Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Esdrasa

Esdrasa toko 4
Nosakanan'ny fahavalony tsy hanao ny trano ny Jody.

       1Nony ren'ny fahavalon'i Jodà sy Benjamina fa hoe manao tempoly ho an'ny Tompo Andriamanitr'Israely, ny zanaky ny fahababoana, 2dia nanatona an'i Zorobabela sy ny loham-pianakaviana izy, ka nanao taminy hoe: Aoka mba hiara-manao aminareo izahay, fa manaja ny Andriamanitrareo tahaka anareo ihany, sady manatitra sorona ho azy hatramin'ny andron'i Asarhadona mpanjakan'i Asiria, izay nampiakatra anay ho aty. 3Fa namaly azy kosa Zorobabela sy Josoe mbamin'ireo namany loham-pianakavian'Israely nanao hoe: Tsy mety raha izahay sy hianareo no miara-manao ny tranon'Andriamanitray, fa izahay ihany no hanao azy, ho an'ny Tompo Andriamanitr'Israely, araka ny voadidin'ny mpanjaka, dia Sirosa mpanjakan'i Persa. 4Tamin'izay, ny tompon-tany dia nanao izay hampiraviravy tànana ny vahoakan'i Jodà, nampatahotahotra azy amin'ny asany.
       5Ary azony tambim-bola hamely azy aza ny mpanolo-tsaina sasany, mba tsy hahavanona ny asany. Ary izany dia naharitra nandritra ny andron'i Sirosa, mpanjakan'i Persa, ka hatramin'ny andro nanjakan'i Dariosa, mpanjakan'i Persa.
       6Ary tamin'ny andro nanjakan'i Asoerosa, tamin'ny fiandohan'ny fanjakany, dia nanoratra taratasy fitoriana ny mponina tany Jodà sy Jerosalema izy ireo. 7Ary tamin'ny andron'i Artakserksesa, Beselama, Mitridata, Tabeela, mbamin'ireo namany sisa, dia nanaratra ho any amin'i Artakserksesa mpanjakan'i Persa; tarehin-tsoratra arameana no nanoratany ny taratasy, ary nadikany ho fiteny arameana.
       8Rehoma governora sy Samsaì mpanoratra, nanoratra ho any amin'i Artakserksesa, nilaza ny amin'i Jerosalema, ka toy izao no teny ao amin'ny taratasy: 9Rehoma gobernora, Samsaì mpanoratra, mbamin'ny namany sisa, ny avy any Dina, Afarsatàka, Terfala, Afarsà, Erkoà, Babilona, Sosa, Deha, Elama, 10ary ny vahoaka sisa, izay nentin'i Asnafara, lehibe sady malaza, nafindrany sy namponeniny ao an-tanànan'i Samaria sy amin'ny tany sasany aty an-dafin'ny ony, etc.
       11Izao no kopian'ny taratasy nampitondrainy an'i Artakserksesa mpanjaka:
Ny mpanomponao, ny olona aty an-dafin'ny ony, etc.
       12Aoka ho fantatry ny mpanjaka, fa ny Jody avy any aminao, nankaty aminay, dia tonga taty Jerosalema, ka nanamboatra ilay tanàna fikomiana sady ratsy ka efa manao ny mandany sy manamboatra ny fototra izy izao. 13Ary aoka ho fantatry ny mpanjaka, fa raha voamboatra io tanàna io, ka voatsangana ny mandany, dia tsy handoa hetra intsony izy ireo, na haba, na sara, ka dia faty antoka ho an'ny mpanjaka no ho vokatr'izany. 14Noho izahay mihinana ny sira avy any an-dapa anefa, sady heverinay fa tsy mety raha tsiratsiraina eo imasonay ny mpanjaka, dia nandefa ny filazana izany amin'ny mpanjaka izahay. 15Aoka hokarohina ao amin'ny boky tantaran-drazanao, fa ho hitanao ao amin'ny bokin'ny tantara, ary ho fantatrao, fa tanàna fikomiana sy efa namohehatra ny mpanjaka sy faritany maro io tanàna io, sady efa fitrangam-pikomiana hatry ny andro taloha. Ary izany ihany no nandravana io tanàna io. 16Ka nampahalala ny mpanjaka izahay, fa raha voavoatra indray io tanàna io, ka voatsangana ny mandany, dia tsy hanana na inona na inona aty an-dafin'ny ony intsony hianao, amin'izany.
       17Izao no valy nalefan'ny mpanjaka ho an-dRehoma governora, Samsaì mpanoratra, mbamin'ny namany sisa, monina ao Samaria sy amin'ny tanàna hafa any an-dafin'ny ony: Arahaba, etc.
       18Efa voavaky mazava teo anatrehako ny taratasy nampitondrainareo. 19Ary efa nanome didy aho, ka dia efa nokarohina, ary hita fa efa nikomy tamin'ny mpanjaka maro hatrizay ela izay tokoa io tanàna io, sady efa nitrangam-pikomiana amam-piodinana. 20Efa nisy mpanjaka mahery tany Jerosalema, nanapaka ny tany rehetra any an-dafin'ny ony, sady nandoavana hetra, haba, sara. 21Noho izany, didio hatsahatra ny asan'ireo olona ireo, fa tsy haorina indray io tanàna io, raha tsy efa nahazo teny avy aty amiko ny amin'izany. 22Tandremo fandrao manao tsirambina amin'izany hianareo, ka mandroso ny ratsy hahafaty antoka ny mpanjaka.
       23Vantany vao voavaky teo anatrehan-dRehoma, Samsaì mpanoratra, ary ireo namany, ny kopian'ny taratasin'i Artakserksesa mpanjaka, dia nankany amin'ny Jody tany Jerosalema faingana izy, ka nasainy natsahatra an-keriny sy an-ditra ny asa.
       24Ka dia natsahatra ny asa amin'ny tranon'Andriamanitra tao Jerosalema; ary naato teo izy, hatramin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa mpanjakan'i Persa. >