Eksaody

Toko faha-31

1 Ary Iaveh niteny tamin'i Moizy nanao hoe:

2 Aoka ho fantatrao fa efa nantsoiko tamin'ny anarany Beseleela, zanak'i Orì, zanak'i Hora, avy amin'ny fokon'i Jodà. 3 Efa nofenoiko fanahin'Andriamanitra izy, dia fahendrena amam-pahiratan-tsaina sy fahaizana momba ny taozavatra isan-karazany rehetra hamoronany asa vaovao; 4 hanefeny volamena, volafotsy, varahina, 5 hisokirany vato halatsaka an-tranontranony, handrafetana hazo, ary hanaovana taozavatra isan-karazany. 6 Ary indro nanampiko azy koa Ooliaba, zanak'i Akisemeka, avy amin'ny fokon'i Dana, ary efa nasiako fahendrena ny fon'ny lehilahy mahay rehetra, mba hanaovany an'izay rehetra nandidiako anao, 7 dia ny trano lay fihaonana, ny fiaran'ny vavolombelona, ny fanaovam-panavotana eo amboniny, ny fanaka rehetra amin'ny trano lay; 8 ny latabatra sy ny fanaka momba azy, ny fanaovan-jiro volamena madio sy ny fanaka rehetra momba azy, ny otely fandoroan-java-manitra, 9 ny otely fanaovan-tsorona dorana sy ny fanaka rehetra momba azy, ny tavy sy ny faladiany; 10 ny fanamiana amin'ny fombam-pivavahana, ny fanamiana masina ho an'i Aarona mpisorona, ny fanamiana ho an'ny zanany, amin'ny raharaham-pisoronana; 11 ny diloilo fanosorana, ny zava-manitra fandoro eo amin'ny fitoerana masina. Hotanterahiny avokoa izay rehetra nandidiako anao. 12 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

13 Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao amin'izy ireo hoe: Aza disoina ny fitandremana ny sabatako fa ho ahy sy hianareo dia io no famantarana amin'ny taranakareo rehetra hahafantaranareo fa izaho Iaveh no nanamasina anareo. 14 Hotandremanareo ny sabata, fa zava-masina ho anareo izany. Izay tsy mankamasina azy hohelohin-ko faty; izay manao asa amin'io andro io hofongorana tsy ho eo amin'ny fireneny. 15 Ny andro enina no hiasana fa ny andro fahafito ho andro fitsaharana amin'ny asa rehetra, dia voatokana ho an'ny Tompo. Koa na zovy na zovy hanao asa amin'ny andro sabata dia hohelohin-ko faty. 16 Samy hitandrina sy hankalaza ny sabata ny zanak'Israely mbamin'ny taranaka mandimby azy, ho fanekena mandrakizay. 17 Ho famantarana mandrakizay ho ahy sy ny zanak'Israely izany, satria ny andro enina no nanaovan'ny Tompo ny lanitra sy ny tany fa ny andro fahafito nitsaharany sy nialany sasatra. 18 Nony tapitra niteny tamin'i Moizy Iaveh, tany an-tendrombohitra Sinaia dia natolony azy ny takelaka roan'ny vavolombelona, takelaka vato nosoratan'ny rantsan-tànan'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1021