Ny Bokin'i Estera
Estera toko 12
Mardokea manambara amin'i Asoerosa ny teti-dratsin'ny eonoka roa lahy hamono azy.
1Rahefa izany, nitoetra teo an-dapa Mardokea, niaraka tamin'i Begatana sy Taresa; samy eonokan'ny mpanjaka sy mpiambina ny vavahadin-dapa izy roa lahy. 2Nony hitan'i Mardokea ny hevitr'izy ireo sy takany ny fikasany, fantany fa nikasa hamono an'i Asoerosa mpanjaka izy ireo, ka nandefa filazana izany tamin'ny mpanjaka izy. 3Dia nasainy nampijaliana izy roa lahy eonoka, hilazany ny marina, ary noho ny fieken'ireo dia nalefany hovonoina izy. 4Nasain'ny mpanjaka nosoratana tao amin'ny boky Tantara izany zavatra izany, ary nalatsak'i Mardokea an-tsoratra koa ny fahatsiarovana azy. 5Ny mpanjaka nanapaka fa hanao raharaha ao an-dapa izy sy nanolotra fanomezana ho azy noho ny fiampangany. 6Fa AmanĂ kosa, ilay zanak'i Amadata, avy any Agaga, dia nahazo voninahitra lehibe ao amin'ny mpanjaka, ka nitady hamono an'i Mardokea mbamin'ny fireneny, noho ny amin'izy roa lahy eonokan'ny mpanjaka. >