Bokin'i Esdrasa

Toko faha-10

1 Raha mbola nitomany sy niankohoka teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra Esdrasa nanao izany fivavahana amam-pieken-keloka izany, dia nisy vahoaka Israelita maro be, lehilahy sy zaza amam-behivavy nivory teo aminy; fa samy nirotsaka be ihany ny ranomason'ny vahoaka.

2 Tamin'izay dia niteny Sekeniasa zanak'i Jehiela, amin'ny taranak'i Elama, ka nanao tamin'i Esdrasa hoe: Nanota tamin'Andriamanitra tokoa izahay, fa namponina eto aminay vehivavy hafa firenena avy amin'ny olona monina amin'ny tany. Ary ankehitriny dia mbola misy fanantenana ho an'Israely ny amin'izany. 3 Aoka hanao fanekena amin'ny Andriamanitsika izahay izao, fa horoahinay omban-janany ireo vehivavy rehetra ireo, araka ny torohevitry ny tompoko sy ireo matahotra eo anoloan'ny didin'ny Andriamanitsika; dia aoka hatao araka ny lalàna izany. 4 Koa mitsangàna hianao, fa adidinao izao raharaha izao. Ary indreto koa izahay momba anao. Matokia, ary ataovy izany. 5 Dia nitsangana Esdrasa, nampianiana ny lohan'ny mpisorona sy ny levita mbamin'Israely rehetra hanatanteraka izany voalaza teo izany, ka dia nianiana izy ireo.

6 Rahefa izany, niala teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra Esdrasa dia nankao amin'ny efi-tranon'i Johanana, zanak'i Eliasiba; nony tafiditra tao izy, dia tsy nihinan-kanina na nisotro fa nisaona noho ny fahotan'ny zanaky ny fahababoana. 7 Koa natao an-kabary eran'i Jodà sy Jerosalema ny fiantsoana ny zanaky ny fahababoana hivory ao Jerosalema,

8 sady nanapa-kevitra ny lehibe sy ny loholona, fa na zovy na zovy tsy tonga ao anatin'ny hateloana, dia horobaina ny fananany ary hesorina amin'ny fiangonan'ny zanaky ny fahababoana ny tenany. 9 Tao anatin'ny hateloan'andro dia vory tao Jerosalema ny lehilahy rehetra amin'i Jodà sy Benjamina; andro faharoapolon'ny volana fahasivy tamin'izay. Nipetraka teo amin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitra avokoa ny vahoaka rehetra, samy nangovitra noho ity toe-draharaha, sady avy koa ny orana.

10 Dia nitsangana Esdrasa mpisorona, ka nanao tamin'izy ireo hoe: Efa nanota hianareo, fa namponina vehivavy hafa firenena eto aminareo ka nampitombo ny helok'Israely amin'izany hianareo. 11 Koa samia mihaiky heloka eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitry ny razanareo hianareo ankehitriny sy manatanteraka ny sitra-pony ny amin'ny vehivavy hafa firenena. 12 Namaly ny fiangonana rehetra tamin'ny feo avo ka nanao hoe: Adidinay ny manatanteraka ny voalazanao!

13 Fa izao: ny vahoaka ity maro, ny andro manorana; ny mitoetra eto alatrano, tsy azo atao; ny raharaha tsy ho vita indray andro na indroa andro, fa fahotana lehibe no nataonay tamin'izany zavatra izany, 14 ka aoka ny lehibenay no hijanona eto ho solon'ny fiangonana rehetra, dia izay rehetra namponina vehivavy hafa firenena ao aminy, any an-tanànany, no hankaty amin'izay fotoana homena azy, miaraka amin'ny loholona sy ny mpitsara isan-tanàna avy, mandra-pamily hiala amintsika ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitsika, ny amin'io raharaha io. 15 Tsy nisy afa-tsy Jonatàna, zanak'i Azahela, sy Jaasiasa zanak'i Tekoa no hany nanohitra izany hevitra izany; ary Mosolama sy Sebetaì levita koa no niandany taminy. 16 Fa ny zanaky ny fahababoana dia samy nanaraka izany avokoa. Esdrasa mpisorona mbamin'ny lehilahy sasany loham-pianakaviana, araka ny firazanany avy, samy voatonona anarana avokoa, dia nitokana ary nipetraka handinika ny raharaha; andro voalohan'ny volana fahafolo tamin'izay. 17 Ka tamin'ny andro voalohan'ny volana voalohany vao nahavita ny raharaha tamin'ireo lehilahy rehetra namponina tao aminy vehivavy hafa firenena. 18 Tamin'ny taranaky ny mpisorona dia nisy namponina tao aminy vehivavy hafa firenena. Tamin'ny taranak'i Josoe zanak'i Josedeka mbamin'ireo rahalahiny: Maasiasa, Eliezera, Jariba, ary Godoliasa:

19 nametra-teny fa hisaotra ny vadiny izy ireo, dia nihaiky ny hadisoany, ary nanatitra ondralahy iray ho fanonerana ny otany. 20 Tamin'ny taranak'i Emera: Hananì sy Zebediasa. 21 Tamin'ny taranak'i Harima: Maasiasa, Elia, Semeisa, Jehiela ary Oziasa. 22 Tamin'ny taranak'i Fasora: Elioenaì, Maasiasa, Ismaela, Nataneale, Jozabeda ary Elasà. 23 Tamin'ny levita: Jozabeda, Semei, Kelaiasa, Kelità ihany io, Fataiasa, Jodà ary Eliezara. Tamin'ny mpihira: Eliasiba. 24 Tamin'ny mpiandry varavarana: Seloma, Telema ary Orì. 25 Ny tamin'Israely dia izao: Tamin'ny taranak'i Farosa: Remeiasa, Jeziasa, Melkiasa, Miamima, Eliezera, Malkiasa, ary Banaiasa;

26 tamin'ny taranak'i Elama: Metaniasa, Zakaria, Jehiela, Abdì, Jerimota ary Elia; 27 tamin'ny taranak'i Zetoà: Elioenai, Eliasiba, Mataniasa, Jerimota, Zabada, ary Azizà; 28 tamin'ny taranak'i Bebaì: Johanàna, Anania, Zabaì, Atalaì; 29 tamin'ny taranak'i Banì: Mosolama, Melòka, Adaiasa, Jasoba, Saala, ary Ramota; 30 tamin'ny taranak'i Falata-Moaba: Ednà, Kalala, Banaiasa, Maasiasa, Mataniasa, Beseleela, Benoì, ary Manase; 31 tamin'ny taranak'i Harima: Eliezera, Jesiasa, Melkiasa, Semeiasa, Simeona, 32 Benjamina, Meloka, Samariasa; 33 tamin'ny taranak'i Hasoma; Matanaì, Matatà, Zabeda, Elifeleta, Jermaì, Manase, Semeì; 34 tamin'ny taranak'i Banì: Maadì, Amrama, Oela, 35 Banaiasa, Badiasa, Keliao, 36 Vaniasa, Merimota, Eliasiba, 37 Mataniasa, Matanaì, Jasi, 38 Banì, Benoì, Semeì, 39 Salmiasa, Natana, Adaiasa, 40 Meknedebaì, Sisaì, Saraì, 41 Ezrela, Selemiao, Semeriasa, 42 Seloma, Amariasa, Josefa; 43 tamin'ny taranak'i Nebao: Jehiela, Matatiasa, Zabada, Zabinà, Jedao, Joela, ary Banaiasa. 44 Naka vehivavy hafa firenena ho vadiny avokoa ireo lehilahy ireo, sady efa niteraka taminy ny maromaro amin'ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1231