Bokin'i Esdrasa

Toko faha-8

1 Izao no loham-pianakaviana sy filazana ny firazanany, dia ireo niara-niakatra tamiko avy any Babilona, tamin'ny andro nanjakan'i Artakserksesa mpanjaka.

2 Tamin'ny taranak'i Finea, Gersoma; tamin'ny taranak'Itamara, Daniela; tamin'ny taranak'i Davida, Hatosa, 3 izay avy amin'ny taranak'i Sekeniasa; tamin'ny taranak'i Farosa, Zakaria, mbamin'ireo dimampolo amby zato lahy, voasoratra ao amin'ny bokim-pianakaviana izay niaraka taminy. 4 Tamin'ny taranak'i Falata-Moaba, Elioenaì, zanak'i Zarehiasa mbamin'ireo roan-jato lahy izay niaraka taminy; 5 tamin'ny taranak'i Sekeniasa, taranak'i Ezekiela, mbamin'ireo telon-jato lahy izay niaraka taminy; 6 tamin'ny taranak'i Adàna, Abeda zanak'i Jonatàna, mbamin'ireo dimampolo lahy izay niaraka taminy; 7 tamin'ny taranak'i Alama, Izaia, zanak'i Ataliasa mbamin'ireo enimpolo lahy izay niaraka taminy; 8 tamin'ny taranak'i Safatiasa, Zebediasa zanak'i Mikaela, mbamin'ireo valopolo lahy izay niaraka taminy; 9 tamin'ny taranak'i Joaba, Abediasa zanak'i Jehiela mbamin'ireo valo ambin'ny folo amby zato lahy izay niaraka taminy; 10 tamin'ny taranak'i Selomita, zanak'i Josefiasa mbamin'ireo enimpolo amby zato lahy izay niaraka taminy; 11 tamin'ny taranak'i Bebaì, Zakaria zanak'i Bebaì mbamin'ireo valo amby roapolo lahy izay niaraka taminy; 12 tamin'ny taranak'i Azgada, Johanàna zanak'i Eksetana mbamin'ireo folo amby zato lahy niaraka taminy; 13 tamin'ny taranak'i Adonikama, dia farany ireo, ka izao no anarany: Elifeleta, Jehiela, ary Semaiasa, mbamin'ireo enimpolo lahy niaraka taminy; 14 tamin'ny taranak'i Begoaì, Otaì sy Zakora, mbamin'ireo fitopolo lahy niaraka taminy. 15 Novoriko teo amoron'ny ony mankany Ahavà izy ireo, dia nilasy teo hateloana izahay. Nony nandinika ity vahoaka mbamin'ireo mpisorona aho, dia tsy nahita ny taranak'i Levì teo na dia iray aza.

16 Dia nasaiko nantsoina ny loholona, Eliezera, Ariela, Semeiasa, Elnatàna, Jariba; Elnatàna anankiray, Natàna, Zakaria ary Mosolama, mbamin'ireo mpampianatra: Joiariba sy Elnatàna. 17 Nirahiko ho any amin'i Edao loholona, ao amin'ny fitoerana atao hoe Kasfià izy ireo; dia nofahanako teny hambara amin'i Edao, mbamin'ireo Natineana rahalahiny any amin'ny fitoerana atao hoe Kasfià izy, mba hitondrany mankaty aminay izay ho mpandraharaha ao amin'ny tranon'Andriamanitray 18 Ary satria nomba anay ny tanàna manambin'Andriamanitray, dia nentin'izy ireo nankaty aminay, ity lehilahy manan-tsaina anankiray avy amin'ny taranak'i Moholì, zanak'i Levì, zanak'Israely, dia Sarabiasa mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny valo ambin'ny folo lahy; 19 Hasabiasa ary Izaia koa miaraka aminy, avy amin'ny taranak'i Merarì, mbamin'ireo rahalahiny sy zanany roapolo lahy; 20 ary ny avy amin'ny Natineana izay nomen'i Davida sy ny loholona hanompo ny levita, Natineana roapolo sy roan-jato samy voatendry amin'ny anarany. 21 Niantso andro fifadian-kanina aho, teo amoron'ny ony Ahavà teo, hampijalianay tena eo anatrehan'Andriamanitray, hangatahanay aminy mba ho tsara mandroso avokoa, na ny tenanay, na ny zanakay, na ny anananay rehetra.

22 Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila manatitra amam-pitaingin-tsoavaly, tamin'ny mpanjaka, hiaro anay amin'ny fahavalo eny an-dàlana, noho izahay efa niteny tamin'ny mpanjaka nanao hoe: Momba an'izay rehetra mitady azy ny tànan'Andriamanitra, hahasoa azy ireo, fa mahatratra an'izay rehetra mahafoy azy kosa ny heriny sy ny fahatezerany. 23 Noho izany nifady hanina izahay sy nangataka tamin'Andriamanitray, ary nihaino anay izy. 24 Dia nifidy lohan'ny mpisorona roa ambin'ny folo lahy aho; dia Sarabiasa sy Hasabiasa, mbamin'ny folo lahy tamin'ireo rahalahiny;

25 ka nolanjaiko teo anatrehan'izy ireo, ny volafotsy, ny volamena sy ny fanaka, zavatra naterin'ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy aman-dehibe ary ny olon-drehetra amin'Israely vory teo, natokany ho an'ny tranon'Andriamanitra, 26 dia nolanjaiko sady nataoko eo an-tànany, talenta volafotsy dimampolo sy enin-jato, fanaka volafotsy lanjan-talenta zato, talenta volamena zato; 27 kopy volamena roapolo, lanjan-darìka arivo; ary kapoaka varahina manganohano roa, sarobidy toy ny volamena. 28 Ary izao no nolazaiko tamin'izy ireo: Masina eo anatrehan'ny Tompo hianareo, ary ireo fanaka ireo dia zavatra masina; izany volafotsy amana volamena izany, dia fanatitra an-tsitra-po ho an'ny Tompo, Andriamanitry ny razanareo. 29 Koa ambeno amim-pitandremana ireo, mandra-pandanjanareo azy eo anatrehan'ny lohan'ny mpisorona sy ny levita, sy eo anatrehan'ny loham-pianakavian'Israely, any Jerosalema, amin'ny efi-trano eo an-tranon'ny Tompo. 30 Dia noraisin'ireo mpisorona sy levita ny volafotsy amana volamena sy fanaka araka ny lanjany, hoentina ho any Jerosalema, ao an-tranon'Andriamanitsika. 31 Niala teo amin'ny ony Ahavà, tamin'ny andro faharoa ambin'ny folon'ny volana voalohany izahay, ho any Jerosalema. Nomba anay ny tànan'Andriamanitray, ka namonjy anay tamin'ny tànan'ny fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dàlana.

32 Nony tonga tany Jerosalema izahay, dia niala sasatra hateloana. 33 Tamin'ny andro fahaefatra dia nolanjaina tao an-tranon'Andriamanitray ny volafotsy sy volamena mbamin'ny fanaka, ho eo an-tànan'i Merimota, zanak'i Oria, mpisorona; teo aminy koa Eleazara, zanak'i Finea; ary teo amin'izy ireo koa, Jozabada zanak'i Josoe, sy Noadiasa zanak'i Benoì.

34 Dia araka ny isany aman-danjany avokoa izy, ka nalatsaka an-tsoratra tamin'izany andro izany ny tontalin'ny lanjany. 35 Ary nanatitra sorona dorana ho an'Andriamanitr'Israely ny olona avy any amin'ny tany nahavoasesi-tany azy, dia ny zanaky ny fahababoana, ombalahy roa ambin'ny folo ho an'Israely rehetra, ondralahy enina amby sivifolo, zanak'ondry fito amby fitopolo, osilahy roa ambin'ny folo, noho ny ota: natao sorona dorana ho an'ny Tompo izany rehetra izany.

36 Dia natolotr'izy ireo ny governora lehiben'ny mpanjaka mbamin'ny governora any an-dafin'ny ony, ny didin'ny mpanjaka, ka dia niaro ny vahoaka sy ny tranon'Andriamanitra ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0814