Bokin'i Ezekiela

Toko faha-17

1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, manaova fampanonona ary milazà fanoharana amin'ny taranak'Israely; milazà hoe:

3 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Tonga tao Libàna ny voromahery lehibe, manana elatra lehibe, ka malalaka be ny fivelatry ny elany, ary rakotra volo samihafa soratra izy, ka nalainy ny tendron'ny sedera.

4 Notsoahany ny rantsany avo indrindra, nentiny ho any amin'ny tany Kanaana anankiray, nataony tao an-tanànan'ny mpandranto anankiray. 5 Rahefa izany dia nangalany koa ny zava-maniry tamin'ny tany nataony teo amin'ny tany lonaka, nataony teo amoron'ny rano be, namboleny toy ny famboly hazomalahelo. 6 Naniry io, tonga foto-boaloboka nisandrahaka, ivaiva ihany, nitodika nankany amin'ilay voromahery ny rantsany, ary tao ambaniny koa ny fakany; tonga voaloboka izy, ka sady nanaroka no nandrantsana. 7 Nisy voromahery makadiry hafa koa, sady be elatra no matevim-bolo; ary indro fa ity voaloboka dia maimay handefa ny fakany mankany aminy, ary nanatsotra ny rantsany mankany aminy, avy eo amin'ny kisahasaha nambolena azy, mba hotondrahany.

8 Ny nambolena azy dia teo amin'ny tany tsara, amoron'ny rano be, mba handravina sy hamoa izy, ary ho tonga voaloboka tsara indrindra. 9 Lazao hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Ho vanona va izy? Tsy hongotana va ny fakany, ka hahintsana koa ny voany, mba hahamaina azy? Halazo ny raviny tanora rehetra nitsimoka taminy. Tsy ilàna sandry mahery na olona maro akory ny hamongotra azy amin'ny fakany. 10 Efa voavoly izy, fa moa ho vanona va? Tsy halazo va izy, raha vao tsofin'ny rivotra avy atsinanana? Halazo eo amin'ny kisahasaha naniriany izy. 11 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe: Lazao amin'ny taranaka miodina hoe:

12 Tsy fantatreo va ny hevitr'izany? Lazao hoe: Indro, tonga tany Jerosalema ny mpanjakan'i Babilona, ka naka ny mpanjakany amam-panapaka tao, dia nitondra azy ho any aminy any Babilona. 13 Rahefa izany dia naka ny anankiray tamin'ny taranak'andriana izy, ka nanao fanekena taminy sy nampianiana azy. 14 Ny lehilahy mahery amin'ny tany dia efa nalainy hietren'ny fanjakana, tsy ho afa-miarina, ary hitana ny fanekeny mba haharitra. 15 Niodina tamin'io anefa izy, fa nandefa iraka tany Ejipta mba hanome soavaly sy olona maro azy. Ka hahomby va izy? Ho afa-mandositra va, izay nanao izany? Nivadi-panekena izy, ka ho afa-mandositra ve! 16 Velona aho, - teny marin'ny Tompo Iaveh: dia any amin'ny tanànan'ilay mpanjaka nampanjaka azy nanamavoany ny fihavanany, nivadihany fanekena, any amin'io any Babilona no hahafatesany. 17 Ary rahefa avy ny ady, ka hanandratana tovon-tany sy hanorenana manda handringanana olona maro dia tsy hiasa hanampy azy amin'ny tafika lehibe sy vahoaka maro Faraona. 18 Nanamavo ny fianianana izy, tamin'ny nivadihany ny fanekena, nefa efa nanolo-tànana; efa nanao izany rehetra izany izy, ka tsy ho afa-mandositra. 19 Ka izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Velona aho, dia ny fianianana tamiko no nohamavoiny ary ny fanekeko no nivadihany, ka hantsingeriko eo an-dohany izany.

20 Hovelariko eo amboniny ny fandrika haratoko, ka ho voa ao amin'ny haratoko izy; hoentiko any Babilona izy, ka hotsaraiko any, noho ny nivadihany fitokiana tamiko. 21 Ny mpandositra rehetra tamin'ny miaramilany rehetra ho lavon'ny sabatra; ary ny sisa kosa, haely amin'ny vazan-tany rehetra; dia ho fantatrareo fa izaho Iaveh no niteny. 22 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Hangalako ny tendron'ny sedera avo, ka hamboleko; holaingosako ny sampany milenodenoka amin'ny loha rantsany, ka hamboleko eo an-tampon'ny tendrombohitra avo sy manerinerina.

23 Eo amin'ny tendrombohitra avon'Israely no hamboleko azy; handrantsana sy hamoa izy, ary ho tonga sedera mahatalanjona honenan'izao fody amam-boromadinika rehetra izao eo amboniny, honenan'ny vorona rehetra eo amin'ny alokaloky ny rantsany. 24 Ary ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha, fa izaho Iaveh efa nanetry ny hazo avo, ary nanandratra ny hazo voaetry; nahamaina ny hazo maitso, ary nahamaitso ny hazo maina. Izaho Iaveh, no niteny, ary Izaho no hanatanteraka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1164