Eksaody

Toko faha-5

1 Rahefa izany, lasa nankao amin'i Faraona Moizy sy Aarona ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo, Andriamanitr'Israely: Alefaso handeha ny vahoakako hanao fety fankalazana ahy, any an'efitra.

2 Fa hoy ny navalin'i Faraona: Iza moa Iaveh no hoekeko teny, ka handefasako an'Israely handeha? Izaho tsy mahalala izay Iaveh, ka tsy havelako handeha Israely. 3 Dia hoy izy roa lahy: Ny Andriamanitry ny Hebrio no niseho taminay, ka avelao izahay handeha lalan-kateloana any an-efitra, hanolotra sorona amin'ny Tompo, mba tsy hamely anay amin'ny pesta na amin'ny sabatra izy. 4 Fa hoy ny mpanjakan'i Ejipta tamin'izy ireo: Nahoana hianareo, ry Moizy sy Aarona, no dia mandrebireby ny vahoaka tsy hanao ny asany? Mandehana mankany amin'ny fanompoanareo. 5 Dia hoy Faraona: Indro efa be izao ny vahoaka eto amin'ny tany, ka hotadiavinareo hatsahatra ve ny fanompoany? 6 Androtr'izay ihany dia nomen'i Faraona teny ny mpampiasa ny vahoaka sy ny mpanoratra nataony hoe:

7 Aza omena mololo hanaovam-biriky toy izay lasa izay intsony ny vahoaka, fa aoka ny tenan'izy ireo no handeha hanangona mololo. 8 Nefa ny biriky izay ampanaovinareo azy dia hitovy isa amin'izay nataony teo aloha, tsy hanalanareo na iray aza, fa kamo foana izy, ka izany no imenomenonany hoe: Maniry te-handeha hanao sorona amin'ny Andriamanitray izahay. 9 Ka ataovy matin-draharaha izany olona izany, ataovy mikikitra amin'ny asa, ary aoka izy tsy hihaino intsony izao antsanga tsy aman'orana rehetra izao. 10 Dia tonga ny mpampiasa ny vahoaka sy ny mpanoratra, ka nilaza tamin'ny vahoaka hoe: Izao no lazain'i Faraona: Tsy hanome mololo anareo intsony aho,

11 fa hianareo no mandeha mitady mololo any amin'izay hahitanareo any; ary ny raharaha fanaonareo tsy handatsahana na dia kely aza. 12 Dia niely eran'ny tany Ejipta ny vahoaka, hifako bozaka hatao solo-mololo. 13 Noporitin'ny mpampiasa nataony hoe: Efao ny asanareo, izay anjara asa voafetra hatao isan'andro tahaka ny fony nanana mololo hianareo. 14 Ary voakapoka ny mpanoratry ny zanak'Israely, izay notendren'ny mpampiasan'i Faraona hifehy azy ireo, fa hoy ny mpampiasa: Nahoana hianareo omaly sy androany, no tsy nahavita ny biriky fanaonareo toraky ny taloha? 15 Koa lasa nitaraina tany amin'i Faraona ny mpanoratry ny zanak'Israely nanao hoe: Nahoana hianao no dia manao toy izany amin'ny mpanomponao? 16 Tsy omena mololo akory ny mpanomponao nefa atao hoe: Manaova biriky, ka indro fa voakapoka ny mpanomponao, ary ny vahoakanao tonga diso amin'izany. 17 Fa hoy kosa Faraona: Olona kamo hianareo; olona kamo! Ka izany no ilazanareo hoe: Maniry ta-handeha hanolotra sorona amin'ny Tompo izahay. 18 Ka mandehana miasa amin'izao tsy homena mololo hianareo; ary ny isan'ny biriky hatolotrareo dia tsy hovàna akory. 19 Hitan'ny mpanoratry ny zanak'Israely fa efa mandry andriran'antsy izy, fa ilazana hoe: Ny birikinareo tsy handatsahana, fa isan'andro dia ho latasy toraky ny fanao isan'andro ihany.

20 Ary izy nahita an'i Moizy sy Aarona, izay efa tao rahateo, miandry azy ireo hivoaka avy ao amin'i Faraona, 21 ka nilaza taminy hoe: Aoka Iaveh no hahita anareo sy hitsara; fa ny fitia azonay tamin'i Faraona sy ny mpanompony nataonareo mody halavolo, ary notoloranareo sabatra eo an-tànany izy hamonoana anay. 22 Niverina nankany amin'ny Tompo Moizy tamin'izay, ka nanao hoe: Tompo ô! nahoana hianao no dia nampidi-doza tamin'ity vahoaka? Nahoana aho no dia nirahinao? Fa hatrizay nankanesako tany amin'i Faraona hiteny amin'ny anaranao izay, ny vahoaka tsy itondrany roa intsony, nefa hianao tsy nanafaka ny vahoakanao velively akory.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1141