Eksaody

Toko faha-25

1 Dia niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

2 Ilazao ny zanak'Israely mba hanokan-javatra hafoy ho ahy, ka horaisinareo amin'izay olona rehetra mahafoy an-tsitra-po malalaka ny zavatra homeny ho ahy. 3 Izao no fanatitra horaisinareo avy amin'izy ireo: volamena sy volafotsy ary varahina; 4 jaky volomparasy, jaky mena mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika sy volon'osy; 5 hodritr'ondrilahy voasoka mena, hodi-dogaona, hazo akasià; 6 solika hatao amin'ny fanaovan-jiro, zava-manitra hatao amin'ny diloilo fanosorana sy amin'ny zava-manitra fanembohana; 7 vatosoa berila sy vatosoa fandatsaka an-tranotranony, hatao amin'ny efoda sy ny saron-tratra. 8 Hanao fitoerana masina ho ahy izy ireo dia honina eo aminy aho. 9 Ary arahinareo tsara izay rehetra hasehoko anareo izao, ny mariky ny tabernakla sy ny mariky ny fanaka rehetra momba azy. 10 Hanao fiara hazo akasià izy; roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.

11 Hasianao takela-bolamena izy ao anatiny sy ao ivelany, ary hasianao tanjo-miolaka volamena ny manodidina azy. 12 Handrendrika masom-bolamena efatra hatao aminy hianao, hapetaka amin'ny tongony efatra; ny masom-bolamena roa amin'ny lafiny iray, ny masom-bolamena roa amin'ny lafiny iray. 13 Hanao bao hazo akasià hianao ka hasianao takela-bolamena, 14 dia hampiditra ny bao amin'ny masom-bolamena eo an-danin'ny fiara avy, hitondrana azy. 15 Havela hijanona eo amin'ny masom-bolamena ny bao fa tsy hesorina eo. 16 Ary hataonao ao amin'ny fiara, ny vavolombelona izay homeko anao. 17 Hanao fanaovam-panavotana amin'ny volamena madio hianao, roa hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany.

18 Ary hanao kerobima volamena roa hianao hataonao an-tefiny, dia iray avy no ho eo an-daniny roa amin'ny fanaovam-panavotana; 19 ny kerobima iray hatao amin'ny laniny iray, ary ny kerobima iray amin'ny laniny iray koa; ny kerobima dia hatao tafahoatra ny fanaovam-panavotana amin'ny laniny roa. 20 Hatao mivelatra miakatra ny elatry ny kerobima, hanarona ny fanaovam-panavotana amin'ny elany, ary hifanatrika ny tavany, hitodika manatrika ny fanaovam-panavotana ny tavan'ny kerobima. 21 Dia hapetrakao eo ambonin'ny fiara ny fanaovam-panavotana; ary hapetrakao ao anatin'ny fiara ny vavolombelona izay homeko anao. 22 Fa eo no hihaonako aminao; ary eo ambonin'ny fanaovam-panavotana, anelanelan'ny kerobima roa, izay ao ambonin'ny fiaran'ny vavolombelona, no hampandrenesako anao ny didy rehetra homeko anao ho an'ny zanak'Israely. 23 Hanao latabatra hazo akasià hianao; ho roa hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.

24 Petaho volamena madio izy, ary asio tanjo-miolaka volamena ny manodidina azy. 25 Hasianao sisiny vody voampelatànana ny manodidina azy, ka hasianao tanjo-miolaka volamena manodidina azy. 26 Hanao masom-bolamena efatra hianao ka hapetrakao amin'ny zoron'ny latabatra efatra ireo masom-bolamena ireo, dia amin'ny tongony efatra. 27 Hataonao eo akaikin'ny sisiny ny masom-bolamena, fa hampidirana ny bao hilanjana ny latabatra. 28 Hazo akasià no hanaovanao ny bao ary hasianao takela-bolamena; dia hitondrana ny latabatra ireo. 29 Dia hataonao ny loviany, ny vata kely fitoeran-java-manitra, ny kopy aman-tasiny hanaovana ny fanatitra araraka; ka volamena madio no hanaovanao azy. 30 Hasianao ny mofo alahatra, izay ho eo anatrehako mandrakariva eo ambony latabatra. 31 Hanao fanaovan-jiro amin'ny volamena madio hianao; hataonao an-tefiny avokoa izy mbamin'ny faladiany sy ny tahony, ary fonjany iray ihany ny ravim-boninkazo, ny bokony ary ny voniny,

32 ka hasianao rantsany telo avy amin'ny laniny iray, ary ny rantsany telo avy amin'ny laniny iray. 33 Ny rantsany voalohany dia hisy ravim-boninkazo telo miendrika vonin'amandia bokony sy voniny; ny rantsany faharoa dia hisy ravim-boninkazo telo miendrika vonin'amandia, bokony sy voniny; dia ho toy izany avokoa ny rantsany enina avy, amin'ny fanaovan-jiro. 34 Ny tahon'ny fanaovan-jiro hisy ravim-boninkazo efatra miendrika vonin'amandia, bokony sy voniny. 35 Hisy bokony iray eo ambanin'ny rantsany roa voalohany, avy amin'ny tahom-panaovan-jiro, bokony iray koa eo ambanin'ny rantsany roa manarakaraka, avy amin'ny tahom-panaovan-jiro, ary bokony iray koa eo ambanin'ny rantsany roa farany, avy amin'ny tahom-panaovan-jiro, araka ny rantsany enina avy amin'ny tahom-panaovan-jiro. 36 Ho fonjany iray ihany amin'ny fanaovan-jiro ireo bokony sy rantsany ireo, ary ho fonjam-bolamena an-tefiny iray ihany avokoa izy manontolo, sady volamena madio. 37 Manaova lalampy hatao aminy, ataovy fito ny isany, dia hataingina eny amin'ny rantsany ireo lalampiny ireo hanazava ny eo anoloana. 38 Ataovy volamena madio ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony. 39 Volamena madio talenta iray no hanaovana ny fanaovan-jiro sy ny fanaka rehetra momba azy. 40 Jereo ka ataovy araka ny marika aseho anao ao an-tendrombohitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0624