Bokin'i Ezekiela

Toko faha-20

1 Tamin'ny taona fahafito, volana fahadimy, andro fahafolon'ny volana, tonga tao amiko, mba hanontany amin'ny Tompo, ny sasany amin'ny loholon'Israely, ka nipetraka teo anatrehako;

2 dia tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe: 3 Ry zanak'olona, mitenena amin'ireo loholon'Israely ireo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Hanontany amiko va no nahatongavanareo? Velona aho, ka tsy hety hanontanianareo - teny marin'ny Tompo Iaveh.

4 Hotsarainao va ireo, hotsarainao va ireo, ry zanak'olona? Ampahalalao azy ireo, ny fahavetavetan'ny razany; 5 ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Tamin'ny andro nifidianako an'Israely sy nananganako tanana homba ny taranak'i Jakoba, sy nanaovako izay hahalalany ahy tany amin'ny tany Ejipta, ary nananganako tànana homba azy ireo, nanao hoe: Izaho no Iaveh Andriamanitrareo; 6 tamin'izany andro izany, nanangan-tànana homba azy ireo aho, nianiana fa hitondra azy mivoaka avy any amin'ny tany Ejipta, ho any amin'ny tany tondra-dronono aman-tantely izay tsara indrindra amin'ny tany rehetra sady efa nozahako ho azy ireo. 7 Ary hoy aho tamin'izy ireo: Samia hianareo manary ny sampin-doza tsy ho eo anatrehany; aza mandoto tena amin'ny fahavetavetan'i Ejipta; Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. 8 Niodina tamiko anefa izy ireo, fa tsy nety nihaino ahy. Izy ireo tsy mba samy nanary ny sampiny tsy ho eo anatrehany, na niala tamin'ny fahavetavetan'i Ejipta. Nihevitra ny handatsaka ny fahavinirako tamin'izy ireo aho, sy hanarana ny hatezerako taminy, tany amin'ny tany Ejipta. 9 Nefa nanao ny ataoko aho, noho ny anarako, mba tsy ho voavetaveta izany eo imason'ireo firenena nitoerany; sady teo imason'ireo koa no nanaovako izay hahafantarany ahy, hitondrako azy hivoaka ny tany Ejipta. 10 Nentiko nivoaka ny tany Ejipta izy, ary notarihiko ho any an'efitra.

11 Nomeko azy ny didiko, nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay ahaveloman'ny olona manaraka azy. 12 Nomeko azy koa ny sabatako ho famantarana amiko sy amin'izy ireo, mba hahalalany fa izaho no Iaveh manamasina azy. 13 Nivadika tamiko anefa ny taranak'Israely, tany an'efitra, tsy nanaraka ny lalàko izy, sady nanary ny didiko, izay ahaveloman'ny olona manaraka azy, ary nametaveta izaitsizy ny sabatako. 14 Nefa nanao ny ataoko aho noho ny anarako mba tsy ho voavetaveta izany eo imason'ireo firenena, izay nahita ny nitondrako azy nivoaka ny tany Ejipta. 15 Efa nanainga ny tanako hamely azy aho tany an'efitra, nianiana tamin'izy ireo fa tsy hampiditra azy any amin'ny tany tondra-dronono aman-tantely, efa natolotro azy, - sady tsara indrindra amin'ny tany rehetra, - 16 noho izy ireo nanary ny didiko, tsy nanaraka ny lalàko, sy nametaveta ny sabatako; fa nanaraka ny sampin-dozany ny fon'izy ireo. 17 Nefa niantra tsy te-handringana azy ny masoko,ka dia tsy nolevoniko tany an'efitra izy ireo. 18 Hoy aho tamin'ny zanak'izy ireo tany an'efitra: Aoka hianareo tsy hanaraka ny fomban-drazanareo, na hitandrina ny fanaony, na handoto tena amin'ny sampin-dozany.

19 Fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo: araho ny didiko; tandremo ny fitsipiko, ka tanteraho; 20 ary ankamasino ny sabatako; ho famantarana amiko sy aminareo, mba hahalalanareo fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo. 21 Niodina tamiko koa anefa ireo zanany, fa ny didiko tsy narahany, tsy notandremany tamin'ny fanatanterahana azy. Ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manaraka azy, ary ny sabatako, notevatevainy. Nihevitra ny handatsaka ny hatezerako tamin'izy ireo aho, sy hanarana ny hatezerako taminy, tany an'efitra. 22 Nefa naviliko ny tànako, nanao ny ataoko noho ny anarako, mba tsy ho voatevateva izany eo imason'ireo firenena, izay nahita ny nitondrako azy nivoaka. 23 Efa nanainga ny tànako hamely azy aza aho tany an'efitra, nianiana tamin'izy ireo fa hampiparitaka azy amin'ny firenena, ary hampiely azy any amin'ny tany samihafa, 24 noho izy ireo tsy nanaraka ny fitsipiko, nanary ny lalàko, nanevateva ny sabatako, nanara-maso ny sampin-dozan'ny razany. 25 Ary nomeko azy aza izay lalàna tsy tsara, aman-didy tsy mety ahavelomany; 26 sady nolotoiko tamin'ny fanatiny, tamin'ny nampandehanany ny voalohan-terany rehetra hamaky ny afo, ary izany no nataoko dia ny mba handringana azy, ka hahalalany fa izaho no Iaveh. 27 Koa mitenena amin'ny taranak'Israely, ry zanak'olona, lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Tamin'izao koa no nanamavoan'ny razanareo ahy, fa nivadihany tamiko.

28 Nony efa tafiditra teo amin'ny tany nianianako sady nananganako tanàna homena azy izy ireo, rahefa mety ho havoana milangalanga sy hazo mikirindro hitany koa, dia nanolorany ny sorony sy nanaterany ireo fanatiny nampahatezitra ahy; nentiny teny koa ny zava-manitra mamerovero mahafinaritra, sady nararany teny ny fanatitra araraka. 29 Ka hoy aho tamin'izy ireo: Inona ange ny fitoerana avo alehanareo? Dia natao hoe fitoerana avo mandrak'androany no anarany. 30 Koa lazao amin'ny taranak'Israely hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Adre! mandoto tena araka ny fanaon'ny razanareo hianareo; ary mitolo-tena hanaraka ny fahavetavetany hianareo.

31 Mandoto tena amin'ny sampin-dozanareo rehetra mandrak'androany hianareo, amin'ny anateranareo ny fanatitrareo sy ampandehananareo ny zanakareo hamaky ny afo; ka izaho ve dia hety hanontanianareo ihany, ry zanak'Israely? Velona aho - teny marin'ny Tompo Iaveh: tsy hety hanontanianareo aho. 32 Ary tsy ho tanteraka akory ny hevitra mby ao an-tsainareo manao hoe: Ho tahaka ny firenena izahay, ho tahaka ny fokontany hafa manompo hazo amam-bato izahay. 33 Velona aho, - teny marin'ny Tompo Iaveh: tànana mahery aman-tsandry ahinjitra ary hatezerana amparina, no hanjakako aminareo. 34 Hoentiko mivoaka avy amin'ireo firenena hianareo; dia hovoriko avy any amin'ny tany nampielezana anareo, amin'ny tànana mahery aman-tsandry ahinjitra, ary hatezerana amparina. 35 Hoentiko ho any an'efitry ny firenena hianareo, dia any no hifandaharako aminareo mifanatrika. 36 Tahaka ny nifandaharako tamin'ny razanareo tany an'efitry ny tany Ejipta, no hifandaharako aminareo, - teny marin'ny Tompo Iaveh. 37 Hampandehaniko eo ambany tehim-piandry ondry hianareo; ary hampanekeko ny fitsipiky ny fanekena hianareo. 38 Havahako hiala aminareo ireo mpiodina, sy ireo niendaka tamiko; hotsoahako avy any amin'ny tany nivahiniany ihany izy, nefa tsy mba ho tonga any amin'ny tanin'Israely; dia ho fantatrareo fa Iaveh aho. 39 Ary ny aminareo, ry taranak'Israely, izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Samia mandeha manompo ny sampinareo avy! Any aorian'izany anefa, hihaino ahy tokoa hianareo, ka tsy hanevateva ny anarako masina amin'ny fanatitrareo amam-tsampin-dozanareo intsony. 40 Fa any an-tendrombohitro masina, any an-tendrombohitra avon'Israely - teny marin'ny Tompo Iaveh - hanompo ahy avokoa ny taranak'Israely rehetra, izay rehetra amin'ny tany. Any aho no hankasitraka azy ireo; any no hilàko ny fanatitrareo, mbamin'ny santatry ny fanomezanareo, amin'izay rehetra atokanareo ho ahy. 41 Hianareo ankasitrahako toy ny hanitra misy fofona mahafinaritra, rahefa nentiko nivoaka avy any amin'ny firenena sy novoriko avy any amin'ny tany nanelezana anareo; ary hianareo no hanamasinako ny tenako eo imason'ny firenena. 42 Ary ho fantatrareo fa Iaveh aho, rahefa tongako any amin'ny tanin'Israely hianareo, dia any amin'ny tany efa nananganako tanàna homena ny razanareo. 43 Ho tsaroanareo, rahefa mby any, ny lalànareo mbamin'ny heloka rehetra nandotoanareo tena, ka haharikoriko anareo ny tenanareo, noho ny ratsy rehetra vitanareo. 44 Ary ho fantatreo fa Iaveh aho, rahefa hanao ny ataoko aminareo aho noho ny anarako, fa tsy araka ny làlan-dratsinareo, na ny helokareo maharikoriko, ry taranak'Israely, - teny marin'ny Tompo Iaveh.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1755