaka rehetra Iaveh, amin'ny andro fahatelo. 16 Nony marainan'ny andro fahatelo, dia nisy kotroka aman-tsela-baratra ary rahona matevina teo an-tendrombohitra, ary nisy feon'ny anjomara mafy nitatatata, ka tera-kovitra ny vahoaka rehetra tao an-toby.

17 Nentin'i Moizy nivoaka ny toby ny vahoaka, handeha hihaona amin'Andriamanitra; dia teo am-pototry ny tendrombohitra izy ireo no nijanona. 18 Nivoa-tsetroka ny tendrombohitra Sinaia manontolo, satria tanaty afo no nidinan'ny Tompo nankeo amboniny, ka nipololotra toy ny avy amin'ny lafaoro lehibe ny setroka, ary nihovitrovitra iray ihany ny tendrombohitra manontolo. 19 Nihamafy nihamafy ihany ny feon'anjomara. Ary niteny Moizy, ka namaly feo azy Andriamanitra. 20 Nidina Iaveh nankeo an-tendrombohitra Sinaia, dia teo an-tampon'ny tendrombohitra izany; ary Iaveh niantso an'i Moizy ho ao an-tampon'ny tendrombohitra, dia niakatra Moizy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0667