Bokin'i Ezekiela

Toko faha-10

1 Ary nahita aho, ka indro teo ambonin'ilay andohalambo, tambonin'ireo lohan'ny Kerobima, dia nisy hoatra ny vato safira; nisy zavatra mitarehin-tseza fiandrianana no fijery azy, teo ambonin'ireo.

2 Dia hoy izy tamin'ilay lehilahy mitafy rongony fotsy madinika: Mandehana ho ao anelanelan'ny kodiarana, ambanin'ny Kerobima; fenoy vain'afo avy eo anelanelan'ny Kerobima ny tànan-droanao, ka afafazo amin'ny tànana izany. Dia nankao izy teo imasoko. 3 Nijanona teo an-kavanan'ny trano ny Kerobima, raha nankao ilay lehilahy, ka nahafeno ny kianja anatiny ny rahona.

4 Ary ny voninahitry ny Tompo nisondrotra niala teo amin'ny Kerobima nankeo amin'ny tokonam-baravaran-trano; ka feno ilay rahona ny trano; ary feno ny famirapiratan'ny voninahitry ny Tompo ny kianja. 5 Re hatrany amin'ny kianja ivelany, ny fikopakopaky ny elatry ny Kerobima hoatra ny feon'Andriamanitra Tsitoha, raha miteny izy. 6 Nony nandidy an-dralehilahy mitafy rongony fotsy madinika izy, nanao hoe: Makà afo ao anelanelan'ny kodiarana, anelanelan'ny Kerobima, dia nandroso ho eo anilan'ny kodiarana izy. 7 Ary ny Kerobima naninjitra ny tànany eo anelanelan'ny Kerobima ho ao amin'ny afo izay eo anelanelan'ny Kerobima, dia nalainy ka nataony teo an-tanan-dralehilahy mitafy rogony fotsy madinika, izay nandray izany, dia nivoaka. 8 Fa nisy endri-tànan'olona, hita teo ambany elatr'ireo Kerobima.

9 Ary nahita aho, ka indreo, nisy kodiarana efatra, teo anilan'ireo Kerobima, kodiarana iray avy no teo anilan'ny isan-Kerobima; ary ny endriky ny kodiarana dia toy ny an'ny vaton'i Tarsisa.

10 Ary araka ny fijery azy ireo, dia sahala izy efatra; dia hoatra ny kodiarana itsofohan'ny kodiarana eo afovoany. 11 Raha mandeha izy, dia mizotra tandrifin'ny lafiny efatra, tsy miherika eny am-pandehanany, fa izay fitoerana itodihan'ny lohany no alehany, tsy miherika eny am-pandehanany. 12 Ary feno maso avokoa ny manodidina ny tenan'ny Kerobima, ny lamosiny, ny tànany, ny elany, mbamin'ny kodiarana; samy nanana ny kodiarany avy izy efatra. 13 Ny kodiarana dia mailaka no anarana fiantsoana azy. 14 Isan-Kerobima samy nanan-tarehy efatra avy: ny tarehin'ny voalohany, tarehin-Kerobima, ny tarehin'ny faharoa, tarehin'olona; ny an'ny fahatelo, tarehin'ombalahy; ary ny an'ny fahefatra, tarehim-boromahery. 15 Dia niakatra ny Kerobima, dia izany no ilay zava-manan'aina hitako tany amin'ny ony Kobara. 16 Raha nandeha ny Kerobima, nandeha teo anilany koa ny kodiarana, ary raha nanainga elatra hisondrotra avy amin'ny tany ny Kerobima, dia tsy nivily koa ireo kodiarana; tsy niala teo anilan'ireo. 17 Raha nijanona izy, nijanona koa ireo; raha nisondrotra izy, niara-nisondrotra taminy koa ireo; satria tao amin'izy ireo ny Fanahin'ny zava-manan'aina. 18 Niala teo ambonin'ny tokonam-baravaran'ny trano, ny voninahitry ny Tompo, dia nijanona teo ambonin'ny Kerobima.

19 Nanainga elatra ny Kerobima sy nisondrotra avy amin'ny tany teo imasoko, ary nony niainga izy, niaraka taminy ny kodiarana. Nijanona teo anoloan'ny vavahady atsinanana amin'ny tranon'ny Tompo izy ireo; ary ny voninahitry ny Andriamanitr'Israely dia teo aminy, teo amboniny. 20 Izany no ilay zava-manan'aina hitako teo ambanin'Andriamanitr'Israely, teo amin'ny ony Kobara; ary nahalala aho fa Kerobima izany.

21 Samy nanan-tarehy efatra, ary samy nanana elatra efatra avy izy; ary nisy endri-tanan'olona, teo ambany elany. 22 Ary ny amin'ny fijery ny tavany dia ireo tava hitako teo amoron'ny ony Kobara ihany; sahala ny fijery azy; tena ilay tany ihany izany. Samy nandeha tamin'izay hitsiny avy izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0368