Bokin'i Ezekiela

Toko faha-2

1 Dia hoy izy tamiko nanao hoe: Mitsangana, ry zanak'olona, fa hiteny aminao aho.

2 Ary raha niteny tamiko izy, dia niditra tato anatiko ny Fanahy, sady nampitsangana ahy, ka nandre an'Ilay niteny tamiko aho. 3 Hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, indro hianao irahiko, ho any amin'ny zanak'Israely, ho any amin'ireo vahoaka mpiodina izay niodina tamiko; fa efa nanota tamiko, mandrak'androany aza, ireo sy ny razany. 4 Ireo zanaka manao tarehy tsy mahalala menatra sy mafy fo ireo no anirahako anao. Izao no holazainao aminy: Izao no tenin'ny Tompo, Tompo. 5 Ka na nihaino izy ireo, na tsy nihaino, - fa taranaka mpiodina izy - dia nahalala fa efa nisy mpaminany teo aminy. 6 Ary hianao, aza matahotra azy, ry zanak'olona, na matahotra izay teniny; fa miaraka amin'ny hery aman-tsilo hianao, sy miara-mitoetra amin'ny maingoka. Aza matahotra izay teniny, na mivadi-po noho ny tarehany, fa taranaka mpiodina izy. 7 Lazao aminy ihany ny teniko, na hihaino izy na tsy hihaino; fa mpiodina izy ireo. 8 Ary hianao, ry zanak'olona, henoy izao lazaiko aminao izao: Aza miodina tahaka izany taranaka miodina izany. Sokafy ny vavanao, ka hano izay omeko anao.

9 Dia nojereko, ka indro nisy tànana natsotra nankatý amiko, ary indro fa nitana horonan-taratasy.

10 Novelariny teo anoloako io, ka voasoratra ny tao anatiny sy ny teo ivelany; ary hira fisaonana amam-pitomaniana sy fitarainana no voasoratra teo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1415