Ny Bokin'i Estera
Estera toko 7
Teo amin'ny fanasana, notondroin'i Estera ho mpamadika Amanà, ka nalefa hovonoina teo no ho teo.
1Dia nankao amin'ny fanasan'i Estera ny mpanjaka sy Amanà. 2Tamin'io andro faharoa io, dia hoy indray ny mpanjaka tamin'i Estera tamin'ny fanasan'ny divay: Inona no angatahinao, ry Estera, mpanjakavavy? Fa homena anao izany. Inona no irinao? Fa na dia ny antsasaky ny fanjakana aza, dia ho azonao. 3Ka hoy ny navalin'ny mpanjakavavy, Estera: Raha nahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka ô, ka sitraky ny mpanjaka izany, dia omeo ahy ny aiko, fa izany no angatahiko, sy ny an'ny fireneko, fa izany no iriko. 4Fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haringana, hovonoina, hofoanana. Raha namidy ho andevo sy mpanompo fotsiny izahay dia hangina ihany, fa izao, tsy hahonitra izay faty antoky ny mpanjaka akory ilay mpampahory. 5Dia niteny Asoerosa, mpanjaka, nanao tamin'i Estera mpanjakavavy hoe: Iza moa izany, ary aiza loatra no misy izay olona asesiky ny fony hanao izany? 6Ka hoy ny navalin'i Estera: Ny mpampahory, ny rafilahy, dia Amanà io ratsy fanahy io. Raiki-tahotra teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanjakavavy Amanà. 7Tezitra loatra ny mpanjaka, ka nitsangana niala teo amin'ny fanasan'ny divay ho ao amin'ny zaridainan'ny lapa, fa Amanà kosa nijanona hangataka ny ainy amin'i Estera mpanjakavavy, satria hitany marina fa raha ny amin'ny mpanjaka, dia ny fahaverezany no raikitra.
8Nony niverina avy any amin'ny zaridainan'ny lapa, ho ao an-trano fanasan'ny divay ny mpanjaka, indro Amanà niankohoka teo am-parafara nisy an'i Estera, ka hoy ny mpanjaka: Andray! dia sahy misavika ny mpanjakavavy eto an-tranoko, ato an-dapa ve, ilay ity e? Vantany vao naloaky ny vavan'ny mpanjaka izany teny izany, dia nisy nanarona ny tavan'i Amanà. 9Ary Harbona, anankiray tamin'ny eonoka, nilaza teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Ao an-tranon'i Amanà izao, dia efa mitsangana ilay hazo, dimampolo hakiho ny hahavony, namboarin'i Amanà ho an'i Mardokea, ilay niteny nahasoa ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka: Amanà no ahantony amin'izany! 10Ka dia nahanton'ny olona tamin'ilay hazo namboariny ho an'i Mardokea Amanà. Ary nionona ny hatezeran'ny mpanjaka. >