Eksaody

Toko faha-34

1 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Manaova takelaka vato roa tahaka ireo voalohany ka hanoratako ny teny izay efa teo amin'ireo takelaka voalohany notorotoroinao.

2 Aoka ho vonona ho amin'ny ampitso, dia hiakatra hianao raha vao maraina, ho any an-tendrombohitra Sinaia ka hijanona eo anatrehako ao an-tampon'ny tendrombohitra. 3 Aoka tsy hisy olona hiara-miakatra aminao; ary aoka tsy hisy olona hiseho eny an-tendrombohitra Sinaia rehetra eny; ary na ny ondry mbamin'ny omby aza, aoka tsy hihinana eny akaikin'ny tendrombohitra eny akory. 4 Dia nipaika takelaka vato roa tahaka ireo voalohany Moizy; ka nifoha maraina koa, niakatra ny tendrombohitra Sinaia, araka ny nandidian'ny Tompo azy; nentiny teny an-tànany ny takelaka vato roa. 5 Dia nidina tao anatin'ny rahona Iaveh ka niara-nijanona taminy teo, sy nanonona ny anarana hoe: Iaveh!

6 Ary nandalo teo anatrehany Iaveh sady niantso hoe: Iaveh! Iaveh! Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be hatsaram-po amam-pahamarinana; 7 mitahiry ny fitiany hatramin'ny taranaka faharivo, mamela heloka amam-pikomiana sy fahotana, nefa tsy avelany ho afa-maina ireny, fa ny heloky ny ray valiany amin'ny zanaka sy ny zafy, hatramin'ny taranaka fahatelo sy ny taranaka fahefatra. 8 Niondrika tamin'ny tany niaraka tamin'izay Moizy, dia niankohoka, 9 nanao hoe: Raha nahita fitia teo imasonao aho, ry Tompo, aoka re mba hiaraka aminay ny Tompo, fa vahoaka mafy hatoka izy. Avelao ny heloka amam-pahotanay, ary raiso ho lovanao izahay. 10 Dia hoy Iaveh: Indro manao fanekem-pihavanana aho: Hanao zava-mahagaga eo anatrehan'ny vahoakanao rehetra aho; ka tsy mbola nisy nanaovana toy izany, na tany aiza na tany aiza, na firenena aiza na firenena aiza; ka ny vahoaka manodidina anao hahita ny asan'ny Tompo; fa mahatsiravina tokoa ny zavatra hataoko miaraka aminao. 11 Tandremo izao andidiako anao anio izao: Indro horoahiko eo anoloanao ny Amoreana, ny Kananeana, ny Heteana, ny Ferezeana, ny Heveana ary ny Jeboseana.

12 Tandremo fandrao manao fanekem-pihavanana amin'ny mponina amin'ny tany izay ndeha hiadianao, sao ho zary fandrika eo afovoanao ireny. 13 Fa horavanareo ny oteliny; hazeranareo ny tsangam-batony; hokapainareo ny aserimany. 14 Aza mivavaka amin'andriamani-kafa, fa Iaveh dia saro-piaro no anarany; satria Andriamanitra saro-piaro izy. 15 Koa aza manao fanekena amin'ny mponina amin'ny tany, fandrao, rahefa mitolo-tena amin'ny andriamaniny ireny sy manolo-tsorona aminy, dia asainy koa hianao sy hihinana amin'ny sorony; 16 fandrao koa maka ny zanany vavy ho an'ny zanakao lahy hianao, ka nony mitolo-tena amin'ny andriamaniny ireny zanany vavy ireny, dia ho voatariny mbamin'ny zanakao lahy hitolo-tena amin'ny andriamaniny koa. 17 Aza manao andriamanitra anidina ho anao.

18 Tandremo ny fetin'ny Azima. Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy lalivay, araka ny nandidiako anao, amin'ny fotoana voafetra amin'ny volana abiba, satria tamin'ny volana abiba no nivoahanao tany Ejipta.

19 Ahy ny lahy voalohan-teraka rehetra; toy izany koa, ny lahy voalohan-teraky ny biby ompiana rehetra, na omby na ondry.

20 Zanak'ondry no hanavotanao ny voalohan-teraky ny ampondra; na hofolahinao ny hatony raha tsy havotanao izy. Havotanao ny lahimatoa rehetra amin'ny zanakao; ary aza miseho eo anatrehako tsy mitondra fanatitra hianao. 21 Ny andro enina no hiasanao; fa ny andro fahafito kosa hitsaharanao, na dia amin'ny taom-piasana tany amam-pamorim-bokatra aza.

22 Hankalazainao ny fetin'ny Herinandro, ny voaloham-bokatra amin'ny fijinjam-bary, ary ny fetin'ny fampakaram-bokatra amin'ny faran'ny taona.

23 Intelo isan-taona no hisehoan'ny lehilahy rehetra eo anatrehan'ny Tompo Tompo, Andriamanitr'Israely.

24 Fa handroaka ny firenena eo anoloanao aho, ary hanitatra ny faritry ny taninao. Tsy hisy olona handrembona ny taninao, mandritra ny hiakaranao hiseho eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrao, intelo isan-taona. 25 Tsy hiara-katolotra amin'ny mofo misy lalivay ny ran'ny sorona atao amiko; ary tsy hotehirizina mandritra ny alina ho tra-maraina ny sorona amin'ny fetin'ny Paka.

26 Atero ao an-tranon'ny Tompo Andriamanitrao ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.

27 Dia hoy Iaveh tamin'i Moizy: Soratinao ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no anaovako fanekena aminao sy amin'Israely.

28 Efapolo andro sy efapolo alina Moizy no tao amin'ny Tompo tao; tsy nihina-mofo na nisotro rano akory. Ary nosoratan'ny Tompo tamin'ireo takelaka ny tenin'ny fanekem-pihavanana dia ny teny folo. 29 Nidina avy any an-tendrombohitra Sinaia Moizy, ary Moizy nitondra ny takelaka roan'ny vavolombelona teny an-tànany nony nidina avy any an-tendrombohitra; ary tsy fantatr'i Moizy fa tonga mpandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavany, nandritra ny niresahany tamin'ny Tompo.

30 Aarona sy ny zanak'Israely rehetra nahita an'i Moizy ka indro nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavany dia natahotra ny hanatona azy izy ireo. 31 Nantsoin'i Moizy ireo, ka nanatona azy Aarona sy ny loholona rehetra amin'ny fiangonana ka niresaka tamin'ireo izy. 32 Vao izay vao nanatona koa ny zanak'Israely rehetra, ka nomeny azy ny didy rehetra noraisiny tamin'ny Tompo tany an-tendrombohitra Sinaia. 33 Nony avy niteny Moizy dia nosaronany voaly ny tarehiny. 34 Raha niditra eo anatrehan'ny Tompo Moizy hiresaka aminy dia nesoriny ny voaly, mandra-pivoakany. Rahefa izany dia nivoaka izy ary nanambara tamin'ny zanak'Israely ny didy azony.

35 Hitan'ny zanak'Israely ny tarehin'i Moizy, fa nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavan'i Moizy, ka dia saronan'i Moizy voaly indray ny tarehiny mandra-pidiny hiresaka amin'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1467