Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Ezekiela

Ezekiela toko 18, 25-28

       <25Hianareo manao hoe: Tsy marina ny làlan'ny Tompo! Mihainoa àry, ry taranak'Israely: Moa ny làlako va no tsy mahitsy? Moa tsy ny làlanareo va no tsy mahitsy? 26Raha miala amin'ny fahamarinany ny marina ka manao ny tsy marina ary maty amin'izany, dia noho ny tsy marina nataony no ahafatesany. 27Fa raha miala amin'ny haratsiana nataony kosa ny ratsy fanahy, ka manaraka ny hitsiny sy ny rariny amin'ny ataony, dia hamelona ny fanahiny izy. 28Raha sokafany ny masony, ka miala amin'ny fahadisoana rehetra nataony izy, dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty. >