Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Bokin'i Estera

Estera toko 4
Fisaonan'i Mardokea - Famporisihany an'i Estera hanatona ny mpanjaka.

       1Nony nandre izany zavatra nitranga izany Mardokea dia nandriatra ny fitafiany, nitafy lamba malailay, nihosin-davenona, nankany afovoan'ny tanàna, nanezaka nidradradradra mafy tamin'alahelo. 2Ary tonga hatrany anoloan'ny vavahadin'ny mpanjaka, fa tsy azon'olona mitafy lamba malailay atao ny miditra ny varavaran'ny mpanjaka. 3Tany amin'ny faritany rehetra nahatongavan'ny teny aman-didin'ny mpanjaka koa, dia velom-pisaonana mafy ny Jody: nifady hanina izy ireo, nitomany, nidradradradra, ary maro aza no nandry tamin'ny lamba malailay aman-davenona.
       4Tonga nilaza izany zava-baovao izany tamin'i Estera ireo ankizivaviny sy eonokany, ka nivadi-po mafy ny mpanjakavavy. Nampanatitra lamba hitafian'i Mardokea izy, mba hanesorany ny lamba malailay teny aminy, kanefa tsy noraisiny izany. 5Ka dia nantsoin'i Estera Atàka, anankiray amin'ny eonoka napetraky ny mpanjaka ao aminy, nasainy nandeha hanontany an'i Mardokea izay anton'izany, sy izay nahatonga izany fisaonana izany. 6Dia lasa Atakà, nankeo amin'i Mardokea izay teo an-kianjan'ny tanàna anoloan'ny vavahadin'ny mpanjaka, 7ary nambaran'i Mardokea taminy avokoa ny zava-nihatra taminy rehetra, sy ny tontalin'ny vola nampanantenain'i Amanà holanjaina hatao ao amin'ny rakitry ny mpanjaka, ho valin'ny famonoana ny Jody. 8Nomeny azy koa ny kopian'ny didy nantsoina tao Sosa handringanana azy ireo, hasehony amin'i Estera sy hampahafantarany azy ny zavatra rehetra, ary nandidiany azy hankao amin'ny mpanjaka, hifona aminy sy hangataka famindram-po ho an'ny fireneny. (Jereo ny famporisihan'i Mardokea an'i Estera amin'ny toko XV, 1-3).
       9Tonga Atakà nanambara tamin'i Estera ny tenin'i Mardokea. 10Fa nasain'i Estera nankany amin'i Mardokea indray Atakà, hilaza hoe: 11Mahalala avokoa ny mpanompon'ny mpanjaka rehetra sy ny vahoaka amin'ny faritaniny, fa raha misy olona mankao amin'ny mpanjaka, ao amin'ny kianja anatiny, na lahy na vavy, nefa tsy nantsoina, dia lalàna tokana manameloka ho faty no hany ahatra aminy, afa-tsy raha toloran'ny mpanjaka ny tehim-bolamenany izy ka mahavelona azy amin'izany. Izaho anefa, telopolo andro izay no tsy nantsoina ho ao amin'ny mpanjaka.
       12Nony efa nambara tamin'i Mardokea ny tenin'i Estera, 13dia izao no nasainy navaly azy: Aza mihevitra anakampo fa ho afaka irery amin'ny Jody rehetra hianao, satria ao an-tranon'ny mpanjaka. 14Ary raha mangina hianao izao, dia hisy vonjy amam-panafahana ho an'ny Jody avy any an-kafa, fa hianao sy ny fianakavian-drainao kosa haringana! Ary iza moa no mahalala fa tsy ho amin'ny andro toy izany no nanandratana anao ho mpanjakavavy?
       15Ka dia izao no nasain'i Estera navaly an'i Mardokea: 16Mandehana vorio ary ny Jody rehetra eto Sosa, ka manaova fifadian-kanina ho ahy hianareo; aza mihinana na misotro mandritra ny hateloana, na andro na alina. Izaho koa hifady hanina miaraka amin'ireo ankizivaviko; rahefa izany dia hiditra ao amin'ny mpanjaka aho, na dia eo aza ny lalàna, ka raha tsy maintsy ho faty aho dia ho faty. 17Dia lasa Mardokea nanao izay rehetra nandidian'i Estera azy.
(Jereo ao amin'ny toko XIII, 8 - XIV, 19, ny fivavahan'i Mardokea sy Estera.) >