Bokin'i Ezekiela

Toko faha-28

1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, lazao ny mpanjakan'i Tira hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Noho ny fonao nanandra-tena, sady hianao nanao hoe: Andriamanitra aho, no ipetrahako eo anivon'ny ranomasina, seza fiandrianan'Andriamanitra; nefa olombelona ihany hianao, fa tsy andriamanitra tsy akory, na dia ataonao ho toy ny fon'andriamanitra aza ny fonao!

3 - Indro hianao fa hendry noho i Daniely, tsy misy zava-takona miafina aminao;

4 tamin'ny fahendrenao amam-pahalalanao, nahazo harena ho anao hianao; ka nahangona volamena sy volafotsy miavosa, ho ao amin'ny rakitrao;

5 tamin'ny halehiben'ny fahendrenao, tamin'ny varotrao, hampitombo ny harenanao, ka dia nanandra-tena ny fonao azon'ny harenao. -

6 Noho izany, izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Satria nanao ny fonao ho toy ny fon'Andriamanitra hianao;

7 noho izany dia indro, hitondra firenen-kafa hamely anao aho, dia firenena masiaka indrindra amin'ny firenena; hotsoahany ny sabany, hamelezana ny filohan'asan'ny fahendrenao, ary hohamavoiny ny famirapiratanao.

8 Havariny any an-davaka hianao, ka ho faty amin'ny fahafatesan'izay voavono ao anatin'ny ranomasina.

9 Hianao va mbola hilaza hoe: Andriamanitra aho, eo anatrehan'ny mpamono anao; nefa olombelona ihany hianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, eo an-tànan'izay mamono anao?

10 Toy ny fahafatin'ny tsy voafora no hahafaty anao, amin'ny tanan'ny hafa firenena; fa izaho niteny, - teny marin'ny Tompo Iaveh.

11 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe: Ry zanak'olona, manaova falahelovana ny mpanjakan'i Tira;

12 ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Hianao no tampon-dohan'ny fahalavorariana, feno fahendrena, tapitra ohatra amin'ny hatsaran-tarehy, 13 tany Edena, sahan'Andriamanitra hianao, rakotry ny vatosoa: dia sardoana, topaza, diamondra, krisolita, oniksa, jaspa, safira, eskarbokla, emeraoda, ary volamena, nanana amponga tapaka aman-tsodina ho fanompoana anao efa voaomana tamin'ny andro nahariana anao.

14 Hianao no Kerobima voahosotra hiaro, napetrako tao amin'ny tendrombohitra masin'Andriamanitra; tao hianao; nandeha teo afovoan'ny vato mirehitra.

15 Lavorary hianao tamin'ny làlanao hatramin'ny andro nahariana anao ka hatramin'ny nisian-keloka teo aminao.

16 Tamin'ny fampitomboana ny varotrao, dia tonga feno fanaovana an-keriny ao anatinao; nanota hianao ka nariako hiala teo amin'ny tendrombohitr'Andriamanitra, ary nataoko levona hianao, ry Kerobima mpiaro, teo afovoan'ny vato mirehitra.

17 Nanandra-tena noho ny hatsaran-tarehinao ny fonao; nosimbanao ny fahendrenao azon'ny famirapiratanao, ka nazerako amin'ny tany hianao, sady natolotro ho fizahan'ny mpanjaka.

18 Noho ny fitomboan'ny helokao, tamin'ny tsy fahamarinan'ny varotrao, dia novetavetainao ny fitoeranao masina, ka namoaka afo teo afovoanao aho, ka izy no nandevona anao; dia nampanjariko lavenona eny ambonin'ny tany hianao, eo imason'izy rehetra nahita anao.

19 Izay rehetra nahalala anao, teo amin'ny firenena, gaga foana noho ny aminao; zary zava-mahatsiravina hianao; ka tsy misy intsony hianao mandrakizay!

20 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

21 Ry zanak'olona, atodiho mankany Sidona ny tavanao, ka maminania ny aminy, 22 ataovy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro ho avy aminao aho, ry Sidona; hanome voninahitra ny tenako eo aminao aho. Ho fantatry ny olona, fa Iaveh aho, rahefa manatanteraka fitsarana momba azy aho, sy manamasina ny tenako eo aminy. 23 Hahatonga pesta hamely azy aho; ary hisy ra eny an-dalambeny; hiampatrampatra eo aminy ireo voavono, matin'ny sabatra izay hamely azy hatraiza hatraiza. Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh aho.

24 Amin'izay tsy hisy intsony, ho an'ny taranak'Israely, izay tsilo mandoza, na roy mampangirifiry eo amin'izay rehetra mifanila aminy ka manao azy ho tsinontsinona; dia ho fantatry ny olona fa Tompo Iaveh aho.

25 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Rahefa manangona ny taranak'Israely, avy any amin'ny firenena nampielezako azy aho, dia hanamasina ny tenako eo amin'izy ireo, eo imason'ny firenena; ka honina eo amin'ny taniny, izay nomeko an'i Jakoba, mpanompoko, izy ireo.

26 Honina ao izy tsy amin'ahiahy; hanorin-trano sy hamboly voaloboka, honina ao tsy amin'ahiahy izy ireo, rahefa vitako ny fitsarana an'izay rehetra mpifanila aminy sy maneso azy. Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Andriamanitr'izy ireo aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0853