Bokin'i Ezekiela

Toko faha-12

1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, manao hoe:

2 Ry zanak'olona, hianao monina eto amin'ny taranaka miodina, izay mana-maso hahitana, fa tsy mahita; manan-tsofina handrenesana, fa tsy mandre; satria taranaka miodina izy ireo. 3 Koa mifeheza entana hianao, ry zanak'olona, hoatra ny hifindra tany fonenana; dia miaingà hifindra antoandro eo imason'izy ireo; mifindrà eo imasony avy eo amin'izay itoeranao, ho any amin'ny fitoeran-kafa; angamba ho hitany amin'izany, fa taranaka miodina izy. 4 Avoahy antoandro eo imasony ny entanao, hoatra ny entan'ny mifindra tany honenana; ary miaingà hariva eo imasony, hianao, hoatra ny fiaingan'ny olona mifindra tany honenana. 5 Gorobahy eo imasony ny manda, dia avoahy eo ny entanao; 6 ataovy an-tsoroka eo imasony izany dia ento rahefa ilay maizimaizina iny; sarony ny tavanao, ataovy amin'izay tsy hahitanao ny tany; satria efa nataoko famantarana ho an'ny taranak'Israely hianao. 7 Dia nataoko izay, araka izay nandidiana ahy: navoakako antoandro ny entako, hoatra ny entan'ny mifindra tany honenana; nogorobahako tamin'ny tànako ny manda nony hariva; navoakako ny entana rahefa ilay maizimaizina iny dia nolanjaiko teo imason'izy ireo. 8 Nony maraina, tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

9 Ry zanak'olona, moa ny taranak'Israely, izay taranaka miodina, tsy nilaza taminao va, nanao hoe: Inona ity ataonao? Lazao aminy hoe: 10 Izao no lazain'ny Tompo Tompo: Ity teny faminaniana ity, dia ho an'ny andriana ao Jerosalema, mbamin'ny taranak'Israely rehetra, ao amin'izany tanàna izany.

11 Lazao hoe: Famantarana ho anareo, aho; tahaka izay nataoko, no hatao amin'izy ireo; hasesi-tany izy, ho any amin'ny fahababoana.

12 Ny andriana eo aminy, hanao an-tsoroka ny entany, rahefa ilay maizimaizina iny, dia hiainga; hogorobahan'ny olona ny manda, hamoahana azy; hosaronany ny tavany, ka tsy hahita maso ny tany izy.

13 Hamela-pandrika harato aminy aho, ka ho voan'ny fandrika izy; hoentiko any Babilona izy, any amin'ny tanin'ny Kaldeana; nefa tsy hahita izany izy, ary ho faty any.

14 Izay rehetra manotrona azy, ny mpanampy azy, ny miaramilany rehetra, dia haeliko any amin'ny vazan-tany rehetra, sady henjehiko amin'ny sabatra voatsoaka.

15 Dia ho fantany fa Iaveh aho, rahefa naeliko any amin'ny firenena izy, sy nahahako any amin'ny tany hafa.

16 Hisy olona vitsivitsy amin'izy ireo anefa, havelako, ho afaka amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta, mba hitantara ny fahavetavetana nataony, any amin'ny firenena halehany any, dia ho fantany fa Iaveh aho.

17 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

18 Ry zanak'olona, hihinana amin-korohoro ny haninao hianao, ary hisotro amin-tebiteby sy amin'ahiahy ny ranonao.

19 Ary hilaza amin'ny vahoakan'ny tany hianao hanao hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh ny amin'ny mponina ao Jerosalema, ny amin'ny tanin'Israely: Amin'ahiahy no hihinanan'izy ireo ny haniny, ary amim-pahoriana no hisotroany ny ranony, fa hofoanana tsy hisy izay rehetra ao amin'ny tany, noho ny fampahoriana afitsok'izay rehetra monina eo aminy.

20 Ny tanàna nonenana ho lao; ny tany, ho foana; dia ho fantatrareo fa Iaveh aho.

21 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

22 Ry zanak'olona, inona ity fitenenana ataonareo fiteny eo amin'ny tanin'Israely hoe: Mihalava ny andro; tsy misy tanteraka ny fahitana rehetra?

23 Koa lazao amin'izy ireo hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Hatsahatro izany fitenenana izany, ka tsy hotononina eo amin'Israely intsony izany. Fa izao kosa no lazao amin'izy ireo: Antomotra ny fotoana; mbamin'ny fahatanterahan'ny tenin'ny fahitana rehetra.

24 Fa tsy hisy intsony ny fahitana fitaka, na ny faminaniana sandoka, eo amin'ny taranak'Israely.

25 Fa izaho Iaveh, hiteny, ary ny teny holazaiko, ho tanteraka; tsy hanaovana ampitso lava. Eny, amin'izao andronareo izao, ry taranaka miodina, no hilazako ny teny, sy hanatanterahako azy. - Teny marin'ny Tompo Iaveh.

26 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

27 Ry zanak'olona, indro ny taranak'Israely manao hoe: Ny fahitana izay hitan'ilay io mbola ho amin'ny andro lavitra, ary ho amin'ny fotoana mbola ho ela no aminaniany.

28 Koa lazao amin'izy ireo hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Tsy hisy hahemotra intsony ny teniko; fa efa ho tanteraka ny teny ataoko. - Teny marin'ny Tompo Iaveh.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1413