Bokin'i Ezekiela

Toko faha-25

1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, atodiho mankany amin'ny taranak'i Amona ny tavanao, ka maminania ny hanjo azy ireo.

3 Lazao amin'ny taranak'i Amona hoe: Mihainoa ny tenin'ny Tompo Iaveh ! Izao no lazain'ny Tompo Iaveh : Noho hianao nanakora hoe: Hià! Hià! ny amin'ny fitoerako masina satria efa voavetaveta, sy ny amin'ny tanin'Israely, satria efa voarava, sy ny amin'ny taranak'i Jodà, satria lasan-ko babo izy ireo;

4 noho izany dia indro hatolotro hozakain'ny zanaky ny Atsinanana kosa hianao; ka hanorina ny tobiny eo aminao izy ireo, sy hiorim-ponenana ao aminao; izy no hihinana ny voankazonao, sy hisotro ny ronononao.

5 Ary Rabata hataoko tany fihinanan-drameva; ary ny tanin'ny taranak'i Amona ho valan'ondry, dia ho fantatrareo fa Iaveh aho.

6 Fa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Noho hianao niteha-tànana sy nigado-tongotra, ary nifaly tao am-ponao tamin'ny fanesoanao rehetra, ny amin'ny momba ny tanin'Israely;

7 noho izany dia indro aho haninji-tànana aminao: hanolotra anao ho babon'ny firenena, hamongotra anao, eo amin'ny vahoaka, hanesotra anao tsy ho isan'ny tany; handringana anao aho, ka ho fantatrao fa Iaveh aho.

8 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Noho Moaba sy Seira manao hoe: Indro ny taranak'i Jodà fa sahala amin'izao firenena rehetra izao ihany,

9 noho izany dia indro hotatahako ny lanivoan'i Moaba, hatrany amin'ny tanàna, hatrany amin'ny tanànany, hatrany amin'ny faritry ny taniny, tabihan'ny tany, Betjesimota, Beelmeona, Kariataina.

10 Hotatahako hidiran'ny zanaky ny Atsinanana izy, toraky ny tanin'ny taranak'i Amona, hatolotro hozakainy izy, mba tsy hotsaroana intsony eny amin'ny firenena ny taranak'i Amona.

11 Hanao fitsarana any amin'i Moaba aho, ka ho fantany fa Iaveh aho.

12 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Noho Edoma namaly an-kalozana ny taranak'i Jodà, ka nanao heloka makadiry tamin'ny namaliany azy ireo;

13 noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Haninji-tànana amin'i Edoma aho; ka haringako ny olona sy ny biby eo aminy; hataoko zary efitra, hatrany Temàna izy; ary ho lavon-tsabatra hatrany Dedàna.

14 Ny hanaovako famaliana an'i Edoma, dia ny tànan'Israely, vahoakako; hasiany araka ny hatezerako amam-pahavinirako i Edoma, ka ho fantany ny famaliako, - teny marin'ny Tompo Iaveh.

15 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Noho ny Filistina nanampatra ny famaliana, sady namaly an-kalozana, tamin'ny fanesoana ao am-po, mba handringana izao rehetra izao noho ny fankahalany tsy misy farany,

16 noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro aho haninji-tànana amin'ny Filistina, handringana ny Kretoà, ary handrava izay sisa monina eny amoron-dranomasina.

17 Hanao famaliana lehibe azy ireo aho, manasazy azy amin-katezerana mafy, ka ho fantany fa Iaveh aho, rahefa mampihatra aminy ny famaliako aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0436