Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Ezekiela

Ezekiela toko 17, 22-24.

       <22Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Hangalako ny tendron'ny sedera avo, ka hamboleko; holaingosako ny sampany milenodenoka amin'ny loha rantsany, ka hamboleko eo an-tampon'ny tendrombohitra avo sy manerinerina. 23Eo amin'ny tendrombohitra avon'Israely no hamboleko azy; handrantsana sy hamoa izy, ary ho tonga sedera mahatalanjona honenan'izao fody amam-boromadinika rehetra izao eo amboniny, honenan'ny vorona rehetra eo amin'ny alokaloky ny rantsany. 24Ary ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha, fa izaho Iaveh efa nanetry ny hazo avo, ary nanandratra ny hazo voaetry; nahamaina ny hazo maitso, ary nahamaitso ny hazo maina. Izaho Iaveh, no niteny, ary Izaho no hanatanteraka. >