Ny Bokin'i Estera

Toko faha-8

1 Androtrizay ihany, dia natolotr'i Asoerosa mpanjaka an'i Estera ny tranon'i Amanà, ilay fahavalon'ny Jody, ary niseho teo anatrehan'ny mpanjaka Mardokea, fa efa nampahafantarin'i Estera izay fihavanany aminy.

2 Koa nesorin'ny mpanjaka ny peratra izay efa nalainy tamin'i Amanà, dia nomeny an'i Mardokea, ary Estera nanendry an'i Mardokea hanapaka ny tranon'i Amanà. 3 Rahefa afaka izany, niteny teo anatrehan'ny mpanjaka indray Estera; niantoraka teo an-tongony izy, nihanta taminy tamin-dranomaso, mba hanafoana ny hasomparan'i Amanà, avy amin'ny tanin'i Agaga, sy ny hevitra nataony hamelezana ny Jody.

4 Notoloran'ny mpanjaka ny tehim-bolamena Estera, dia nitsangana sy nijoro teo anatrehan'ny mpanjaka. 5 Raha sitraky ny mpanjaka, hoy izy, raha nahita fitia eo anatrehany aho, raha ataon'ny mpanjaka ho mety izao, ary raha mahita sitraka eo imasony aho, aoka hanoratra hanafoanana ireny taratasy noforonin'i Amanà zanak'i Amadata, avy amin'ny tanin'i Agaga, sy nosoratany hampandringana ny Jody any amin'ny faritanin'ny mpanjaka rehetra. 6 Fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny iray razana amiko? 7 Ka hoy Asoerosa mpanjaka tamin'i Estera mpanjakavavy, sy tamin'i Mardokea Jody: Indro, ny tranon'i Amanà efa nomeko an'i Estera mpanjakavavy, sy tamin'i Mardokea Jody: Indro, ny tranon'i Amanà efa nomeko an'i Estera, ary izy efa nahantona tamin'ny hazo fa naninji-tànana hamely ny Jody. 8 Koa manorata hianareo, amin'ny anaran'ny mpanjaka, araka izay sitrakareo, hamonjy ny Jody, dia tombohy amin'ny peratry ny mpanjaka, fa tsy azo foanana rahefa taratasy nosoratana tamin'ny anaran'ny mpanjaka, sy notombohina tamin'ny peratry ny mpanjaka. 9 Koa nantsoina tamin'izany ny mpanoratry ny mpanjaka, dia tamin'ny andro fahatelo amby roapolon'ny volana fahatelo, izay volana Sivana, dia nosoratana izay rehetra nodidian'i Mardokea ho an'ny Jody, ny solom-panjaka, ny governora, ny lehiben'ny faritany, dia ny faritany fito amby roapolo amby zato, hatrany India ka hatrany Etiopia, natao araky ny soratry ny isam-paritany sy ny fitenin'ny isam-pirenena, ary ny ho an'ny Jody araka ny sorany sy araka ny fiteniny.

10 Ny taratasy dia nosoratana tamin'ny anaran'ny mpanjaka sy notombohina tamin'ny peratry ny mpanjaka. Ny taratasy dia nampitondraina ny tsimandoa an-tsoavaly, mitaingin-tsoavalim-panjakana faingam-pandeha avy amin'ny fiompian-tsoavalin'ny mpanjaka. 11 Amin'izany taratasy izany, ny mpanjaka nanome làlana ny Jody hivory sy hiaro ny ainy, na aiza na aiza tanàna misy azy, ka handringana, hamono, handripaka ny miaramila mbamin'ny vady aman-janany amin'ny isam-pirenena amam-paritany, izay hitsangana hamely azy; ary handroba ny fananany; 12 dia ny hanao izany amin'ny indray andro monja, eran'ny faritanin'i Asoerosa mpanjaka rehetra, dia amin'ny andro fahatelo ambin'ny folon'ny volana faharoa ambin'ny folo, izay volana Adara. (Jereo ny teny ao amin'ny didy ao amin'ny toko XVI, 1-24.) 13 Ny kopia anankiray amin'ny didy izay tsy maintsy havoaka ho lalàna amin'ny isam-paritany dia nalefa misokatra ho an'ny foko rehetra, mba ho voaomana amin'izany andro izany hamaly ny fahavalony ny Jody.

14 Dia nandeha faingana ny tsimandoa, nitaingina ny soavalim-panjakana, araka ny didin'ny mpanjaka. - Ary nantsoina tao Sosa renivohitra koa ny didy. 15 Nivoaka avy ao amin'ny mpanjaka Mardokea, niakanjo akanjo fiandrianana manga sy fotsy, nisatroka satro-boninahitra volamena lehibe, nanao kapaoty rongony fotsy madinika sy jaky; ary naneho ny hafaliany tamin'ny hobin-karavoana ny tanàna Sosa.

16 Ny Jody tamin'izany tsy nahalala afa-tsy hasambarana aman-kafaliana, sy firavoravoana amam-boninahitra. 17 Tany amin'ny isam-paritany sy isan-tanàna nahatongavan'ny teny aman-didin'ny mpanjaka, dia hafaliana amam-piravoravoana, fety amam-panasana, no an'ny Jody. Ary maro ny olona tamin'ny vahoakan'ny tany nilatsaka ho Jody fa nahazo azy ny tahotra ny Jody.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0971