Eksaody

Toko faha-29

1 Izao no ataovy amin'ny fanamasinana azy ireo ho mpisorona ho ahy: Makà vantotr'ombalahy iray sy ondralahy roa, samy tsy misy kilema.

2 Mofo tsy misy lalivay, mofo mamy tsy misy lalivay voadity tamin'ny diloilo, mofo mamy manify tsy misy lalivay voatondraka diloilo, ka lafarinim-barim-bazaha tsara indrindra no hanaovana azy. 3 Ataovy an-tsobika iray ihany izy, dia atero izany ao anatin'ny sobika miaraka amin'ny vantotr'ombalahy iray sy ny ondralahy roa. 4 Dia ampandrosoy Aarona sy ireo zanany, ho eo amin'ny fidirana amin'ny trano lay fihaonana, ka ampandroy amin'ny rano izy.

5 Rahefa izany alao ireo fanamiana, ka ampiankanjoy an'i Aarona ny akanjo anatiny, ny akanjo lavan'ny efoda, ary ny efoda sy ny saron-tratra, dia hetrao amin'ny fehin-kibon'ny efoda izy. 6 Ataovy eo an-dohany ny hamama, ary ataovy eo amin'ny hamama ilay diademam-pahamasinana. 7 Dia alaovy ny diloilo fanosorana, ka aidino eo amin'ny lohany hanosoranao azy. 8 Ary ampandrosoy koa ireo zanany, ka ampiakanjoy ny toniky. 9 Aarona sy ireo zanany samy hetrao amin'ny fehin-kibo; ary ireo zanak'i Aarona ampisatrohy mitra. Dia ho azy ireo, amin'ny lalàna mandrakizay ny fisoronana; ary hanokana an'i Aarona sy ireo zanany hianao. 10 Ny ombalahy hoentinao mankeo anoloan'ny trano lay fihaonana, ary Aarona sy ireo zanany hametraka ny tànany eo ambonin'ny lohan'ny ombalahy.

11 Hovonoinao eo anatrehan'ny Tompo ny ombalahy eo amin'ny fidirana ho ao an-trano lay fihaonana; 12 ka angalao ny ran'ny ombalahy atenteno amin'ireo tandroky ny otely amin'ny fanondronao, dia araraho eo am-pototry ny otely avokoa ny sisa. 13 Alaovy avokoa ny sabora safodrorohany, ny saron'atiny, ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, ka indray dory hanetona eo ambony otely. 14 Fa ny nofon'ny ombalahy kosa mbamin'ny hodiny sy ny tain-drorohany, dory amin'ny afo any ivelan'ny toby: sorona noho ny ota izany. 15 Alao ny iray amin'ireo ondralahy, ka Aarona sy ny zanany hametraka ny tànany ambonin'ny lohan'ny ondralahy;

16 hianao kosa hamono ny ondralahy sy hananty ny rany ary handraraka izany manodidina ambony otely. 17 Teteho ny ondralahy ary rehefa voasasanao ny taovany sy ny ranjony dia hapetrakao eo ambonin'ny tetiny sy ny lohany; 18 dia hodoranao hanetona eo ambony otely ny ondralahy manontolo. Sorona dorana ho an'ny Tompo izany, hankasitrahany ny fofony, fanatitra atao amin'ny afo ho an'ny Tompo. 19 Alao koa ny ondralahy faharoany, ka Aarona sy ny zanay hametraka ny tànany ambony lohan'ny ondralahy.

20 Hianao hamono ny ondralahy dia haka amin'ny rany, ka hantentinao amin'ny tendron-dravintsofina ankavanan'i Aarona, sy amin'ny tendron-dravintsofina ankavanan'ireo zanany, ary amin'ny ankiben-tànany ankavanana, mbamin'ny ankiben-tongony ankavanana, ary hararakao manodidina eo ambonin'ny otely ny rà. 21 Makà amin'ny rà izay eo ambony otely, sy ny diloilo fanosorana, ka fafazo amin'i Aarona mbamin'ny fanamiany, sy amin'ny zanany mbamin'ny fanamiany dia ho voahasina avokoa izy, na ny tenany amam-panamiany na ny zanany amam-panamiany miaraka aminy. 22 Halainao ny saboran'ny ondralahy, ny hofany, ny safodrorohany, ny saron'atiny, ny voany roa mbamin'ny fonom-boany ary ny sorony havanana, fa ondralahy fanokanana io. 23 Ao amin'ny sobika misy ny mofo tsy misy lalivay voapetraka eo anatrehan'ny Tompo, dia angalao vonga-mofo iray sy mofo mamy miharo diloilo iray ary mofo mamy manify iray. 24 Dia hapetrakao eo amin'ny felatànan'i Aarona sy amin'ny felatànan'ny zanany avokoa ireo zavatra ireo, ka hahevahevanao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'ny Tompo. 25 Rahefa izany hoesorinao eo an-tànany ireo ka hodoranao eo ambony otely, ambonin'ny sorona dorana, ho hanitra ankasitrahana eo anatrehan'ny Tompo: sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo izany. 26 Ary halainao ny tratran'ny ondralahy izay nenti-nanokanana an'i Aarona, ka hahevahevanao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'ny Tompo: io no ho anjaranao. 27 Amin'ny ondralahy fanokanana, amin'izay anjaran'i Aarona sy amin'izay anjaran'ny zanany, dia hohamasininao izay efa voahevaheva sy izay efa voasandratra, dia izao avy: ny tratra voahevaheva sy ny soroka voasandratra: 28 izany no ho anjaran'i Aarona sy ny zanany, tsy maintsy hafoin'ny zanak'Israely ho azy ireo mandrakizay; fa fanatitra voasandratra izany, ary ny zanak'Israely tsy maintsy hanokana fanatitra avy amin'ny sorona fisaorana, fanatitra atokany ho an'ny Tompo. 29 Ny fanamiana masin'i Aarona dia ho an'ny zanany handimby azy koa, ka hatafy azy izany, rahefa avy izay hanosorana azy sy hanokanana azy;

30 ka hitafy izany mandritra ny hafitoana, izay anankiray amin'ny zanany ho tonga mpisorona handimby azy; dia izay hiditra ao an-trano lay fihaonana, hanao ny fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina. 31 Halainao ny ondralahy fanokanana, ka handrahoinao eo amin'izay toerana masina ny henany.

32 Dia hohanin'i Aarona sy ny zanany eo anoloan'ny trano lay fihaonana ny henan'ny ondralahy, sy ny mofo ao anatin'ny sobika. 33 Toy izany koa no hihinanany izay nanaovana ny fanoneram-pahotana tamin'ny nanokanana azy sy nanamasinana azy; tsy hisy olon-kafa hihinana amin'izany, satria zava-masina izany. 34 Raha misy sisa tsy lany ka tra-maraina ny hena avy amin'ny fanokanana sy ny mofo, dia hodoranao izany fa tsy hohanina, satria zava-masina. 35 Izany no hataonao amin'i Aarona sy ny zanany, araka ny didy rehetra nomeko anao. Hafitoana no hanokananao azy.

36 Vantotr'ombalahy iray isan'andro no hatolotrao ho sorona noho ny ota, ho fanoneram-pahotana. Izany fanonerana izany no hanavotanao ny fahotana amin'ny otely, dia hanosotra azy hianao, hanamasinana azy. 37 Hafitoana no hanaovanao fanoneram-pahotana ho an'ny otely sy hanamasinanao azy, dia ho masina indrindra ny otely, ary ho masina avokoa izay hikasika ny otely. 38 Izao no hatolotrao eo ambonin'ny otely: zanak'ondry efa iray taona, roa isan'andro tsy tapaka.

39 Ny iray amin'ireo zanak'ondry ireo hatolotrao ny maraina, ny iray kosa hatolotrao amin'ny àty takariva. 40 Miaraka amin'ny ondry voalohany, hatolotrao koa ny lafarina tsara indrindra ampahafolon'ny efah voadity tamin'ny diloiloin'oliva, voatoto, ampahefatry ny hina, ary divay ampahefatry ny hina ho fanatitra araraka. 41 Ny zanak'ondry faharoa hatolotrao amin'ny àty takariva dia hampombainao fanatitra sy divay hatao fanatitra araraka toraky ny tamin'ny maraina, ankasitrahana ny fofony, sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo. 42 Sorona dorana tsy tapaka izay tsy maintsy hatolotrareo amin'ny taona mifandimby ao amin'ny fidirana ny trano lay fihaonana, eo anatrehan'ny Tompo, dia eo amin'izay hihaonako aminareo mba hitenenako aminao. 43 Fa hihaona amin'ny zanak'Israely eo aho, ka ho voahasin'ny voninahitro izany fitoerana izany. 44 Hohamasiniko ny trano lay fihaonana sy ny otely, hohamasiniko Aarona sy ny zanany, mba ho mpisorona manao fanompoana ahy. 45 Honina eo afovoan'ny zanak'Israely aho, dia izaho no Andriamanitr'izy ireo. 46 Ho tantany fa izaho Iaveh no Andriamanitr'izy ireo, izay namoaka azy tany amin'ny tany Ejipta, mba honenako eo afovoan'izy ireo, dia izaho Iaveh Andriamaniny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1233