Eksaody

Toko faha-2

1 Nisy lehilahy anankiray, fokon'i Levì, lasa naka ho vadiny ny zanakavavin'i Levì anankiray.

2 Ary tonga bevohoka ravehivavy dia tera-dahy. Ary hitany fa tsara tarehy ity zaza, ka dia nafeniny telo volana. 3 Nony efa tsy azony nafenina intsony dia nalainy ny vata zozoro anankiray, nohosorany mena-tany sy ditin-kazo dia napetrany tao ny zaza, ka nalatsany tao anaty bararata amoron'ny ony. 4 Ary ny anabavin'ilay zaza no nijanona teny lavidavitra teny, mba hahita izay hihatra aminy. 5 Dia nidina handro eo amin'ny ony ny zanakavavin'i Faraona, ka nitsangantsangana teny amoron'ny ony teny ny zazavavy namany. Rahefa tazany ilay vata tao anaty bararata dia nasainy nalain'ilay ankizivaviny.

6 Nosokafany ity izy, ka hitany ilay zaza, zazalahy kely mitomany, dia nangoraka azy izy, ary nanao hoe: Zanaky ny Hebrio itony. 7 Tamin'izay kosa ny anabavin'ity zaza dia niteny tamin'ny zanakavavin'i Faraona nanao hoe: Moa tianao va ny handehanako hitady mpitaiza amin'ny vehivavy Hebrio hampinono io zaza io? 8 Mandehana, hoy ity zanakavavin'i Faraona. Dia lasa razazavavy naka ny renin'ny zaza. 9 Ary hoy ny zanakavavin'i Faraona taminy: Ento ity zaza ity ka tezao ho ahy, fa homeko anao ny karamanao. Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy. 10 Nony efa lehibe ny zaza dia nentiny tany amin'ny zanakavavin'i Faraona, ka nataony toy ny zanany, sy nomeny anarana hoe Moizy, fa teo amin'ny rano no nanalako azy, hoy izy. 11 Tamin'izany andro izany efa lehibe Moizy, ka nivoaka nankany amin'ny rahalahiny; nahita ny asa mafy nataony izy, ary nisy Ejipsiana anankiray hitany nikapoka Hebrio anankiray tamin'ireo rahalahiny.

12 Niherikerika nijery izy aloha, ka nony fantany fa tsy nisy olona teny, dia novonoiny ilay Ejipsiana ka nafeniny tao anaty fasika. 13 Ny ampitson'izay indray, nivoaka izy, ka indry fa nifanditra ny Hebrio roa lahy, ary hoy izy tamin'ilay diso hoe: Ahoana no ikapohanao ny namanao? 14 Fa hoy ny navalin-dralehilahy: Iza no nanangana an'ialahy ho lehibenay sy mpitsara anay? Sa tadiavin'ialahy hovonoina koa aho, tahaka ny namonoan'ialahy ilay Ejipsiana? Raiki-tahotra Moizy, ka hoy izy: Misy mahalala tokoa ilay zavatra. 15 Nony ren'i Faraona ny zavatra nitranga dia notadiaviny hovonoina Moizy, saingy nandositra ny tànan'i Faraona izy, ka nankany amin'ny tany Madiana, dia nipetraka teo anilan'ny lavaka fantsakana. 16 Nanan-janaka fito mirahavavy ny mpisorona tao Madiana; ary tonga nanovo rano izy ireo, dia nameno ny tavy hampisotroany ny biby fiompin-drainy.

17 Kanjo tonga ny lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka azy ireo. Fa nitsangana kosa Moizy niaro azy sy nampisotro rano ny biby fiompiny. 18 Nony tafaverina tany amin-dRagoela rainy izy ireo, dia hoy izy: Nahoana no nalaky tafaverina hianareo androany? 19 Ka hoy ny navaliny: Nisy Ejipsiana anankiray niaro anay tamin'ny tànan'ny mpiandry ondry, sy nanovo rano ho anay aza sady nampisotro ny biby fiompy. 20 Dia hoy izy tamin'ireo zanany vavy: Aiza izy izany: Nahoana no navelanareo any izany lehilahy izany? Antsoy izy hihinan-kanina. 21 Ary nanaiky hitoetra tao amin-dralehilahy Moizy ka nomen'io ho vadiny Seforà zanany vavy. 22 Tera-dahy Seforà ka nataon'i Moizy hoe Gersama ny anarany, fa hoy izy: Vahiny aty an-tany hafa aho. 23 Maty tanatin'izany andro maro izany ilay mpanjakan'i Ejipta. Ny zanak'Israely mbola niferinaina tamin'ny fanandevozana, ka velon-taraina mafy, ka tafasondrotra hatrany amin'Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanandevozana.

24 Koa nohenoin'Andriamanitra ny fitarainany; tsaroany ny fanekeny tamin'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba. 25 Nijery ny zanak'Israely Andriamanitra ka nahafantatra azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0504