Bokin'i Ezekiela

Toko faha-29

1 Tamin'ny taona fahafolo, volana fahafolo, andro faharoa ambin'ny folon'ny volana, tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, atodiho mankany amin'i Faraona mpanjakan'i Ejipta ny tavanao, ka maminania ny aminy sy ny amin'i Ejipta manontolo. 3 Mitenena ka ataovy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro ho avy ao aminao aho, ry Faraona, mpanjakan'i Ejipta, hianao ilay mamba makadiry, mandry eo afovoan'ireo oninao, sy nanao hoe: Ahy ny oniko, fa izaho no nanao azy ho an'ny tenako. 4 Hanisy farango ny valanoranonao aho, hampiraikitra ny hazandrano ao amin'ny oninao, amin'ny kiranao, ary hampiakatra anao avy ao amin'ny oninao, dia hianao mbamin'ny hazandranon'ny oninao rehetra tafaraikitra amin'ny kiranao.

5 Hatsipiko any an'efitra hianao, mbamin'ny hazandrano rehetra ao amin'ny oninao; dia hiankarapoka eny an-tampon-tanety, ary tsy hisy hanarina na hanangona, fa efa nomeko ho hanin'ny biby eny an-tsaha sy ny voromanidina.

6 Dia ho fantatry ny mponina rehetra any Ejipta fa Iaveh aho: - satria efa tehina volotara ho an'ny taranak'Israely izy ireo.

7 Raisiny amin'ny tànana hianao, dia tapaka, sady mandrotidrotika ny sorony rehetra; mitehina aminao indray izy, dia folaka hianao, ataonao tafatehina amin'ny valahany avokoa.

8 Koa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro hahatonga sabatra hamely anao aho, ary handringana ny olona sy ny biby eo aminao;

9 ka ho zary tany lao sy efitra ny tany Ejipta. Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh aho. Noho i Faraona nanao hoe: Ahy ny ony, ary izaho no nanao azy;

10 noho izany dia indro aho ho avy ao aminao sy ny oninao; ka ataoko zary zavatra rava sady foana no nidiran-doza ny tany Ejipta, hatrany Migdola ka hatrany Siena, ary hatrany amin'ny sisin'ny tanin'i Etiopia.

11 Tsy hodiavin-tongotr'olona intsony eo; ary ny tongo-biby tsy handia azy, ary tsy hisy mponina eo, mandritra ny efapolo taona.

12 Ejipta, hataoko tany foana eo amin'ny tany lao rehetra; ary ny tanànany, eo afovoan'ny tanàna rava, dia ho tany lao foana mandritra ny efapolo taona; haeliko any amin'ny firenena ny Ejipsiana, ary hahahako any amin'ny tany samihafa izy.

13 Fa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Rahefa tapitra ny efapolo taona, hangoniko ny Ejipsiana avy any amin'ny firenena nielezany,

14 haveriko indray ireo voababo avy any Ejipta, ka hampodiko amin'ny tany Patrosa, any amin'ny nihaviany, ary ao izy dia ho fanjakana ambanimbany.

15 Ho fanjakana ambany Ejipta, raha samy fanjakana, ary tsy hisandratra ho ambonin'ny firenena, hohavitsiko ny isany, mba tsy hanapahany ny firenena.

16 Tsy ho fitokian'ny taranak'Israely intsony izy; hampahatsiaroviny azy ny heloka nataony, tamin'ny nitodihany nankany aminy; dia ho fantatry ny olona fa Tompo Iaveh aho.

17 Tamin'ny taona fahafito amby roapolo, volana voalohany, andro voalohan'ny volana, dia tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

18 Ry zanak'olona, Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, nampanao fanompoana mafy ny miaramilany, namely an'i Tira; tonga sola avokoa ny lohany, mangana avokoa ny sorony; nefa tsy nahazo karama kely akory tamin'i Tira, na ho an'ny tenany na ho an'ny miaramilany tamin'ny fanompoana nataony, namelezany azy.

19 Koa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro omeko an'i Nabokodonozora mpanjakan'i Babilona, ny tany Ejipta, ka halainy ny hareny ao; hobaboiny izay azo baboina ao; horobainy izay babo ao, ary hoentiny izay remby azo aminy, dia ho karama izany ho an'ny tafiny.

20 Ho valin'ny asa nataony namelezany an'i Tira, omeko azy ny tany Ejipta; satria niasa ho ahy izy ireo - teny marin'ny Tompo Iaveh.

21 Amin'izany andro izany, hampaniriako tandroka ny taranak'Israely, ary hampiloa-bava anao aho eo amin'izy ireo; ka ho fantany fa Iaveh aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.098