Bokin'i Ezekiela

Toko faha-24

1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo tamin'ny taona fahasivy, volana fahafolo, andro fahafolon'ny volana, nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, ataovy an-tsoratra izao andro izao: dia izao masonandro izao, fa amin'izao andro izao indrindra no niantorahan'ny mpanjakan'i Babilona tamin'i Jerosalema. 3 Manaova fanoharana amin'ny taranaka miodina, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Atsangàno ny vilany; atsangàno izy, ka asio rano. 4 Dia arotsahy ao ny didin-kena, ny didiny tsara rehetra; ny nofom-peny ama-nofon-tsorony; fenoy taolana voafantina izy. 5 Izay tsara indrindra amin'ny andian'ondry no alaovy, dia tohofy taolana betsaka eo ambanin'ny vilany; ataovy mangotraka mivadibadika fatratra izy mba ho masaka koa ny taolana ao anatiny. 6 Ka izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Loza ho an'ny tànana mpandatsa-dra, vilany misy taim-barahana ao anatiny, ka tsy afaka tao aminy ny taim-barahana! Loary tsirairay ny didin-kena, aza hanaovana filokana,

7 fa ny ra nalatsany dia mbola ao aminy; nataony teo amin'ny vatolampy mangadihady fa tsy nalatsany tamin'ny tany hosaronan'ny vovoka. 8 Mba hampirehitra ny hatezerana ary mba hanao famaliana azy, dia nataoko latsaka tamin'ny vatolampy mangadihady ny ra nalatsany tsy ho voasarona. 9 Ka izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Loza ho an'ny tànana mpandatsa-dra. Izaho koa hanangona antontan-kitay betsaka.

10 Angony ny kitay hazo, ampireheto ny afo, ataovy motraka ny hena, ataovy mangotraka ny koban-kena, ary aoka ho levon'ny afo koa ny taolana. 11 Dia ataovy eo ambony vainafo ny vilany foana, hahafana azy, hahamay ny varahana, hiempoan'ny lotony ao anatiny, hahalevona ny taim-barahany. 12 Aim-bery foana! fa tsy mety afaka ny vonga-taim-barahany, maharitra ny afo ny taim-barahany. 13 Misy zavatra lozan-tany amin'ny lotonao: satria tsy mety madio hianao, rahefa nodioviko dia tsy ho voadio amin'ny lotonao na oviana na oviana hianao, raha tsy efa nataoko mipetraka aminao ny hatezerako. 14 Izaho Iaveh no niteny, ho tonga izany ary hotanterahako; tsy hiahotrahotra aho, na hitsimbina, na hanenina. Hotsaraina araka ny nataonao sy ny helokao be vava hianao, - teny marin'ny Tompo Iaveh. 15 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

16 Ry zanak'olona, indro hesoriko tampoka aminao, amin'ny indray mitselaka monja, ilay fifalian'ny masonao; nefa aza midradradradra na mitomany, na mandatsa-dranomaso akory. 17 Misentoa mangingina, fa aza misaona ny maty. Ataovy amin'ny lohanao ny hamamanao, asio kiraro ny tongotrao, aza saronana ny volombavanao, ary aza mihinana ny mofom-piononana. 18 Nony maraina dia niteny tamin'ny olona aho, ka ny harivan'izany ihany dia maty ny vadiko; ary ny ampitso maraina indray dia notanterahako izay nandidiana ahy.

19 Ka hoy ny olona tamiko: Tsy hovoasanao aminay va izay hevitra mahazo anay amin'izao ataonao izao? 20 Dia izao no nolazaiko tamin'ireo: Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe: 21 Lazao amin'ny taranak'Israely hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro, hovetavetaiko ny fitoerako masina, ilay reharehan'ny herinareo, fifalian'ny masonareo, fitiavan'ny fanahinareo; ary ho lavon-tsabatra ny zanakalahinareo aman-janakavavinareo, izay nilaozanareo. 22 Amin'izany hianareo, hanao toy izao nataoko izao: tsy hanarona ny volombavanareo; tsy hihinana ny mofom-piononana. 23 Ho eo an-dohanareo ihany ny hamamanareo, ary ho eo an-tongotrareo ny kiraronareo, tsy hidradradradra na hitomany, fa hihalevona ao anatin'ny helokareo hianareo, ka hitoloko eo am-pifanilanareo. 24 Ezekiela no famantarana ho anareo; izay rehetra nataony no hataonareo, rahefa tonga izany; dia ho fantatrareo fa izaho no Tompo Iaveh. 25 Ary hianao, ry zanak'olona, amin'ny andro hanesorako amin'izy ireo ny heriny, ny voninahiny, ny firavoravoany, ny fahafinaretan'ny masony, ary ny fanirian'ny fanahiny; - dia ny zanany lahy aman-janany vavy; -

26 amin'izany andro izany, hisy olona mpandositra hankaty aminao, hilaza izany vaovao izany aminao. 27 Amin'izany andro izany, dia amin'ny fahatongavan'ilay mpadositra vao hisokatra ny vavanao, ka hiteny hianao fa tsy ho moana intsony; ary ho famantarana ho azy ireo hianao, dia ho fantatr'izy ireo fa Tompo Iaveh aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2893