Bokin'i Ezekiela

Toko faha-21

1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, atodiho mankany Temana ny tavanao; ataovy mijojo mankany atsimo ny teninao, ary manaova faminaniana manohitra ny alan'ny tany atsimo,

3 lazao amin'ny ala atsimo hoe: Henoy ny tenin'ny Tompo! Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro aho handrehitra afo eo afovoanao, ary dia handevona ny hazo maitso rehetra eo aminao, mbamin'ny hazo maina rehetra: tsy ho faty ny lelafo mahamay, ka ho levona avokoa izay rehetra eo amin'ny vohon'ny tany, hatrany atsimo ka hatrany avaratra.

4 Dia ho fantatry ny nofo rehetra fa izaho Iaveh no nandrehitra izany, ka tsy ho faty izy.

5 Ary hoy aho: Indrisy, ry Tompo Iaveh ô, hoy ny filazan'izy ireo ahy: Tsy manao fanoharana va izy?

6 Dia tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe: 7 Ry zanak'olona, atodiho mankany Jerosalema ny tànanao; ary ataovy mijojo mankamin'ny fitoerana masina ny teninao; ary manaova faminaniana manohitra ny tanin'Israely;

8 lazao amin'ny tanin'Israely hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Indro aho tonga ho aty aminao; hotsoahako amin'ny tranony ny sabatro, ka haringako ny marina sy ny meloka eo aminao.

9 Ary satria handringana ny marina sy ny meloka eo aminao aho, noho izany dia hitsoaka avy amin'ny tranony ny sabatro hamely ny nofo rehetra, hatrany atsimo ka hatrany avaratra.

10 Dia ho fantatry ny nofo rehetra fa izaho Iaveh no nanatsoaka ny sabatro tamin'ny tranony; ka tsy hiditra ao intsony izy.

11 Ary hianao, ry zanak'olona, midridridridria; mandra-pahatapa-balahana anao amim-pangidiana, midridridridria eo imasony.

12 Ary rahefa hilaza aminao izy ireo hanao hoe; Nahoana no midridridridry hianao: Valio hoe: Noho ny zava-baovao ho avy; fa hivarahontsana ny fo rehetra; hiraviravy ny tanana rehetra; ho velon'ahiahy ny saina rehetra; hilefaka toy ny rano, ny lohalika rehetra. Indro, avy izany, ka efa tanteraka, - teny marin'ny Tompo Iaveh.

13 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

14 Ry zanak'olona, maminania ka ataovy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Lazao hoe: Ny sabatra, ny sabatra efa voaranitra sady voafotsy: 15 Voaranitra izy, handringanana; voafotsy izy, mba handefa tselatra manjopelaka. Sa hifaly va isika, hanao hoe: Vingavingain'ny tehim-panjakan'ny zanako, ny hazo rehetra?

16 Nomena hofotsiana izy, mba horaisin-tànana; sabatra voaranitra izany, sabatra voafotsy izany, mba hatolotra eo an-tànan'ny mpamono.

17 Mikiakiaha sy midradradradrà, ry zanak'olona, fa ho amin'ny vahoakako izany sabatra izany, ho amin'ny lehibe rehetra, eo amin'Israely. Voatolotra ho an'ny sabatra izy ireo, mbamin'ny vahoakako; koa dony ny fenao.

18 Fa efa vita ny fizahan-toetra; ka ahoana indray? Na mbola mamingavinga ihany aza izany tehim-panjakana izany, koa tsy hahatanterahan'ny fandrahonako va izany? - teny marin'ny Tompo Iaveh!

19 Ary maminania hianao, ry zanak'olona, ka mitehafa tànana: Aoka ho avo roa heny, telo heny aza, ny famelezan'ny sabatra! Dia ny sabatra famonoana, ny sabatra famonoam-be no manodidina azy.

20 Mba hahareraka ny fo, sy hahamaro ny hovonoina, dia ny vavahady rehetra no nametrahako ny sabatra mamono.

21 Hodin-kavanana! Hodin-kavia! Atrika, atsy, arý!

22 Izaho koa, hiteha-tànana, sy hanarana ny hatezerako. Izaho Iaveh, no efa niteny.

23 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

24 Manorita hianao, làlan-droa halehan'ny sabatry ny mpanjakan'i Babilona, ry zanak'olona; ataovy avy amin'ny tany iray ihany izy roa ireo; ary manoritra famantarana, ka eo an-dohan'ny làlan'ny tanàna anankiray no sorito izany.

25 Manorita làlana halehan'ny sabatra ho any Rabata, renivohitry ny taranak'i Amona, na ho any amin'i Jodà, hamely an'i Jerosalema, tanàna mimanda. 26 Fa ny mpanjakan'i Babilona, nijanona teo an-tsampanan-dàlana, eo an-dohan'ny làlan-droa, mba hanao sikidy: ka manetsiketsika ny zana-tsipìka, manontany amin'ny terafima, mizaha amin'ny atikena. 27 Eo an-tànany ankavanana ny sikidy Jerosalema, hanangana lohondry vy hamely ny manda, handoaka fidirana amin'ny banga, hanandra-peo amin'ny akoran'ady, hanangana lohondry vy hamelezana ny vavahady, hanandratra tovon-tany, hanorina manda. 28 Faminaniana lainga ihany izany, eo imason'izy ireo; manana ny faminaniana masina indrindra hiaro azy izy ireo; nefa hampahatsiaroviny azy ny helony taloha, rahefa voasambotra izy. 29 Koa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Noho hianareo nampahatsiaro ny helokareo, tamin'ny nampihariharianareo ny hadisoanareo sy nanehoanareo ny fahotanareo tamin'izay rehetra nataonareo, ka nanao izay hahatsiarovana anareo, dia nosamborin-tànana hianareo.

30 Ary hianao, ry ilay afa-pahamasinana, mpanjaka ratsy fanahin'Israely, efa tonga ny andronao, amin'izao ipahan'ny fotoanan'ny faharatsiana; 31 ka izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Ny hamama halàna; ny satro-boninahitra, hesorina; hakorontana izao rehetra izao; ny iva, hasandratra, ny avo, haetry. 32 Hataoko rava dia rava dia rava izany; tsy ho eo intsony izany, mandra-pihavin'ilay Tompon'ny fitsarana, izay hametrahako sy homeko an'izany. 33 Ary hianao, ry zanak'olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh mamely ny taranak'i Amona, sy ny amin'ny faniratsirany. Lazao hoe: Ny sabatra, ny sabatra efa voatsoaka handringana: voafotsy izy handevona sy handefa tselatra, 34 - dia ny mbola ahitana zava-poana hianao, sy fambara mamitaka, hampiraisana toerana anao amin'ny fatin'ny ratsy fanahy voatolotra ho an'ny sabatra, fa efa tonga ny androny amin'izao ipahan'ny fotoanan'ny faharatsiana.

35 Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao; fa eo amin'ny toerana nahariana anao, eo amin'ny tany nahaterahanao, no hitsarako anao.

36 Hampidiniko aminao ny havinirako; hotsofiko aminao ny afom-pahatezerako; ary hatolotro eo an-tànan'ny olona adala hianao, sy amin'ny mpanao fandringanana.

37 Hohanin'ny afo hianao, ny rànao dia ho eo afovoan'ny tany, ary hianao tsy hotsarovan'ny olona; fa izaho Iaveh no niteny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1765