Ny Bokin'i Estera

Toko faha-14

1 Ny mpanjakavavy Estera koa, nahatsiaro tena ho efa eo am-bavalozan'ny fahafatesana, ka niantso vonjy tamin'ny Tompo.

2 Napetrany ny akanjony kanto indrindra; fitafiam-pahoriana amam-pisaonana no nataony: nohosenany vovoka aman-davenona ny lohany, ho solon'ny zava-manitra sarobidy fanaony; nampijaliany mafy ny tenany, nombotany ny volony ka nataony tototra izany avokoa izao toerana fiaranany amin'ny fifaliana rehetra izao. 3 Dia nanao izao vavaka izao tamin'ny Tompo Andriamanitr'Israely izy: Ry Tompo izay hany Mpanjakanay, vonjeo amin'izao fahaporitako izao aho, izay tsy manam-bonjy afa-tsy hianao, 4 fa ny loza manambana ahy ity, toa voatsapan'ny tanako sahady. 5 Efa reko fahazaza, tao amin'ny fokon'ikaky, fa hianao, ry Tompo, efa nifidy an'Israely tamin'ny firenena rehetra, sy nifidy ny razanay, tamin'ireo iray razana aminy rehetra, ho lovanao mandrakizay, ary efa notanterahinao hanasoavana azy avokoa ny fampanantenanao rehetra. 6 Saingy nanota teo anatrehanao izahay, ka natolotrao ho eo an-tanan'ny fahavalonay, 7 noho izahay nivavaka tamin'ny andriamanitr'izy ireo. Marina hianao, ry Tompo! 8 Ankehitriny anefa, tsy afa-pon'ny manandevo anay amin'ny fanompoana mangidy izy ireo, fa efa nametraka ny tànany teo an-tanan'ireo sampiny indray, 9 nianianany ny hanafoana ny didy naloaky ny vavanao, handringana ny lovanao, hanakombona ny vavan'izay midera anao, ary hamono ny voninahitry ny tempolinao sy ny otelinao, 10 mba hisokafan'ny vavan'ny firenena hidera ny herin'ny sampy sy hankalaza mpanjaka nofo aman-dra mandrakizay. 11 Aza atolotrao an'ireo izay tsinontsinona ny tehim-panjakanao, ry Tompo, mba tsy hihomehezan'izy ireo amin'ny faharavanay, fa atsingereno amin'izy ireo ny hevitra nokasainy, ary mamaiza ho fananarana ny hafa an'ilay nisafoaka voalohany taminay. 12 Tsarovinao izahay, ry Tompo, ataovy manehoneho laza hianao amin'izao andron'ny fahorianay izao, ary omeo hery aho, ry Mpanjakan'ny andriamanitra sy Mpanapaka ny fahefana rehetra! 13 Asio teny malina ao am-bavako, eo anatrehan'ilay liona, ary ovao ny fony hankahala ny fahavalonay, mba hahafaty azy, dia izy mbamin'izay rehetra miray hevitra aminy. 14 Fa izahay kosa dia aoka ny tànanao hanafaka anay, ary ampio aho, amin'izao izaho irery izao, tsy manana an'iza na iza, afa-tsy hianao, ry Tompo! Hianao mahalala ny zavatra rehetra, 15 ka fantatrao fa halako ny famirapiratan'ny ratsy fanahy, ary tsy tiako mainty ny fandrian'ny tsy mifora mbamin'ny hafa firenena rehetra. 16 Fantatrao ny fahavozonana mahazo ahy, ary halako mihitsy ilay mari-pisandratako atao eo an-dohako, amin'ireo andro tsy maintsy hisehoako ho hita; halako toy ny lamba maloto izy, ka tsy mitondra azy aho, amin'ny andro ahazoako mipetraka amin'ny mangingina. 17 Tsy mbola nihinana teo amin'ny latabatr'i Amanà, na oviana na oviana, ny ankizivavinao, na nanao ho zavatra izay fanasan'ny mpanjaka, na nisotro izay divay tamin'ny fanatitra araraka. 18 Na oviana na oviana hatrizay nitondrana ahy nanketo ka mandrak'androany, tsy mba nisy fifaliana nankafizin'ny ankizivavinao, afa-tsy taminao ihany, ry Tompo Andriamanitra, Andriamanitr'i Abrahama! 19 Ry Andriamanitra mahefa noho ny hafa rehetra, henoy ny vavak'izay tsy manan-kantenaina afa-tsy hianao, afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy izahay, ary esory amin'izao tebitebiko izao aho!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0366