Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Eksaody

Eksaody toko 32, 7-11,13-14,

       <7Dia hoy Iaveh tamin'i Moizy: Mandehana midina hianao fa nanao ratsy be vava ilay vahoakanao nentinao niakatra avy any amin'ny tany Ejipta. 8Nalaky nivily niala tamin'ny làlana nasaiko hombany; nanao zanak'omby anidina ho azy izy ireo, dia niankohoka teo anoloan'io sy nanolotra sorona taminy, ary nanao hoe: Ry Israely, io no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy any amin'ny tany Ejipta. 9Hoy Iaveh tamin'i Moizy: Hitako fa vahoaka mafy hatoka io vahoaka io. 10Koa ankehitriny avelao aho, aoka hirehetan'ny fahatezerako izy ireo, ka horinganiko; fa hianao kosa hataoko firenena lehibe. 11Nifona tamin'ny Tompo Andriamaniny anefa Moizy ka nanao hoe: Nahoana ny fahatezeranao, Iaveh ô, no dia hirehitra amin'ny vahoakanao, izay navoakanao avy any amin'ny tany Ejipta, tamim-pahefana lehibe aman-tànana mahery? 13Fa tsarovy Abrahama sy Isaaka ary Israely mpanomponao izay nilazanao tamim-pianianana amin'ny tenanao hoe: Hohamaroiko toy ny kintana eny an-danitra ny taranakareo ary homeko ny taranakareo izany tany rehetra nolazaiko taminareo izany, ka hanjakany mandrakizay. 14Dia nanenenan'ny Tompo ny ratsy nolazainy hafitsoka ny vahoakany. >