Eksaody

Toko faha-33

1 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Mandehana, miaingà avy eto, hianao sy ny vahoaka nentinao niakatra avy any amin'ny tany Ejipta, ho any amin'ny tany efa nampanantenaiko tamim-pianianana an'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba nataoko hoe: Homeko ny taranakao io.

2 Haniraka anjely eo alohanao aho, ary handroaka ny Kananeana, ny Amoreana, ny Heteana, ny Ferezeana, ny Heveana ary Jeboseana. 3 Dia ho any amin'ny tany tondra-dronono aman-tantely, fa tsy hiakatra aho eo afovoanao, satria vahoaka mafy hatoka hianao, ka sao dia haringako eny an-dàlana eny. 4 Nony nandre izany teny mafy izany ny vahoaka dia nisaona tsy nisy nitafy ny fihaingoany intsony.

5 Ka hoy Iaveh tamin'i Moizy: Lazao amin'ny zanak'Israely hoe: Vahoaka mafy hatoka hianareo, ka raha miakatra aho eo afovoanareo, na dia indray mipi-maso aza, dia holevoniko hianareo, koa apetraho amin'izao ny fihaingoanareo, dia ho fantatro izay hataoko. 6 Dia nesorin'ny zanak'Israely ny fihaingoany, hatreo an-tendrombohitra Horeba. 7 Nalain'i Moizy ny trano lay, naoriny eo ivelan'ny toby, lavidavitra ihany, nataony hoe: ny trano lay fihaonana no anarany; ary na zovy na zovy nitady an'ny Tompo dia nankeo amin'ny trano lay fihaonana teo ivelan'ny toby.

8 Nony injay miainga Moizy ho ao an-trano lay fihaonana, ny vahoaka rehetra kosa samy mitsangana eo am-baravaran'ny lay manara-maso an'i Moizy mandra-pidiny ao an-trano lay. 9 Raha vao tafiditra ao an-day Moizy, ny andry rahona midina mijanona eo anoloan'ny trano lay, ary Iaveh miresaka amin'i Moizy. 10 Mahita ny andry rahona mijanona eo anoloan'ny trano lay ny vahoaka, dia mitsangana ny vahoaka rehetra ary samy miankohoka eo am-baravaran'ny lainy avy. 11 Ary Iaveh miresaka mifanatrika amin'i Moizy, mova tsy ny olona miresaka amin'ny sakaizany. Rahefa izany dia miverina mankany an-toby Moizy, fa Josoe zanak'i Nona, ilay zatovolahy mpanompony, tsy mba niala tao afovoan'ny trano lay. 12 Ary hoy Moizy tamin'ny Tompo: Hianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity vahoaka ity, kanefa izay hirahinao hiaraka amiko mbola tsy lazainao amiko. Nilaza anefa hianao nanao hoe: Fantatro amin'ny anaranao hianao, efa nahita fitia teo imasoko hianao;

13 koa ankehitriny raha nahita fitia teo imasonao tokoa àry aho dia mba hampahalalao ahy ny làlanao, ary aoka hahalala anao aho mba hahitako fitia eo imasonao. Hevero fa vahoakanao ity firenena ity; 14 Dia hoy ny navalin'ny Tompo: Ny tavako no handeha hiaraka aminao, ary homeko fitsaharana hianao. 15 Ka hoy Moizy: Raha tsy handeha ny tavanao dia aza mampiala anay eto. 16 Fa inona moa no hahafantaran'ny olona fa nahita fitia teo imasonao aho sy ny vahoakanao, afa-tsy ny fandehananao miaraka aminay ihany? Izany no hanavaka anay, dia izaho sy ny vahoakanao, amin'ny vahoaka rehetra eto ambonin'ny tany. 17 Dia hoy Iaveh tamin'i Moizy: Hataoko indray koa izao zavatra angatahinao izao, satria efa nahita fitia teo imasoko hianao, sady fantatro amin'ny anaranao hianao.

18 Ary hoy Moizy: Mba ataovy mahita ny voninahitrao aho. Ka hoy ny navalin'ny Tompo:

19 Hampandaloviko eo anatrehanao ny hatsaram-poko rehetra; ary hotononiko eo anatrehanao ny anaran'ny Tompo; fa mankasitraka izay ankasitrahako aho ary mamindra fo amin'izay amindrako fo. 20 Dia hoy Iaveh: Tsy afa-mahita ny tavako hianao, satria tsy afa-mahita ahy ny olombelona ka mbola ho velona ihany. 21 Hoy Iaveh: Indro misy fitoerana eto akaikiko, ka hijanona eo ambony vatolampy hianao; 22 ary rahefa mandalo ny voninahitro, hataoko ao an-tsefatsefa-bato hianao, dia hosaronako amin'ny tànako mandra-pandaloko; 23 izay vao hesoriko ny tànako, ka eo ivohoko no hahitanao ahy, fa ny tavako tsy hay jerena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.104