Ny Bokin'i Estera

Toko voalohany

1 Tamin'ny andron'i Asoerosa, ilay Asoerosa nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia, tamin'ny faritany fito amby roapolo amby zato,

2 raha ilay nipetraka teo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany iny Asoerosa mpanjaka, tao Sosa, renivohiny, 3 dia nanao fanasana ho an'ny andriandahy amam-pandraharahany rehetra, tamin'ny taona fahatelo nanjakany. Tafavory teo anatrehany avokoa ny lehiben'ny foloalindahin'ny Persa sy ny Meda, ny lehibe sy governora isam-paritany: 4 ary tamin'izay no nanamparany teo anatrehany ny voninahitry ny fanjakany tapitra hoatra sy ny famirapiratry ny fahalehibeazany kanto loatra, nandritra ny andro marobe, dia valopolo amby zato andro. 5 Nony tapitra ireo andro ireo, nanao fanasana naharitra hafitoana ny mpanjaka, tao an-kianjan'ny zaridainan'ny tranon'ny mpanjaka, ho an'ny vahoaka rehetra, izay tao Sosa renivohiny, hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra.

6 Nisy lamba temitra fotsy sy maitso ary manga teo, nifehy teo amin'ny masom-bolafotsy amin'ny kofehy rongony fotsy sy jaky tamin'ny andry marbra; nisy farafara volamena sy volafotsy nalahatra teo amin'ny lampivato porfira, marbra fotsy, hara, ary marbra mainty. 7 Kapoaka volamena samihafa endrika, no nampisotroana ny olona, ary be ny divaim-panjakana naroso, fa malala-tànana ny mpanjaka. 8 Araka ny didy dia samy nisotro tsy nisy nanery ny olona, satria araka ny nandidian'ny mpanjaka ny mpitandrina ny tranony, dia izay sitra-pon'ny olona nasaina tsirairay avy no harahina. 9 Vastì, mpanjakavavy koa, nanao fanasana ho an'ny vehivavy, tao amin'ny tranom-panjakan'i Asoerosa mpanjaka.

10 Tamin'ny andro fahafito, raha ilay faly azon'ny divay iny ny fon'ny mpanjaka, dia nomeny teny izy fito lahy eonoka, Maomàna, Bazatà, Harbonà, Bagatà, Abgatà, Zetara ary Karkasa, izay nanompo teo anatrehan'i Asoerosa, 11 hitondra an'i Vastì, mpanjakavavy voasatroka diadema, ho eo anatrehany mba haneho ny hatsarany amin'ny vahoaka sy ny lehibe, fa tsara tarehy izy. 12 Nolavin'i Vastì mpanjakavavy anefa ny manaiky ny tenin'ny mpanjaka nentin'ny eonoka, ka tezitra mafy sy nirehi-pahatezerana ny mpanjaka. 13 Dia niteny tamin'ireo olon-kendry izay manam-pahaizana ny andro ny mpanjaka, fa toy izany no vanaovana ny raharahan'ny mpanjaka teo anatrehan'izay rehetra mahalala ny lalàna sy ny rariny.

14 Ary ny nanakaiky azy indrindra, dia izy fito lahy, andriandahin'i Persa sy Media, Karsena, Setara, Admatà, Tarsisa, Maresa, Marsanà ary Mamokàna, izay nahita ny tavan'ny mpanjaka, sy nitana ny laharana voalohany teo amin'ny fanjakana. 15 Lalàna inona, hoy izy, no hahàtra amin'i Vastì mpajakavavy, noho ny tsy nanekeny ny didin'i Asoerosa mpanjaka izay nomeny azy tamin'ny alalan'ny eonoka? 16 Dia izao no navalin'i Mamokàna teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny andriandahy: Tsy tamin'ny mpanjaka ihany no nanao ratsy Vastì mpanjakavavy, fa tamin'ny andriandahy rehetra, mbamin'ny vahoaka rehetra, izay eny amin'ny faritanin'Asoerosa mpanjaka rehetra koa. 17 Fa ho fantatry ny vehivavy rehetra izao nataon'ny mpanjakavavy izao, ka hahatonga azy haniratsira ny vadiny isany, hanao hoe: Asoerosa mpanjaka nandidy ny hitondrana an'i Vastì mpanjakavavy ho eo anatrehanay, nefa tsy nankeo izy. 18 Ka hatramin'izao anio izao ihany, ny andriambavin'i Persa sy Media handre izao nataon'ny mpanjakavavy izao, dia hilaza azy amin'ny andriandahin'ny mpanjaka rehetra, ka ho faniratsirana aman-katezerana be no hitranga. 19 Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hisy didim-panjaka, haely hatraiza hatraiza amin'ny anarany, sady hosoratana ao amin'ny lalàn' ny Persa sy ny Meda, tsy ho azo dikaina, milaza fa tsy hiseho eo anatrehan'i Asoerosa mpanjaka intsony Vastì mpanjakavavy, ary ny voninahitra hoe mpanjakavavy dia homen'ny mpanjaka ny vehivavy hafa tsaratsara kokoa noho izy. 20 Fa rahefa tafaely eran'ny fanjakany ny didin'ny mpanjaka, dia samy hanaja ny vadiny avy ny vehivavy rehetra, hatramin'ny lehibe indrindra ka hatramin'ny kely indrindra.

21 Sitraky ny mpanjaka sy ny andriandahy izany hevitra izany, ka dia nanao araka ny tenin'i Mamokàna ny mpanjaka.

22 Nandefa taratasy ho any amin'ny faritaniny rehetra amin'ny fanjakany, nataony araka ny soratry ny isam-paritany avy, sy araka ny fitenin'ny isam-poko avy, nilaza fa ny lehilahy rehetra no tsy maintsy lohany ao an-tranony avy, ary izay fitenin'ny fireneny avy no hitenenany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1817