Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Bokin'i Estera

Estera toko 15
Famporisihina nataon'i Mardokea tamin'i Estera.

       1Nampitondra teny tamin'i Estera izy mba hidirany ao amin'ny mpanjaka, hanao fangatahana aminy, ho an'ny fireneny sy ny tanindrazany.
       2Tsarovy ny andron'ny fahambanianao, sy ny nameloman'ny tànako anao, fa Amanà, ilay voalohany manarakaraka ny mpanjaka, efa niteny hamely antsika mba handringanana antsika. 3Fa hianao kosa miantsoa ny Tompo, ary mitenena amin'ny mpanjaka ho anay, vonjeo amin'ny fahafatesana izahay.

Ny nisehoan'i Estera teo anatrehan'i Asoerosa.
(Vakina amin'ny fiandohan'ny toko V.)

       4Tamin'ny andro fahatelo, nony tapitra ny fivavahan'i Estera, dia napetrany ny akanjo fivalozany, fa ny fihaingoam-piandrianany no niakanjoany. 5Tao anatin'ny famirapiratan'ny haingony fatratra, nony efa niantso an'Andriamanitra ilay Tompo tokana sy Mpamonjy ny olon-drehetra izy aloha, dia nitondra azy roa vavy mpanaraka azy hiaraka aminy araky ny fomba. 6Niankina tamin'ny anankiray izy hoatra ny ila tsy zakany ny tenany malemy; 7ny iray kosa nanaraka avy ato aoriana, nanainga ny akanjo lavan'ity tompovaviny. 8Voazavan'ny hatsaran-tarehiny mamirapiratra fatratra izy, ka miramirana ny tarehiny, maha-teo ho tia ny endriny, fa ny fony kosa voagejan'ny tahotra.
       9Nony tafahoatra ny vavahady rehetra izy, dia niseho teo anatrehan'ny mpanjaka. Asoerosa izany nipetraka teo amin'ny seza fiandrianam-panjakana, nitafy ny mari-piandrianany rehetra sy rakotra volamena amam-batosoa; nahatahotra ny toetr'endriny. 10Nony nitraka ny lohany mandefa tsirim-boninahitra, dia fijery nirehi-pahatezerana no natopiny, ka torana ny mpanjakavavy, nivaloarika izy, sady nirona nankany amin'ny sorok'ilay ankizivavy nandeha teo alohany. 11Fa novan'Andriamanitra ho halemem-panahy ny hatezeran'ny mpanjaka; velona ahiahy izy dia niantoraka avy amin'ny seza fiandrianany, nanohana an'i Estera tamin'ny sandriny, mandra-pahatsiarony tena, ary nanony ny fivadiham-pony tamin'ny teny maneho fitiavana. 12Fa maninona hianao, ry Estera? hoy izy taminy; anadahinao aho, matokia, 13tsy ho faty hianao, fa ho an'ny be sy ny maro ny didiko. 14Avia! Dia ningainy ny tehim-bolamena, 15natehiny teo amin'ny vozony, sady norohany izy, sy nataony hoe: Mitenena amiko. 16Ary hoy ny navaliny: Toy ny anjelin'Andriamanitra no nahitako anao, tompokolahy, nitebiteby ny foko azon'ny tahotra ny fiandriananao, 17fa mendrika ny higagana hianao, tompokolahy, ary mahate-ho tia ny tarehinao. 18Mbola miteny eo izy, dia nitambotsotra ndeha ho torana indray, 19ka efa kivy ratsy ny mpanjaka, ary nifamonjy namelombelona ny mpanjakavavy ireo mpanompony rehetra. >