Bokin'i Ezekiela
Ezekiela toko 15
Israely, voaloboka tsy mahavokatra.
1Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:
2Ry zanak'olona,
Inona no ihoaran'ny tahom-boaloboka,
noho ny tahon'ny hazo hafa rehetra,
noho ny rantsan-kazo
izay isan'ireo hazo any an'ala?
3Moa mba fangalan-kazo,
hanaovan-javatra va izy?
Na mba fangalana hombo
hanantonan-javatra akory?
4Atao ao anaty afo izy, holevoniny,
dia levon'ny afo ny laniny roa;
may koa ny tenantenany;
ka azo atao inona indray izy?
5Fony mbola tsy nahafahana aza izy,
tsy azo nanaovana na inona na inona;
ka mainka rahefa kila sy main'ny afo,
ho azo atao inona intsony?
6Ka izao no lazain'ny Tompo Iaveh:
toy ny tahom-boaloboka any amin'ny hazo an'ala,
izay hazo atolotro holevon'ny afo,
no hanolorako ny mponina ao Jerosalema.
7Hitodika hanandrina azy ny tavako;
afa-nandositra ny afo izy, nefa ho levon'ny afo ihany indray;
dia ho fantatrareo fa Iaveh aho,
rahefa atodiko hanandrina azy ireo ny tavako.
8Ary ataoko zary efitra ny tany,
noho izy ireo nivadika;
- teny marin'ny Tompo Tompo. >