Eksaody

Toko faha-22

1 Raha misy olona mangalatra omby na zanak'ondry, ka mamono izany na mivarotra, dia honerany omby dimy ny omby iray ary zanak'ondry efatra ny zanak'ondry iray.

2 Raha misy mpangalatra azo manami-trano alina, ka voavely izy ka maty, dia tsy misy valin-drà amin'izany;

3 fa rahefa niposaka kosa ny masoandro dia hisy valin-drà ihany. Hanonitra ny mpangalatra; raha tsy manana na inona na inona izy dia ny tenany no amidy ho onitr'izay nangalariny; 4 ary raha mbola tratra velona eo an-tànany izay nangalariny, na omby na ampondra na ondry, dia honerany avo sasaka. 5 Raha misy olona nanimba voly na tanim-boaloboka, fa nampitondraka ny bibiny tamin'ny sahan'olona dia honerany izany amin'izay tsara indrindra amin'ny voliny sy amin'izay tsara indrindra amin'ny tanim-boalobony.

6 Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo aloha, izay vao mandevona amboaram-bary koa, na vary tsy mbola voajinja, na saha, dia hanonitra izay nandrehitra ny afo.

7 Raha misy nametra-bola na fanaka hotehirizin'ny namany, ka nangalarin'ny sasany tao an-tranon'ity namany izany: raha hita ny nangalatra dia hanonitra avo sasaka,

8 fa raha tsy hita ny mpangalatra, dia hiseho eo anatrehan'Andriamanitra ny tompon-trano, sao dia noraisin'ny tànany ihany ny fananan'ny namany. 9 Na inona na inona zavatra ifandirana, na omby na ampondra na ondry na fitafiana, na zavatra inona na zavatra inona very, ka lazain'olona hoe: Izy indrindra ity, dia hoentina eo anatrehan'Andriamanitra ny tenin'izy roa tonta, ka izay hohelohin'Andriamanitra dia hanonitra avo sasaka ho an'ny namany. 10 Raha misy olona manome omby na ondry na biby hafa anankiray hotehirizin'ny namany, ka maty ilay biby na tapaka, na nisy naka, nefa tsy nisy nahita,

11 dia ny fianianana amin'ny Tompo no hampanaovina amin'izy roa tonta hahalalàna raha noraisin'ny tànany ny fananan'ny namany, ary hanaiky izany ny tompom-biby, dia tsy hanonitra itsy anankiray. 12 Raha tao aminy anefa no nangalarana ny biby, dia tsy maintsy manonitra amin'ny tompom-biby izy. 13 Ary raha voaviraviram-biby masiaka ny biby, izay sisa tsy laniny no hoentiny ho vavolombelona, dia tsy hanonitra ilay biby voaviravira izy. 14 Raha misy olona mindram-biby amin'ny namany, ka tapaka na maty ilay biby tsy teo anatrehan'ny tompony, dia hisy onitra;

15 fa raha teo anatrehan ny tompony kosa, tsy hisy onitra. Ary raha biby nohofany, dia ny hofany no ho solon'ny onitra. 16 Raha misy lehilahy manakojikojy zazavavy tsy foafofo ka mandry aminy dia handoa ny hajam-bolany izy ka hanambady azy.

17 Ary raha lavin-drainy ny hanambadiany azy, dia ny vola fanome amin'ny zazavavy virijiny no haloany. 18 Aza velomina izay zazavavy mpanao ody.

19 Ataovy maty izay olona miray amin'ny biby.

20 Ataovy anatema izay manolotra sorona amin'ny andriamanitra, fa tsy amin'ny Tompo irery.

21 Aza ratsy fitondra vahiny na mampahory azy, fa efa mba vahiny tany amin'ny tany Ejipta koa hianao.

22 Aza manao izay hampalahelo ny mpitondra tena sy ny kamboty;

23 fa raha manao izay mampalahelo ireny hianao, dia hitaraina amiko izy, ka hohenoiko ny fitarainany; 24 hirehitra ny fahatezerako ka haringako amin'ny sabatra hianareo; ary ny vadinareo ho mpitondra tena, ny zanakareo ho kamboty. 25 Raha mampisambo-bola olona amin'ny vahoakako hianao, amin'ny mahantra eo aminao, aza mitsangan-ko mpànana vola aminy, aza maka zana-bola aminy.

26 Raha alainao ho antoka ny kapaotin'ny namanao dia avereno aminy alohan'ny maty masoandro,

27 fa iny no hany firakofany, iny no fitafiana anaronany ny vatany, ka inona ary no hentiny mandry? Raha mitaraina amiko izy, hohenoiko ny fitarainany, fa antra olona aho. 28 Aza miteny ratsy an'Andriamanitra, na manozona ny filohany amin'ny firenena.

29 Aza milasilasy amin'ny fanaterana amiko ny voaloham-bokatry ny varinao sy ny voalobokao. Atolory ahy ny lahimatoa amin'ny zanakao lahy.

30 Ataovy toy izany koa ny voalohan-teraky ny omby aman'ondrinao; hafitoana no hiarahany amin-dreniny dia haterinao ho ahy izy amin'ny andro fahavalo. 31 Ho olona masina ho ahy hianareo; aza mihinan-kena voaviraviram-biby hita any an-tsaha, fa atsipazo ho an'ny amboa ireny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1286