Eksaody

Toko faha-35

1 Ary novorin'i Moizy ny fiangonan'Israely rehetra ka nilazany hoe: Izao no zavatra nodidian'ny Tompo hatao:

2 Ny andro enina no hiasanareo fa ny andro fahafito dia ho andro voatokana eo aminareo, andro fitsaharana amin'ny asa rehetra hankalazana an'ny Tompo. Izay manao taozavatra amin'io andro io dia hohelohin-ko faty. 3 Tsy hisy hampirehetana afo ny tranonareo amin'ny sabata. 4 Niteny tamin'ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra Moizy ka nanao hoe: Izao no nodidian'ny Tompo hatao:

5 Manokàna zavatra hatolotra ho an'ny Tompo amin'ny fanananareo. Na iza na iza mazoto fo dia hitondra zavatra haterina amin'ny Tompo, dia volamena, volafotsy, varahina, 6 jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra; rongony madinika, volon'osy, 7 hoditr'ondralahy voasoka mena, hodi-dogaona, hazo akasià, 8 diloilo hatao amin'ny fanaovan-jiro, zava-manitra hatao amin'ny diloilo fanosorana, sy ny zava-manitra fanembohana; 9 vato berila, sy vato fandatsaka an-tranontranony hatao amin'ny efoda sy ny saron-tratra. 10 Aoka hanatona izay rehetra manam-pahaizana aminareo hanao izay rehetra nasain'ny Tompo hatao: 11 ny Fonenana, ny lainy amam-pirakony, ny masom-bolany, ny hazo-fisany, ny barany, ny andriny, ny faladiany; 12 ny fiara mbamin'ny baony; ny fanaovam-panavotana, ny efitra lamba, 13 ny latabatra mbamin'ny baony amam-panaka rehetra momba azy, ny mofo alahatra, 14 ny fanaovan-jiro mbamin'ny fanaka aman-dalampy momba azy, ny diloilo hatao amin'ny fanaovan-jiro; 15 ny otely fandoroan-java-manitra mbamin'ny baony, ny diloilo fanosorana, ny zava-manitra fanembohana, ny varavarana lamba amin'ny fidirana ho ao amin'ny Fonenana, 16 ny otely fanaovan-tsorona dorana mbamin'ny harato varahina aminy, ny baony, ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy amam-paladiany; 17 ny fefy lamba amin'ny kianja mbamin'ny andriny, ny faladiany, ary ny vavahady lamba amin'ny kianja; 18 ny tsimatry ny Fonenana sy ny tsimatry ny kianja mbamin'ny kofehiny; 19 ny fanamiana fitondra raha manao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, ny fanamiana masina ho an'i Aarona mpisorona sy ny fanamian'ireo zanany fitondrany raha manao raharaham-pisoronana. 20 Nony nirava avy eo anatrehan'i Moizy ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra,

21 dia tonga izay rehetra voatariky ny fo mazoto sy izay rehetra manana saina vonona tsara nanolotra fanatitra ho an'ny Tompo hanaovana ny trano lay fihaonana, mbamin'ny fanaka rehetra ao aminy, sy ny fanamiana masina. 22 Samy tonga daholo na lahy na vavy; izay rehetra vonona tsara tao am-pony nitondra fampoehana, masom-bola, peratra, fehin-tànana, fanaka volamena isan-karazany; samy nanolotra fanatitra volamena avokoa izy, natokany ho an'ny Tompo. 23 Izay rehetra nanana jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika, volon'osy, hoditr'ondralahy voasoka mena, ary hodi-dogaona, dia samy nitondra avokoa. 24 Izay rehetra nanokana fanatitra volafotsy na varahina dia samy nitondra ny azy ho an'ny Tompo. Izay rehetra nanan-kazo akasià hanaovana ny zavatra rehetra momba ny fanompoam-pivavahana dia nanolotra izany. 25 Ny vehivavy nanam-pahaizana rehetra namoly tamin'ny tànany ka nitondra izay nataony, dia jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika. 26 Ny vehivavy rehetra izay voatariky ny fo mazoto sady nanam-pahaizana dia namoly volon'osy. 27 Ny loholona kosa nitondra vato berila ary vato fandatsaka an-tranontranony hatao amin'ny efoda sy ny saron-tratra; 28 zava-manitra aman-diloilo hatao amin'ny fanaovan-jiro sy ny diloilo fanosorana ary ny zava-manitra mamerovero. 29 Ny zanak'Israely rehetra na lahy na vavy izay voatariky ny fo mazoto mba hanana anjara amin'ny asa rehetra nandidian'ny Tompo tamin'ny vavan'i Moizy hatao, dia samy nitondra fanatitra an-tsitra-po ho an'ny Tompo. 30 Ary hoy Moizy tamin'ny zanak'Israely: Aoka ho fantatrareo fa Beseleela, zanak'i Ori, zanak'i Hora, amin'ny fokon'i Jodà, no efa nofidin'ny Tompo.

31 Nofenoiny ny fanahin'Andriamanitra izy, dia fahendrena amam-pahiratan-tsaina ary fahaizana hanao asa samihafa isan-karazany; 32 ny mamorona taozavatra vaovao, ny manefy volamena sy volafotsy ary varahina, 33 ny misokitra vato halatsaka an-tranontranony, ny mandrafitra hazo ary ny mahavita ny asa samihafa rehetra ilam-pahaizana. 34 Efa nataon'Andriamanitra ao am-pony koa ny fahaiza-mampianatra; ary toy izany no nataony tamin'i Ooliaba, zanak'i Akisameka, amin'ny fokon'i Dana. 35 Samy efa nofenoiny fahaizana hahavitana ny asa rehetra fisokirana sarin-javatra sy ilam-pahaizana, hanenomana jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika, asina sary samihafa, hanaovana taozavatra samihafa isan-karazany ary hamoronana fomban-taozavatra vaovao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0418