Eksaody

Toko faha-9

1 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Mankanesa ao amin'i Faraona ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo, Andriamanitray ny Hebrio: Alefaso hanompo ahy ny vahoakako.

2 Fa raha mandà tsy handefa azy hianao sy mbola mitana azy ihany, 3 dia indro ny tanan'ny Tompo hamely ny biby fiompinao izay any an-tsaha, na soavaly, na ampondra, na rameva, na omby aman'ondry, dia areti-mifindra mandripaka tokoa. 4 Hasian'ny Tompo fiavahana ny bibin'Israely sy ny bibin'ny Ejipsiana: fa ny an'ny zanak'Israely rehetra tsy mba hisy maty, na dia iray aza. 5 Noferan'ny Tompo ny fotoana nataony hoe: Rahampitso no hanaovan'ny Tompo izany amin'ny tany. 6 Dia nataon'ny Tompo tokoa izany, nony ampitso; ka ny bibin'ny Ejipsiana maty avokoa; fa ny bibin'ny zanak'Israely tsy nisy maty, na dia iray aza. 7 Nampamototra Faraona ka tsy nisy maty tokoa ny bibin'ny zanak'Israely, na dia iray aza. Nefa nihamafy ny fon'i Faraona ka tsy nalefany handeha ny vahoaka. 8 Dia hoy Iaveh tamin'i Moizy sy Aarona: Mandraofa hianareo lavenona eran'ny tànanareo, eo amin'ny lafaoro lehibe, dia hataon'i Moizy savoan-danitra eo imason'i Faraona izany,

9 fa hitora-jofo eran'ny Ejipta izany, ka ho tonga boiboika mipoipoitra ho vay amin'ny olona sy ny biby eran'ny tany Ejipta. 10 Koa nandraoka lavenona tao amin'ny lafaoro lehibe izy ireo, dia nankany anatrehan'i Faraona, ary nataon'i Moizy savoan-danitra ny lavenona, ka nahatonga boiboika, nipoipoitra ho vay tamin'ny olona sy ny biby. 11 Tsy afaka niseho teo anatrehan'i Moizy ny mpanao ody azon'ny vay; fa voan'ny vay ny mpanao ody sahala amin'ny Ejipsiana rehetra koa. 12 Nohamafisin'ny Tompo anefa ny fon'i Faraona ka tsy nihaino an'i Moizy sy Aarona Faraona, araka ny efa voalazan'ny Tompo tamin'i Moizy. 13 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Mifohaza maraina koa hianao ka tongava any amin'i Faraona, dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo, Andriamanitry ny Hebrio: Alefao handeha hanompo ahy ny vahoakako.

14 Fa amin'izao aho vao handefa ny loza rehetra hampahory ny fonao sy ny mpanomponao mbamin'ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy toa ahy amin'ny tany rehetra. 15 Raha izay aho no efa naninjitra ny tànako namely anao tamin'ny pesta, hianao sy ny vahoakanao, dia efa fongotra amin'ny tany hianao toy izay. 16 Fa ny antony namelako anao haharitra toy izay, dia ny mba hahitanao ny fahefako, ary mba hanehoehoan'ny anarako amin'ny tany rehetra. 17 Ka indro hianao mbola mitsivalan-kisakana ny vahoakako fa tsy mandefa azy. 18 Ary indro rahampitso toy izao dia handatsaka havandra be dia be aho, ka tsy mbola nisy toy izany teto Ejipta hatrizay naha-Ejipta an'i Ejipta, ka mandrak'ankehitriny. 19 Ary izao dia asaovy hampidirina izay biby amam-panananao rehetra any an-tsaha; fa izay olona na biby rehetra tavela any an-tsaha fa tsy tafiditra tao an-trano dia hasian'ny havandra ka ho ringana. 20 Ka izay natahotra ny tenin'ny Tompo, teo amin'ny mpanompon'i Faraona, dia nampiditra an-trano ny mpanompony mbamin'ny bibiny. 21 Fa izay tsy nandinika tao am-pony ny tenin'ny Tompo kosa, namela ny mpanompony mbamin'ny bibiny tany an-tsaha. 22 Dia hoy Iaveh tamin'i Moizy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tànanao, hilatsahan'ny havandra eran'ny tany Ejipta rehetra, amin'ny olona sy ny biby ary ny ahitra rehetra any an-tsaha.

23 Dia nahinjitr'i Moizy nanandrify ny lanitra ny tehiny, ka nalefan'ny Tompo ny kotro-baratra sy ny havandra, ary nivarina tamin'ny tany ny afo. Ary Iaveh nandatsaka havandra tamin'ny tany Ejipta. 24 Havandra no nilatsaka ary afo miharo amin'ny havandra, sady loza ny heriny, fa tsy mbola nisy toy izany tany Ejipta, hatrizay naha-firenena azy. 25 Nasian'ny havandra avokoa izay rehetra tany an-tsaha tamin'i Ejipta manontolo na olona na biby. Nasian'ny havandra koa ny ahitra rehetra tany an-tsaha, ary nopotehiny ny hazo rehetra tany an-tsaha. 26 Tsy nisy afa-tsy ny tany Gesena, izay nisy ny zanak'Israely ihany, no tsy nilatsahan'ny havandra. 27 Nampiantso an'i Moizy sy Aarona Faraona ka nanao taminy hoe: Nanota aho tamin'ity indray maka ity; Iaveh no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka.

28 Mangataha re amin'ny Tompo mba hitsahatra ny kotrok'orana sy ny havandra, fa havelako handeha hianareo; tsy hisy hitana anareo intsony tokoa. 29 Hoy Moizy taminy: Vao mivoaka ny tanàna aho dia hanandratra ny tànako amin'ny Tompo, ka ny kotrok'orana hitsahatra, ny havandra tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an'ny Tompo ny tany. 30 Fantatro anefa fa mbola tsy hatahotra an'ny Tompo Andriamanitra akory hianao sy ny mpanomponao. 31 Ny rongony sy ny orja no levona; fa ny orja moa efa niteraka, ny rongony efa namony. 32 Ny varimbazaha sy ny epeautre anefa tsy naninona; afafy aoriana ireo. 33 Niala avy ao amin'i Faraona ary nivoaka ny tanàna Moizy, dia nanandratra ny tànany tany amin'ny Tompo, ka ny kotrok'orana sy ny havandra nitsahatra, ary ny ranonorana nijanona tsy nilatsaka tamin'ny tany intsony.

34 Fa Faraona kosa nony nahita fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrok'orana, dia mbola nanohy ny fahotany indray. 35 Nihadonto ny fon'i Faraona ka tsy nalefany handeha ny zanak'Israely, araka ny efa voalazan'ny Tompo tamin'ny vavan'i Moizy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.037