Eksaody

Toko faha-30

1 Hanao otely fandorana emboka hianao, hataonao amin'ny hazo akasià;

2 iray hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany, ka hitovy ny lafiny efatra, ary roa hakiho ny hahavony; hiray aminy ny tandrony. 3 Hopetahanao takela-bolamena madio ny tampony, ny lafiny manodidina, ny tandrony, ary hasianao koronosy volamena manodidina izy. 4 Hanaovanao masom-bolamena roa izy eo ambanin'ilay koronosy eo amin'ny rirany roa, hataonao amin'ny laniny roa, hidiran'ny bao hitondrana azy. 5 Hataonao amin'ny hazo akasià ny bao, ary hopetahanao takela-bolamena izy. 6 Io otely io dia hapetrakao manatrika ny efitra lamba izay eo anoloan'ny fiaran'ny vavolombelona, manatrika ny fanaovam-panavotana izay eo ambonin'ny vavolombelona, dia eo amin'izay hihaonako aminao. 7 Eo no handoroan'i Aarona ny emboka; isa-maraina no handoroany azy, rahefa mamboatra ny lalampy izy; 8 ary isaky ny àty takariva koa no handoroany azy, rahefa mametraka ny lalampy eo amin'ny fanaovan-jiro izy. Emboka manitra mandrakizay eo anatrehan'ny Tompo izany amin'ny taranakareo. 9 Aza misy atolotrareo eo ambonin'io otely io, na ny zava-manitra tsy masina na ny sorona dorana na ny fanatitra, ary aza araraka eo ny fanatitra araraka. 10 Eo amin'ny tandrok'io otely io no hanaovan'i Aarona ny fanoneram-pahotana indray mandeha isan-taona; ny ran'ny sorona fanoneram-pahotana no hanaovany ny fanoneram-pahotana ao, indray mandeha isan-taona, hatramin'ny taranaka mifandimby. Ho masina indrindra amin'ny Tompo io otely io. 11 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

12 Raha avy izay hanisanao ny zanak'Israely mba hahitana ny isany, dia samy hanome avotr'aina ho an'ny Tompo izy tsirairay avy rahefa hatao ny fanisana azy, mba tsy hisy loza manjo azy, amin'ny fanisana azy. 13 Izao no haloan'izay rehetra anatin'ny voaisa: antsasaky ny sikla araka ny sikla masina izay roa-polo gerà; antsasaky ny sikla no ho fanatitra halaina ho an'ny Tompo. 14 Samy handoa ny hajian'ny Tompo avokoa ny lehilahy anatin'ny voaisa rehetra hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra. 15 Ny mpanan-karena tsy handoa mihoatra, ny mahantra tsy handoa latsaka ny antsasaky ny sikla amin'ny fandoavana ny hajian'ny Tompo ho avotry ny ainareo. 16 Horaisinao amin'ny zanak'Israely ny vola avy amin'izany avotra izany ka hoenti-manao ny raharaha momba ny trano lay fihaonana. Dia ho antoka eo anatrehan'ny Tompo izany, ho an'ny zanak'Israely hanavotana ny ainy. 17 Niteny tamin'i Moizy koa Iaveh nanao hoe:

18 Hanao tavy varahina, misy faladiany varahina, hatao fiafanana hianao, ka hapetrakao eo anelanelan'ny trano lay fihaonana sy ny otely, 19 dia hasianao rano, hangalan'i Aarona sy ny zanany hanasany ny tànany aman-tongony. 20 Fa hiafana amin'io rano io izy, mba tsy ho faty, na rahefa hiditra amin'ny trano lay fihaonana, na rahefa hanatona ny otely hanao ny raharahany hampanetona sorona amin'ny Tompo. 21 Hanasa ny tongony aman-tànany izy, ka tsy ho faty izy. Lalàna mandrakizay ho azy ireo izany, dia ho an'i Aarona sy ny taranany amin'ny taona mifandimby. 22 Hoy koa Iaveh tamin'i Moizy:

23 Makà amin'ny zava-manitra izay tsara indrindra, mira madio diman-jato sikla, ary ny antsasak'izany, dia sinama mamerovero dimampolo sy roan-jato sikla, veromanitra dimampolo sy roan-jato sikla, 24 kasa diman-jato sikla, araka ny sikla masina, ary diloilon'oliva iray hina; 25 ka amboary izany ho diloilo hanaovana ny fanosorana masina; ho zava-manitra voaharoharo araka ny asan'ny mpahay zava-manitra; dia izany no diloilo hanaovana ny fanosorana masina. 26 Io no hanosoranao ny trano lay fihaonana, ny fiaran'ny vavolombelona, 27 ny latabatra mbamin'ny fanaka momba azy rehetra, ny fanaovan-jiro mbamin'ny fanaka momba azy, ny otely fandoroan-java-manitra, 28 ny otely fanaovan-tsorona dorana mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy varahina mbamin'ny faladiany. 29 Hohamasininao ireo dia ho masina indrindra ary ho masina avokoa izay hikasika azy. 30 Hohosoranao koa Aarona sy ny zanany, ary hohamasininao izy, mba ho mpisorona hanao fanompoana ahy. 31 Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao hoe: Ho diloilo fanaovana fanosorana masina izany ho ahy, hatrany amin'ny taranaka mifandimby. 32 Tsy hararaka amin'ny tenan'olona izany, ary hamorona hafa tahaka an'io hianareo amin'izay zavatra hamoronana an'io, fa zava-masina izany, ka tsy maintsy hataonareo ho zava-masina. 33 Na zovy na zovy hanamboatra tahaka an'io na hanosotra izany amin'olona tsy fanosotra azy, dia hofongorana tsy ho eo amin'ny fireneny. 34 Hoy Iaveh tamin'i Moizy: Makà zava-manitra, ditin-kazo, ongila mani-pofona, galbanoma, zava-manitra sy emboka tsy mifaho zavatra hafa, izany rehetra izany ampitovio fatra.

35 Dia ireo no hanamboaranao zava-manitra hanaovana ny fanembohana, voaharoharo araka ny asan'ny mpahay zava-manitra; asio sira izy, ary aoka ho madio sy masina. 36 Torotoroy hanjary vovony izy, dia ametraho eo anoloan'ny vavolombelona ao an-trano lay fihaonana izay hihaonako aminao. Ho zava-masina indrindra izany. 37 Izany zava-manitra hataonareo izany dia tsy ho azonareo anaovana mitovy aminy ho anareo, fa hataonareo ho zava-masina ho an'ny Tompo. 38 Ka na zovy na zovy hanao mitovy amin'izany hanamboloany ny haniny, dia hofongorana tsy ho eo amin'ny fireneny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0453